< Mpitsara 17 >

1 Nisy lehilahy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Mika no anarany.
以法蓮山地有一個人名叫米迦。
2 Ary hoy izy tamin’ ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin’ i Jehovah anie ny zanako.
他對母親說:「你那一千一百舍客勒銀子被人拿去,你因此咒詛,並且告訴了我。看哪,這銀子在我這裏,是我拿去了。」他母親說:「我兒啊,願耶和華賜福與你!」
3 Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.
米迦就把這一千一百舍客勒銀子還他母親。他母親說:「我分出這銀子來為你獻給耶和華,好雕刻一個像,鑄成一個像。現在我還是交給你。」
4 Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon’ i Mika izany.
米迦將銀子還他母親,他母親將二百舍客勒銀子交給銀匠,雕刻一個像,鑄成一個像,安置在米迦的屋內。
5 Ary nanana tranon’ andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.
這米迦有了神堂,又製造以弗得和家中的神像,分派他一個兒子作祭司。
6 Tamin’ izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.
那時以色列中沒有王,各人任意而行。
7 Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin’ ny fokon’ i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
猶大的伯利恆有一個少年人,是猶大族的利未人,他在那裏寄居。
8 Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin’ izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika.
這人離開猶大的伯利恆城,要找一個可住的地方。行路的時候,到了以法蓮山地,走到米迦的家。
9 Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin’ izay azoko hitoerana.
米迦問他說:「你從哪裏來?」他回答說:「從猶大的伯利恆來。我是利未人,要找一個可住的地方。」
10 Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.
米迦說:「你可以住在我這裏,我以你為父、為祭司。我每年給你十舍客勒銀子,一套衣服和度日的食物。」利未人就進了他的家。
11 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.
利未人情願與那人同住;那人看這少年人如自己的兒子一樣。
12 Dia natokan’ i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon’ i Mika.
米迦分派這少年的利未人作祭司,他就住在米迦的家裏。
13 Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.
米迦說:「現在我知道耶和華必賜福與我,因我有一個利未人作祭司。」

< Mpitsara 17 >