< Josoa 15 >

1 Ary izao no anjaran’ ny firenena taranak’ i Joda tamin’ ny filokana araka ny fokony: hatramin’ ny fari-tanin’ i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ ny faritany atsimo.
و قرعه به جهت سبط بنی یهودا، به حسب قبایل ایشان، به طرف جنوب به‌سر حد ادوم، یعنی صحرای صین به اقصای تیمان رسید.۱
2 Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ ny helo-drano atsimo,
و حد جنوبی ایشان از آخر بحرالملح، از خلیجی که متوجه به سمت جنوب است، بود.۲
3 dia nandroso hatrany atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon’ i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,
و به طرف جنوب، فراز عکربیم بیرون آمده، به صین گذشت، و به جنوب قادش برنیع برآمده، به حصرون گذشت، و به اداربرآمده، به سوی قرقع برگشت.۳
4 dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
و از عصمون گذشته، به وادی مصر بیرون آمد، و انتهای این حدتا به دریا بود. این حد جنوبی شما خواهد بود.۴
5 Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ ny faran’ i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny helo-drano eo amin’ ny faran’ i Jordana,
وحد شرقی، بحرالملح تا آخر اردن بود، و حدطرف شمال، از خلیج دریا تا آخر اردن بود.۵
6 dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr’ i Bet-araba, dia niakatra hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
واین حد تا بیت حجله برآمده، به طرف شمالی بیت عربه گذشت، و این حد نزد سنگ بهن پسر روبین برآمد.۶
7 dia niakatra ho any Debira hatramin’ ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an’ i Gilgala tandrifin’ ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon’ ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin’ ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
و این حد از وادی عخور نزد دبیر برآمد، و به طرف شمال به سوی جلجال که مقابل فرازادمیم است، که در جنوب وادی است، متوجه می‌شود، و این حد نزد آبهای عین شمس گذشت، و انتهایش نزد عین روجل بود.۷
8 dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,
و این حد ازوادی پسر هنوم به‌جانب یبوسی، به طرف جنوب که همان اورشلیم باشد، برآمد. پس این حد به سوی قله کوهی که به طرف مغرب مقابل وادی هنوم، و به طرف شمال به آخر وادی رفائیم است، گذشت.۸
9 dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
و این حد از قله کوه به چشمه آبهای نفتوح کشیده شد، و نزد شهرهای کوه عفرون بیرون آمد، و تا بعله که قریه یعاریم باشد، کشیده شد.۹
10 dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.
و این حد از بعله به طرف مغرب به کوه سعیر برگشت، و به طرف شمال از جانب کوه یعاریم که کسالون باشد گذشت، و نزد بیت شمس بزیر آمده، از تمنه گذشت.۱۰
11 dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.
و این حد به سوی شمال از جانب عقرون بیرون آمد، و تا شکرون کشیده شد، و از کوه بعله گذشته، نزد یبنئیل بیرون آمد، و انتهای این حد دریا بود.۱۱
12 Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony.
و حد غربی دریای بزرگ و کناره آن بود، این است حدودبنی یهودا از هر طرف به حسب قبایل ایشان.۱۲
13 Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).
و به کالیب بن یفنه به حسب آنچه خداوند به یوشع فرموده بود، در میان بنی یهودا قسمتی داد، یعنی قریه اربع پدر عناق که حبرون باشد.۱۳
14 Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.
