< Josoa 18 >

1 Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
И собрася весь сонм сынов Израилевых в Силом, и водрузиша тамо скинию свидения: и земля одержася от них.
2 Ary nisy firenena fito tamin’ ny Zanak’ Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
И осташася сынове Израилевы, иже не наследиша наследия своего седмь племен.
3 Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
И рече Иисус сыном Израилевым: доколе вы разслабляетеся внити наследити землю, юже даде вам Господь Бог отец ваших?
4 Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
Дайте от вас по три мужы от племене, и послю их, и воставше да пройдут землю и да опишут ю предо мною, якоже есть лепо разделити ю. И приидоша к нему.
5 Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’ i Josefa hitoetra any amin’ ny taniny ao avaratra.
И раздели им на седмь частей: Иуда да поставит предел своим от лива, и сынове Иосифли да поставят предел своим от севера:
6 Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
вы же разделите землю на седмь частей, и принесите ко мне семо, и изнесу вам жребий пред Господем Богом вашим:
7 Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
несть бо части у вас сыном Левииным, зане жречество Господне часть их: Гад же и Рувим и полплемене Манассиина взяша наследие свое об ону страну Иордана на востоки, еже даде им Моисей раб Господень.
8 Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.
И воставше мужие поидоша. И заповеда Иисус мужем идущым описати землю, глаголя: идите и обыдите землю, и опишите ю, и приидите ко мне, и изнесу вам зде жребий пред Господем в Силоме.
9 Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’ i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
И идоша мужие, и обыдоша землю и соглядаша ю, и описаша ю по градом ея на седмь частей в книгу, и принесоша ко Иисусу в полк в Силом.
10 Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.
И верже им Иисус жребий пред Господем в Силоме: и раздели тамо землю Иисус сыном Израилевым по разделению их.
11 Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’ i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Josefa.
И изыде жребий племене сынов Вениаминовых первый по сонмом их: и изыдоша пределы жребия их посреде сынов Иудиных и посреде сынов Иосифовых.
12 Ary ny fari-taniny amin’ ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ ny ilan’ i Jeriko amin’ ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ ny efitr’ i Betavena,
И быша пределы их от севера: от Иордана взыдут пределы созади Иерихона к северу и взыдут к горе к морю, и будет исход его Мавдарит Вефавн:
13 hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ ny ilany atsimon’ i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ ny tendrombohitra atsimon’ i Beti-horona ambany,
и пройдут оттуду пределы Лузы созади Лузы от юга: сия есть Вефиль: и снидут пределы сии от Атароф-Аддар на горную, яже есть к ливу Вефорон нижний,
14 dia niolaka tamin’ ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ ny tendrombohitra izay eo anoloan’ i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ ny taranak’ i Joda; izany no lafiny andrefana.
и прейдут пределы, и обыдут к стране зрящи к морю от ливы, от горы к лицу Вефорон Лива, и будет исход его в Кариаф-Ваал: сей есть Кариафиарим, Град сынов Иудиных. Сия есть часть яже к морю.
15 Ary ny lafiny atsimo dia hatramin’ ny faran’ i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin’ ny loharanon’ i Neftoa,
И часть яже к ливу от части Кариаф-Ваал: и пройдут пределы морския в Гаин, на источник воды Наффоновы,
16 dia nidina hatramin’ ny faran’ ny tendrombohitra, izay tandrifin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, eo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta eo avaratra, ka nidina hatramin’ ny lohasahan’ i Hinoma, hatramin’ ny ilany atsimon’ ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
и снидут пределы на страну горы, яже есть пред лицем дубравы, сына Енома, яже есть от части емек Рафаин от севера, и снидут к Геенному созади Иевуса от юга, и снидут на источник Рогиль,
17 dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin’ ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
и пройдут сквозе от севера, и пройдут на источник Самеса, и пройдут на Галилоф, иже есть прямо к восходу Едомим: и снидут на камень Ваан сынов Рувимлих,
18 dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratra tandrifin’ ny tani-hay ka nidina hatrany amin’ ny tani-hay.
и пройдут созади вефаравы от севера, и снидут ко араве,
19 dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratr’ i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin’ ny helo-drano avaratra amin’ ny Ranomasin-tsira, eo amin’ ny farany atsimo amin’ i Jordana; izany no lafiny atsimo.
и снидут с Аравы (на) пределы созади Вефагла от севера, и будет исход пределов на холм моря Сланаго от севера в страну Иорданову от ливы. Сии пределы суть от юга: и Иордан определит ю от страны востока.
20 Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina amin’ ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
Сие наследие сынов Вениаминовых, пределы его окрест по сонмом их.
21 Ary ny tanànan’ ny firenena taranak’ i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’ i Keziza
И быша грады племене сынов Вениаминовых по сонмом их, Иерихо и Вифагла и Амеккасис,
22 sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
и Вефарава и Семрим и Вифил,
23 sy Avima sy Para sy Ofra
и Авим и Афара, и Афра (и Екарен),
24 sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
и Кафираммин и Афни и Гаваа: грады дванадесять и веси их:
25 sy Gibeona sy Rama sy Berota
Гаваон и Рама и Вироф,
26 sy Mizpa sy Kefira sy Moza
и Масфа и Хефира и Амоса,
27 sy Rekema sy Iripela sy Tarala
и Рекем и Иерфаил и Фарала,
28 sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony.
и Силалеф и Иевус (сей есть Иерусалим), и Гавааф и Град Иарим: грады тринадесять и веси их. Сие наследие сынов Вениаминовых по сонмом их.

< Josoa 18 >