< Joba 17 >

1 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana. 2 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho. 3 Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy? 4 Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy. 5 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ ny zanany. 6 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako. 7 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra. 8 Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy. 9 Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery. 10 Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho. 11 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra; 12 Ny alina ataon’ ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. 13 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako. (Sheol h7585) 14 Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao. 15 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy? 16 Midìna any amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ ny vovoka aho. (Sheol h7585)

< Joba 17 >