< Jaona 3 >

1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ ny Jiosy.
Lino kwakaliwo mu Falisi wakali kutegwa Nikkodimasi, muzululi wama Juda.
2 Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
Ooyo mwaalumi wakaza kuli Jesu mansiku, mpawo wakati kulinguwe, “Muyiisyi kuti uli muyiisyi wakazwa kuli Leza, nkaambo tawope ukonzya kuchita zitondeezyo eezyo chita ado Leza ulaanguwe.
3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.
Jesu wakasandula kuli nguw, “Nkasimpe, kasimpe ado muntu wazyalwa bupya lubo takonzyi kubona bwami bwa Leza.”
4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
Nikkodemasi wakati kulinguwe, “Mbubuli muntu mbwakonzya kuzyalwa nkali wachembaala? Tachikonzyoi kunjila lwabili mutumbu lyabanyina mpawo akuzyalwa, ulakonzya na?
5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
Jesu wakasandula, “Nkasimpe, nkasimpe ado muntu wazyalwa amaanzi amuuya, takonzyi kunjila mubwami bwa Leza.
6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Eecho chizyalwa kunyama ninyama, mpawo eecho chizyalwa kumuuya muuya.
7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.
Utagambi eecho nchindakwaambila, uyeelede kuzwalwa bupya.
8 Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
Luuwo luloonga kufumbwa nkuluyanda; ulamvwa muzuumo pesi tokonzyi kuziba nkulwazwa nekunba nkuluya. Nkikaako woonse muntu ooyo uzyalwa amuuya mbwabede.
9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
Nikkodemasi wakasandula kuti, “Mbubuli mbuzikonzya kuba zintu eezi?”
10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
Jesu wakasandula wati kulinguwe, “Uli mwiiyi wa Isiolayili na aboobo tomvwisyi zintu eezi?
11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
Nkasimpe, nkasimpe ndakwaambila, twaambwa nzitwizi, mpawo tupa bumboni aatala anzitwakabona. Aboobo totambuli bumboni bwesu.
12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
Na ndakaambide aatala azintu zyanyika mpawo twasyoma, mbuli mbokonzya kusyoma na ndakwambila ataala azintu zyajulu?
13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
Tawope wakaliinkide kujulu kunze kwayooyo wakaseluka kuzwa kujulu- Mwana aa Muntu.
14 Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,
Mbubonya mbuli Mozesi mbwakasumpula nzoka munkanda, mbobonya Mwana aa Muntu mbwayosumpulwa,
15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. (aiōnios g166)
kuti boonse basyoma bakabe abuumi butamani. (aiōnios g166)
16 Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Oobuya Leza mbwakayandisya nyika, eelyo wakiipa Mwana wakwe simuzyalwa aalike kuti kufumbwa uumusyoma mulinguwe atafwidilili pesi kuti aabe aabumi butamani. (aiōnios g166)
17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
Obuya Leza takatuma Mwana munyika kuti azoobeteke nyoka, pesi kuti azoofutule nyika kwiinfa mulinguwe.
18 Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.
Ooyo usyoma muli nguwe takoyoobetekwa, pesi ooyo utasyomi wabetekwa kale nkaambo taasyoma muzina lya Mwana alike wa Leza.
19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
Aaka nkikaambo kakutonga: Mumuni wasika munyika mpawo bantu bayanda mudima kwiinda mumuni nkaambo nchito zyabo nzyabubi.
20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
Woonse uuchita bubi wasula mumuni aboobo tasiki kumumuni, kuchitila nchito eezi kuti zitabonwi.
21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’ Andriamanitra izany.
Nikuba kuti, ooyo uuchita kasimpe wasika kumumuni kuchitila zilaantanganana ziboneke eezyo nchito kuti zyachoitwa muli Leza.
22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
Musule acheechi, Jesu abasikwiiya bakwe bakayinka munyika ya Judiya. Ooko wakakukkala kkala antoomwe ambabo akubbabbatizya.
23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’ i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
Lino Joni alakwe wakali kubbabbatizya mu Ayinoni afwiifwi ku Salimu nkaambo kwakali meenda mayingi nkuko. Bantu bakalikusika kulinguwe mpawo bakali ku bbabbatizigwa,
24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.
nkaambo Joni takalina waalwa muntolongo.
25 Ary nisy nifandiran’ ny mpianatr’ i Jaona tamin’ ny Jiosy anankiray ny amin’ ny fanadiovana;
Lino aawo kwakabuka lukazyano aakati kabasikwiiya ba Joni aba Juda aatala aapobwe lyakusanzyania.
26 ary tonga tany amin’ i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
Bayiinka kuli Joni mpawo bamwaambila kuti, “Labbi, ooyo wakali aanduwe kulimwi bbazu lyamulonga wa Jodani, aatala ayooyo ngwakalungulula, laanga, uliiku bbabbatizya mpawo boonse balikwiinka kulinguwe.”
27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
Joni wakasandiula, “Muntu takonzyi kutambula chintu na chapegwa kulinguwe kuzwa kujulu.
28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
Iwe lwako omwini ulanzya kupa bukamboni bwacheecho nchindakaamba, pesi kuti takatumwa kunembo lyakwe.
29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
Mulumi ngwaasibwiinga. Lino muzolwani wasibwiinga, ooyo uyiimikila akuswiilila nguwe, ulabotelwa kapati nkkambo kajwi lyasibwiinga. Eechi lino, ndo0lukondo lwangu ngalwazulila.
30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
Weelela kuti kusumpulwa mebo ndifwiinsigwe.
31 Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra; ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra;
Ooyo uzwa kujulu ulaajulu azyoonse. Ooyo uzwa aansi uzwa aansi mpawo wambuula aatala aansi. Ooyo uzwa kujulu uli aajulu azyoonse.
32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
Ulungululua aatala acheecho nchakabona anchakamvwa, pesi taakwe uzumina bukamboni bwakwe.
33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
Ooyo utambula bukamboni wazuminina kuti Leza nkasimpe.
34 Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.
Ooyo Leza ngwatuma wambuula majwi aa Leza. Pesi tapi mweelo wamuuya.
35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
Taata uyanda Mwana mpawo wakamupa zyoonse zintu mumaboko aakwe.
36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy. (aiōnios g166)
Ooyo usyoma ku Mwana uli aabuumi butamani, pesi ooyo ukaka Mwana takwe kuyoobona buumi, pesi bukali bwa Leza bulakkala aalinguwe.” (aiōnios g166)

< Jaona 3 >