< Joba 7 >

1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?
人在世上豈無爭戰嗎? 他的日子不像雇工人的日子嗎?
2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,
像奴僕切慕黑影, 像雇工人盼望工價;
3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
我也照樣經過困苦的日月, 夜間的疲乏為我而定。
4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.
我躺臥的時候便說: 我何時起來,黑夜就過去呢? 我盡是反來覆去,直到天亮。
5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
我的肉體以蟲子和塵土為衣; 我的皮膚才收了口又重新破裂。
6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
我的日子比梭更快, 都消耗在無指望之中。
7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
求你想念,我的生命不過是一口氣; 我的眼睛必不再見福樂。
8 Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
觀看我的人,他的眼必不再見我; 你的眼目要看我,我卻不在了。
9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; (Sheol h7585)
雲彩消散而過; 照樣,人下陰間也不再上來。 (Sheol h7585)
10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
他不再回自己的家; 故土也不再認識他。
11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.
我不禁止我口; 我靈愁苦,要發出言語; 我心苦惱,要吐露哀情。
12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
我對上帝說:我豈是洋海, 豈是大魚,你竟防守我呢?
13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
若說:我的床必安慰我, 我的榻必解釋我的苦情,
14 Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;
你就用夢驚駭我, 用異象恐嚇我,
15 Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
甚至我寧肯噎死,寧肯死亡, 勝似留我這一身的骨頭。
16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
我厭棄性命,不願永活。 你任憑我吧,因我的日子都是虛空。
17 Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
人算甚麼,你竟看他為大, 將他放在心上?
18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
每早鑒察他, 時刻試驗他?
19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
你到何時才轉眼不看我, 才任憑我咽下唾沫呢?
20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
鑒察人的主啊,我若有罪,於你何妨? 為何以我當你的箭靶子, 使我厭棄自己的性命?
21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
為何不赦免我的過犯, 除掉我的罪孽? 我現今要躺臥在塵土中; 你要殷勤地尋找我,我卻不在了。

< Joba 7 >