< Josoa 12 >

1 Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’ i Jordana hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ ny tani-hay
以色列人在约旦河外向日出之地击杀二王,得他们的地,就是从亚嫩谷直到黑门山,并东边的全亚拉巴之地。
2 Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
这二王,有住希实本、亚摩利人的王西宏。他所管之地是从亚嫩谷边的亚罗珥和谷中的城,并基列一半,直到亚扪人的境界,雅博河
3 ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.
与 约旦河东边的亚拉巴,直到基尼烈海,又到亚拉巴的海,就是盐海,通伯·耶西末的路,以及南方,直到毗斯迦的山根。
4 Ary azony koa ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, isan’ ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
又有巴珊王噩。他是利乏音人所剩下的,住在亚斯他录和以得来。
5 sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.
他所管之地是黑门山、撒迦、巴珊全地,直到基述人和玛迦人的境界,并基列一半,直到希实本王西宏的境界。
6 Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
这二王是耶和华仆人摩西和以色列人所击杀的;耶和华仆人摩西将他们的地赐给吕便人、迦得人,和玛拿西半支派的人为业。
7 Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’ i Libanona, ka hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seïra, ka ny taniny nomen’ i Josoa ny firenen’ ny Isiraely araka ny fizarany,
约书亚和以色列人在约旦河西击杀了诸王。他们的地是从黎巴嫩平原的巴力·迦得,直到上西珥的哈拉山。约书亚就将那地按着以色列支派的宗族分给他们为业,
8 dia ny any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin’ ny tani-hay sy amin’ ny tany am-bodin’ ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ ny tany atsimo, dia ny an’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:
就是赫人、亚摩利人,迦南人、比利洗人、希未人、耶布斯人的山地、高原亚拉巴、山坡、旷野,和南地。
9 Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray;
他们的王:一个是耶利哥王,一个是靠近伯特利的艾城王,
10 ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray;
一个是耶路撒冷王,一个是希伯 王,
11 ny mpanjakan’ i Jarmota, iray; ny mpanjakan’ i Lakisy, iray;
一个是耶末王,一个是拉吉王,
12 ny mpanjakan’ i Eglona, iray; ny mpanjakan’ i Gazera, iray;
一个是伊矶伦王,一个是基色王,
13 ny mpanjakan’ i Debira, iray; ny mpanjakan’ i Gadera, iray;
一个是底璧王,一个是基德王,
14 ny mpanjakan’ i Horma, iray; ny mpanjakan’ i Arada, iray;
一个是何珥玛王,一个是亚拉得王,
15 ny mpanjakan’ i Libna, iray; ny mpanjakan’ i Adolama, iray;
一个是立拿王,一个是亚杜兰王,
16 ny mpanjakan’ i Makeda, iray; ny mpanjakan’ i Betela, iray;
一个是玛基大王,一个是伯特利王,
17 ny mpanjakan’ i Tapoa, iray; ny mpanjakan’ i Hefera, iray;
一个是他普亚王,一个是希弗王,
18 ny mpanjakan’ i Afeka, iray; ny mpanjakan’ i Lasarona, iray;
一个是亚弗王,一个是拉沙 王,
19 ny mpanjakan’ i Madona, iray; ny mpanjakan’ i Hazora, iray;
一个是玛顿王,一个是夏琐王,
20 ny mpanjakan’ i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’ i Aksafa, iray;
一个是伸 ·米 王,一个是押煞王,
21 ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray;
一个是他纳王,一个是米吉多王,
22 ny mpanjakan’ i Kadesy, iray; ny mpanjakan’ i Jokneama any Karmela, iray;
一个是基低斯王,一个是靠近迦密的约念王,
23 ny mpanjakan’ i Dora eo amin’ ny havoan’ i Dora, iray; ny mpanjakan’ ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;
一个是多珥山冈的多珥王,一个是吉甲的戈印王,
24 ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.
一个是得撒王;共计三十一个王。

< Josoa 12 >