< Mpitsara 10 >

1 Ary taorian’ i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak’ i Dodo, lehilahy avy tamin’ ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin’ ny tany havoan’ i Efraima izy.
亚比米勒以后,有以萨迦人朵多的孙子、普瓦的儿子陀拉兴起,拯救以色列人。他住在以法莲山地的沙密。
2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
陀拉作以色列的士师二十三年,就死了,葬在沙密。
3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
在他以后有基列人睚珥兴起,作以色列的士师二十二年。
4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin’ ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.
他有三十个儿子,骑着三十匹驴驹。他们有三十座城邑,叫作哈倭特·睚珥,直到如今,都是在基列地。
5 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
睚珥死了,就葬在加们。
6 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
以色列人又行耶和华眼中看为恶的事,去事奉诸巴力和亚斯她录,并亚兰的神、西顿的神、摩押的神、亚扪人的神、非利士人的神,离弃耶和华,不事奉他。
7 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ ny Filistina sy ho eo an-tànan’ ny taranak’ i Amona Izy.
耶和华的怒气向以色列人发作,就把他们交在非利士人和亚扪人的手中。
8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak’ Isiraely ireo tamin’ izany taona izany: valo ambin’ ny folo taona no nampahoriany ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay tany an-dafin’ i Jordana, tany amin’ ny tanin’ ny Amorita any Gileada.
从那年起,他们扰害欺压约旦河那边、住亚摩利人之基列地的以色列人,共有十八年。
9 Ary nita an’ i Jordana ny taranak’ i Amona mba hiady koa amin’ ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’ i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
亚扪人又渡过约旦河去攻打犹大和便雅悯,并以法莲族。以色列人就甚觉窘迫。
10 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’ Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
以色列人哀求耶和华说:“我们得罪了你;因为离弃了我们 神,去事奉诸巴力。”
11 Ary hoy Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak’ i Amona ary ny Filistina va Aho?
耶和华对以色列人说:“我岂没有救过你们脱离埃及人、亚摩利人、亚扪人,和非利士人吗?
12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin’ ny tànany.
西顿人、亚玛力人、马云人也都欺压你们;你们哀求我,我也拯救你们脱离他们的手。
13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
你们竟离弃我,事奉别神!所以我不再救你们了。
14 Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ ny andron’ ny fahantranareo.
你们去哀求所选择的神;你们遭遇急难的时候,让他救你们吧!”
15 Ary hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
以色列人对耶和华说:“我们犯罪了,任凭你随意待我们吧!只求你今日拯救我们。”
16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.
以色列人就除掉他们中间的外邦神,事奉耶和华。耶和华因以色列人受的苦难,就心中担忧。
17 Dia nivory ny taranak’ i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
当时亚扪人聚集,安营在基列。以色列人也聚集,安营在米斯巴。
18 Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’ i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Amona? dia ho lohany amin’ ny mponina rehetra any Gileada izy.
基列的民和众首领彼此商议说:“谁能先去攻打亚扪人,谁必作基列一切居民的领袖。”

< Mpitsara 10 >