وکالیب سه پسر عناق یعنی شیشی و اخیمان وتلمی اولاد عناق را از آنجا بیرون کرد.۱۴
15 Dia niakatra avy tao izy hankany amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
و ازآنجا به ساکنان دبیر برآمد و اسم دبیر قبل از آن قریه سفر بود.۱۵
16 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
و کالیب گفت: «هر‌که قریه سفررا بزند و آن را بگیرد، دختر خود عکسه را به زنی به او خواهم داد.۱۶
17 Ary Otniela, zanak’ i Kenaza, rahalahin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
و عتنئیل پسر قناز برادرکالیب آن را گرفت، و دختر خود عکسه را به او به زنی داد.۱۷
18 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
و چون او نزد وی آمد او را ترغیب کرد که از پدر خود زمینی طلب نماید، و دختر ازالاغ خود پایین آمد، و کالیب وی را گفت: «چه می‌خواهی؟»۱۸
19 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
گفت: «مرا برکت ده. چونکه زمین جنوبی را به من داده‌ای، چشمه های آب نیزبه من بده. پس چشمه های بالا و چشمه های پایین را به او بخشید.۱۹
20 Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:
این است ملک سبط بنی یهودا به حسب قبایل ایشان.۲۰
21 Ny tanàna farany amin’ ny firenena taranak’ i Joda, eo akaikin’ ny fari-tanin’ i Edoma amin’ ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora
و شهرهای انتهایی سبطبنی یهودا به سمت جنوب بر سرحد ادوم قبصئیل و عیدر و یاجور بود،۲۱
22 sy Kina sy Dimona sy Adada
و قینه و دیمونه وعدعده،۲۲
23 sy Kadesy sy Hazora sy Itnana
و قادش و حاصور و یتنان،۲۳
24 sy Zifa sy Talema sy Bealota
و زیف و طالم و بعلوت،۲۴
25 sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),
و حاصور حدته و قریوت حصرون که حاصور باشد.۲۵
26 sy Amama sy Sema sy Molada
امام و شماع ومولاده،۲۶
27 sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta
و حصرجده و حشمون و بیت فالط،۲۷
28 sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia
و حصر شوعال و بیرشبع و بزیوتیه،۲۸
29 sy Bala sy Ie sy Azema
و بعاله و عییم و عاصم،۲۹
30 sy Eltolada sy Kesila sy Horma
و التولد و کسیل و حرمه،۳۰
31 sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana
وصقلج و مدمنه و سنسنه،۳۱
32 sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.
و لباوت و سلخیم و عین و رمون، جمیع این شهرها با دهات آنهابیست و نه می‌باشد.۳۲
33 Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna
و در هامون اشتاول وصرعه و اشنه،۳۳
34 sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
و زانوح و عین جنیم و تفوح وعینام،۳۴
35 sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka
و یرموت و عدلام و سوکوه و عزیقه،۳۵
36 sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
و شعرایم و عدیتایم و الجدیره و جدیرتایم، چهارده شهر با دهات آنها.۳۶
37 ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada
صنان و حداشاه و مجدل جاد.۳۷
38 sy Dilana sy Mizpa ary Joktela
و دلعان و المصفه و یقتئیل.۳۸
39 sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona
و لاخیش و بصقه وعجلون.۳۹
40 sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa
و کبون و لحمان و کتلیش.۴۰
41 sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
وجدیروت و بیت داجون و نعمه و مقیده. شانزده شهر با دهات آنها.۴۱
42 Libna sy Atera sy Asana
و لبنه و عاتر و عاشان.۴۲
43 sy Jifta sy Asna ary Neziba
و یفتاح و اشنه و نصیب.۴۳
44 sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;
و قعیله واکزیب و مریشه. نه شهر با دهات آنها.۴۴
45 Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;
وعقرون و قصبه‌ها و دهات آن.۴۵
46 hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,
از عقرون تادریا، همه که به اطراف اشدود بود با دهات آنها.۴۶
47 Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
و اشدود و قصبه‌ها و دهات آن. و غزا وقصبه‌ها و دهات آن تا وادی مصر، و تا دریای بزرگ و کنار آن.۴۷
48 Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko
و در کوهستان شامیر و یتیر و سوکوه.۴۸
49 sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)
ودنه و قریه سنه که دبیر باشد.۴۹
50 sy Anaba sy Estemo sy Anima
و عناب و اشتموه و عانیم.۵۰
51 sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
و جوشن و حولون و جیلوه، یازده شهر با دهات آنها.۵۱
52 Araba sy Doma sy Esana
و اراب و دومه و اشعان.۵۲
53 sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka
و یانوم و بیت تفوح و افیقه.۵۳
54 sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;
و حمطه و قریه اربع که حبرون باشد، و صیعور، نه شهر با دهات آنها.۵۴
55 Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota
و معون و کرمل و زیف و یوطه.۵۵
56 sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa
ویزرعیل و یقدعام و زانوح.۵۶
57 sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;
و القاین و جبعه وتمنه، ده شهر با دهات آنها.۵۷
58 sy Halola sy Beti-zora sy Gedora
و حلحول و بیت صور و جدور.۵۸
59 sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;
ومعارات و بیت عنوت و التقون، شش شهر با دهات آنها.۵۹
60 sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.
و قریه بعل که قریه یعاریم باشد و الربه، دوشهر با دهات آنها.۶۰
61 Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy Sekaka
و در بیابان بیت عربه و مدین و سکاکه.۶۱
62 sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.
والنبشان و مدینه الملح و عین جدی، شش شهر بادهات آنها.۶۲
63 Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
و اما یبوسیان که ساکن اورشلیم بودند، بنی یهودا نتوانستند ایشان را بیرون کنند. پس یبوسیان با بنی یهودا تا امروز در اورشلیم ساکنند.۶۳

< Josoa 15 >