< Joba 7 >

1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?
A OLE anei he kaua no ke kanaka ma ka honua? A like kona mau la me na la o ka mea hoolimalima?
2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,
E like me ke kauwa i makemake nui i ka malu, A me ka hoolimalima i nana i ka uku o kana hana;
3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
Pela no e lilo mai ai ia'u na malama luuluu, A e loaa ia'u na po kaumaha.
4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.
A i ka wa i moe ai au ilalo, i iho no au, Ahea la au e ala'e iluna? Ahea la e hala'e ka po? Ua piha au i ka hiaa ana a hiki i ka wanaao.
5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
Ua paapu ko'u kino i ka ilo a me ka papaa lepo; Ke ola mai nei kuu ili, alaila puha hou ae la.
6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
Ua oi ka mama o kuu mau la mamua o ka laau ulana lole, A holo aku me ke manaolana ole.
7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
E hoomanao oe, he makani kuu ola: Aole e ike hou ko'u maka i ka maikai.
8 Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
O ka maka o ka mea i ike ia'u, aole ia e ike hou ia'u: Maluna o'u kou mau maka, a e ole auanei au.
9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; (Sheol h7585)
E like me ke ao e nalowale ana a e hele aku ana; Pela ka mea e iho ana i ka luakupapau, aole ia e ea hou ae iluna. (Sheol h7585)
10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
Aole ia e hoi hou i kona hale, Aole hoi e ike hou kona wahi ia ia.
11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.
Nolaila aole au e hoopaa i kuu waha; E olelo aku au ma ka pilikia o kuu uhane; E ulono ana au no ka awaawa o kuu naau.
12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
He kai anei au, a he ia nui, I hoonoho mai ai oe i ke kiai maluna o'u?
13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
A i iho au, E hooluolu kuu wahi moe ia'u, E lawe aku kuu moe i ko'u ulono ana:
14 Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;
Alaila hoomakau mai oe ia'u ma na moeuhane, A hooweliweli mai oe ia'u i na mea hihio.
15 Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
Nolaila ke koho nei kuu naau i ke kaawe, A me ka make mamua o kuu ola ana.
16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
Ke hoopailua nei au ia mea; aole au makemake e ola loa; E waiho mai ia'u; no ka mea, he hanu wale no kuu mau la.
17 Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
Heaha la ke kanaka, i hoonui mai ai oe ia ia? A i kau mai ai oe i kou manao ia ia?
18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
A i ike mai ai oe ia ia i kela kakahiaka keia kakahiaka, A i hoao mau mai ai oe ia ia?
19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
Pehea ka loihi o kou nana ole ana mai io'u aku nei, A kuu ole mai ia'u, a moni iho au i kuu kuha?
20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
Ua hana hewa au; heaha ka'u e hana aku ai ia oe, E ka Meakiai i na kanaka? No keaha la oe e hooku ae ia'u, i mea e hopu ai nou, I lilo ai hoi au i mea kaumaha no'u iho?
21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
No keaha la oe i kala ole mai ai i kuu hala, A i lawe aku hoi i ko'u hewa? No ka mea, ano e moe auanei au i ka lepo; A e imi mai oe ia'u, aole hoi wau.

< Joba 7 >