< Jaona 16 >

1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
ܗܠܝܢ ܡܠܠܬ ܥܡܟܘܢ ܕܠܐ ܬܬܟܫܠܘܢ
2 Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.
ܢܦܩܘܢܟܘܢ ܓܝܪ ܡܢ ܟܢܘܫܬܗܘܢ ܘܬܐܬܐ ܫܥܬܐ ܕܟܠ ܕܢܩܛܘܠܟܘܢ ܢܤܒܪ ܕܩܘܪܒܢܐ ܡܩܪܒ ܠܐܠܗܐ
3 Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
ܘܗܠܝܢ ܢܥܒܕܘܢ ܡܛܠ ܕܠܐ ܝܕܥܘ ܘܠܐ ܠܐܒܝ ܘܠܐ ܠܝ
4 Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’ androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
ܗܠܝܢ ܡܠܠܬ ܥܡܟܘܢ ܕܡܐ ܕܐܬܐ ܥܕܢܗܝܢ ܬܥܗܕܘܢ ܐܢܝܢ ܕܐܢܐ ܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܗܠܝܢ ܕܝܢ ܡܢ ܩܕܝܡ ܠܐ ܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܕܥܡܟܘܢ ܗܘܝܬ
5 Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
ܗܫܐ ܕܝܢ ܐܙܠ ܐܢܐ ܠܘܬ ܡܢ ܕܫܕܪܢܝ ܘܠܐ ܐܢܫ ܡܢܟܘܢ ܡܫܐܠ ܠܝ ܠܐܝܟܐ ܐܙܠ ܐܢܬ
6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’ alahelo ny fonareo.
ܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܓܝܪ ܗܠܝܢ ܘܐܬܬ ܟܪܝܘܬܐ ܘܡܠܬ ܠܒܘܬܟܘܢ
7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
ܐܠܐ ܐܢܐ ܫܪܪܐ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܟܘܢ ܕܦܩܚ ܠܟܘܢ ܕܐܢܐ ܐܙܠ ܐܢ ܓܝܪ ܐܢܐ ܠܐ ܐܙܠ ܐܢܐ ܦܪܩܠܛܐ ܠܐ ܐܬܐ ܠܘܬܟܘܢ ܐܢ ܕܝܢ ܐܙܠ ܐܫܕܪܝܘܗܝ ܠܘܬܟܘܢ
8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
ܘܡܐ ܕܐܬܐ ܗܘ ܢܟܤܝܘܗܝ ܠܥܠܡܐ ܥܠ ܚܛܝܬܐ ܘܥܠ ܙܕܝܩܘܬܐ ܘܥܠ ܕܝܢܐ
9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
ܥܠ ܚܛܝܬܐ ܕܠܐ ܡܗܝܡܢܝܢ ܒܝ
10 ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
ܥܠ ܙܕܝܩܘܬܐ ܕܝܢ ܕܠܘܬ ܐܒܝ ܐܙܠ ܐܢܐ ܘܠܐ ܬܘܒ ܚܙܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܝ
11 ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.
