< Joba 22 >

1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
А Елифас Теманац одговори и рече:
2 Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
Може ли Богу бити човек користан? Сам је себи користан човек мудар.
3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
Је ли Свемогућем радост, ако си праведан? Или Му је добит, ако ходиш без мане?
4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?
Хоће ли те карати и ићи на суд с тобом зато што те се боји?
5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
Није ли злоћа твоја велика? И неправдама твојим има ли краја?
6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.
Јер си узимао залог од браће своје низашта, и свлачио си хаљине с голих.
7 Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
Уморног ниси напојио воде, и гладноме ниси дао хлеба.
8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
Земља је била човека силног, и угледни је седео у њој.
9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
Удовице си отпуштао празне, и мишице сиротама потирао си.
10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
Зато су око тебе замке, и страши те страх изненада.
11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
И мрак је око тебе да не видиш, и поводањ покрива те.
12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
Није ли Бог на висини небеској? Погледај горе звезде, како су високо.
13 Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
Али ти кажеш: Шта зна Бог? Еда ли ће кроз таму судити?
14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
Облаци Га заклањају, те не види; хода по кругу небеском.
15 Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
Јеси ли запазио стари пут којим су ишли неправедници,
16 Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,
Који се искоренише пре времена и вода се разли по темељу њиховом?
17 Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?
Говораху Богу: Иди од нас. Шта би им учинио Свемогући?
18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
А Он им је напунио куће добра. Али намера безбожничка далеко је од мене.
19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
Видеће праведници и радоваће се, и безазлени подсмеваће им се.
20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
Да, још није уништено добро наше, а остатак је њихов прождрао огањ.
21 Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
Сложи се с Њим и помири се; тако ће ти бити добро.
22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
Прими из уста Његових закон, и сложи речи Његове у срцу свом.
23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
Ако се вратиш к Свемогућем, опет ћеш се назидати, ако удаљиш од шатора својих безакоње,
24 Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
Тада ћеш метати по праху злато и офирско злато по камењу из потока.
25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
И Свемогући биће ти злато и сребро и сила твоја.
26 Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.
Јер ћеш се тада радовати о Господу, и подигнућеш к Богу лице своје.
27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
Молићеш Му се, и услишиће те, и завете своје извршићеш.
28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.
Шта год наумиш, излазиће ти; и на путевима твојим светлиће видело.
29 Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
Кад други буду понижени, рећи ћеш: Да се подигну; и Бог ће избавити оног ко је оборених очију.
30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.
Избавиће и оног који није без кривице; избавиће га чистотом руку твојих.

< Joba 22 >