ܥܠ ܕܝܢܐ ܕܝܢ ܕܐܪܟܘܢܐ ܕܥܠܡܐ ܗܢܐ ܕܝܢ ܗܘ
12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
ܬܘܒ ܤܓܝ ܐܝܬ ܠܝ ܠܡܐܡܪ ܠܟܘܢ ܐܠܐ ܠܐ ܡܫܟܚܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܡܐܚܕ ܗܫܐ
13 Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
ܡܐ ܕܐܬܐ ܕܝܢ ܪܘܚܐ ܕܫܪܪܐ ܗܘ ܢܕܒܪܟܘܢ ܒܟܠܗ ܫܪܪܐ ܠܐ ܓܝܪ ܢܡܠܠ ܡܢ ܪܥܝܢ ܢܦܫܗ ܐܠܐ ܟܠ ܕܢܫܡܥ ܗܘ ܢܡܠܠ ܘܥܬܝܕܬܐ ܢܘܕܥܟܘܢ
14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
ܘܗܘ ܢܫܒܚܢܝ ܡܛܠ ܕܡܢ ܕܝܠܝ ܢܤܒ ܘܢܚܘܝܟܘܢ
15 Izay rehetra ananan’ ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
ܟܠ ܡܕܡ ܕܐܝܬ ܠܐܒܝ ܕܝܠܝ ܗܘ ܡܛܠ ܗܢܐ ܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܕܡܢ ܕܝܠܝ ܢܤܒ ܘܢܚܘܝܟܘܢ
16 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
ܩܠܝܠ ܘܠܐ ܬܚܙܘܢܢܝ ܘܬܘܒ ܩܠܝܠ ܘܬܚܙܘܢܢܝ ܕܐܙܠ ܐܢܐ ܠܘܬ ܐܒܐ
17 Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin’ ny Ray Aho?
ܘܐܡܪܘ ܗܘܘ ܬܠܡܝܕܘܗܝ ܚܕ ܠܚܕ ܡܢܐ ܗܝ ܗܕܐ ܕܐܡܪ ܠܢ ܕܩܠܝܠ ܘܠܐ ܬܚܙܘܢܢܝ ܘܬܘܒ ܩܠܝܠ ܘܬܚܙܘܢܢܝ ܘܕܐܙܠ ܐܢܐ ܠܘܬ ܐܒܝ
18 Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
ܘܐܡܪܝܢ ܗܘܘ ܡܢܐ ܗܝ ܗܕܐ ܩܠܝܠ ܕܐܡܪ ܠܐ ܝܕܥܝܢܢ ܡܢܐ ܡܡܠܠ
19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
ܝܫܘܥ ܕܝܢ ܝܕܥ ܕܒܥܝܢ ܗܘܘ ܠܡܫܐܠܘܬܗ ܘܐܡܪ ܠܗܘܢ ܥܠ ܗܕܐ ܒܥܝܢ ܐܢܬܘܢ ܥܡ ܚܕܕܐ ܕܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܕܩܠܝܠ ܘܠܐ ܬܚܙܘܢܢܝ ܘܬܘܒ ܩܠܝܠ ܘܬܚܙܘܢܢܝ
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
ܐܡܝܢ ܐܡܝܢ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܟܘܢ ܕܬܒܟܘܢ ܐܢܬܘܢ ܘܬܐܠܘܢ ܘܥܠܡܐ ܢܚܕܐ ܘܠܟܘܢ ܬܟܪܐ ܐܠܐ ܟܪܝܘܬܟܘܢ ܠܚܕܘܬܐ ܬܗܘܐ
21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ ny tany.
ܐܢܬܬܐ ܡܐ ܕܝܠܕܐ ܟܪܝܐ ܠܗ ܕܡܛܐ ܝܘܡܐ ܕܡܘܠܕܗ ܡܐ ܕܝܠܕܬ ܕܝܢ ܒܪܐ ܠܐ ܥܗܕܐ ܐܘܠܨܢܗ ܡܛܠ ܚܕܘܬܐ ܕܐܬܝܠܕ ܒܪܢܫܐ ܒܥܠܡܐ
22 Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
ܐܦ ܐܢܬܘܢ ܗܫܐ ܟܪܝܐ ܠܟܘܢ ܬܘܒ ܕܝܢ ܐܚܙܝܟܘܢ ܘܢܚܕܐ ܠܒܟܘܢ ܘܚܕܘܬܟܘܢ ܠܐ ܐܢܫ ܢܤܒ ܡܢܟܘܢ
23 Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.
ܘܒܗܘ ܝܘܡܐ ܠܝ ܠܐ ܬܫܐܠܘܢ ܡܕܡ ܐܡܝܢ ܐܡܝܢ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܟܘܢ ܕܟܠ ܡܕܡ ܕܬܫܐܠܘܢ ܠܐܒܝ ܒܫܡܝ ܢܬܠ ܠܟܘܢ
24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
ܥܕܡܐ ܠܗܫܐ ܠܐ ܫܐܠܬܘܢ ܡܕܡ ܒܫܡܝ ܫܐܠܘ ܘܬܤܒܘܢ ܕܬܗܘܐ ܚܕܘܬܟܘܢ ܡܫܡܠܝܐ
25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ ny Ray.
ܗܠܝܢ ܒܦܠܐܬܐ ܡܠܠܬ ܥܡܟܘܢ ܐܬܝܐ ܕܝܢ ܫܥܬܐ ܐܡܬܝ ܕܠܐ ܐܡܠܠ ܥܡܟܘܢ ܒܦܠܐܬܐ ܐܠܐ ܥܝܢ ܒܓܠܐ ܐܒܕܩ ܠܟܘܢ ܥܠ ܐܒܐ
26 Amin’ izany andro izany dia hangataka amin’ ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo;
ܒܗܘ ܝܘܡܐ ܕܬܫܐܠܘܢ ܒܫܡܝ ܘܠܐ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܟܘܢ ܕܐܢܐ ܐܒܥܐ ܡܢ ܐܒܐ ܥܠܝܟܘܢ
27 fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho.
ܗܘ ܓܝܪ ܐܒܐ ܪܚܡ ܠܟܘܢ ܕܐܢܬܘܢ ܪܚܡܬܘܢܢܝ ܘܗܝܡܢܬܘܢ ܕܐܢܐ ܡܢ ܠܘܬ ܐܠܗܐ ܢܦܩܬ
28 Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.
ܢܦܩܬ ܡܢ ܠܘܬ ܐܒܐ ܘܐܬܝܬ ܠܥܠܡܐ ܘܬܘܒ ܫܒܩ ܐܢܐ ܠܥܠܡܐ ܘܐܙܠ ܐܢܐ ܠܝ ܠܘܬ ܐܒܐ
29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
ܐܡܪܝܢ ܠܗ ܬܠܡܝܕܘܗܝ ܗܐ ܗܫܐ ܓܠܝܐܝܬ ܡܡܠܠ ܐܢܬ ܘܦܠܐܬܐ ܘܠܐ ܚܕܐ ܐܡܪ ܐܢܬ
30 Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’ Andriamanitra Hianao.
ܗܫܐ ܝܕܥܝܢ ܚܢܢ ܕܟܠ ܡܕܡ ܝܕܥ ܐܢܬ ܘܠܐ ܤܢܝܩ ܐܢܬ ܕܐܢܫ ܢܫܐܠܟ ܒܗܕܐ ܡܗܝܡܢܝܢ ܚܢܢ ܕܡܢ ܐܠܗܐ ܢܦܩܬ
31 Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
ܐܡܪ ܠܗܘܢ ܝܫܘܥ ܗܝܡܢܘ
32 Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
ܕܗܐ ܐܬܝܐ ܫܥܬܐ ܘܗܫܐ ܐܬܬ ܕܬܬܒܕܪܘܢ ܐܢܫ ܠܐܬܪܗ ܘܬܫܒܩܘܢܢܝ ܒܠܚܘܕܝ ܘܠܐ ܗܘܝܬ ܒܠܚܘܕܝ ܕܐܒܐ ܥܡܝ ܗܘ
33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
ܗܠܝܢ ܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܕܒܝ ܢܗܘܐ ܠܟܘܢ ܫܠܡܐ ܒܥܠܡܐ ܗܘܐ ܠܟܘܢ ܐܘܠܨܢܐ ܐܠܐ ܐܬܠܒܒܘ ܐܢܐ ܙܟܝܬܗ ܠܥܠܡܐ

< Jaona 16 >