< Jeremia 9 >

1 Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman’ alina noho ny voavono amin’ ny oloko zanakavavy!
Oh that my head were waters, And mine eyes a fountain of tears, —That I might weep day and night, For the slain of the daughter of my people!
2 Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran’ ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
Oh that I had in the wilderness, a wayfarers’ lodge, That I might leave my people, and go from them, —For they all, are Adulterers, An assemblage of traitors;
3 Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin’ ny tany; Fa mandroso amin’ ny ratsy ka hatramin’ ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
Who have prepared their tongue as their bow of falsehood, And, not by faithfulness, have they become mighty in the land, —For from wickedness unto wickedness, have they gone forth, But me, have they not known, Declareth Yahweh.
4 Samia miaro tena amin’ ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.
Every one, of his neighbour, beware ye, And in no brother, may ye trust, —For, every brother, supplanteth! And every neighbour, as a tale-bearer, goeth about;
5 Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin’ ny fanaovan-dratsy.
Yea, every one, of his neighbour, maketh a dupe, And, truth, they do not speak, —They have taught their tongue to speak falsehood, In acting perversely, they have wearied themselves.
6 Ny fonenanao dia ao anatin’ ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
Thy dwelling, is in the midst of deceit, —Through deceit, have they rejected the knowledge of, me, Declareth Yahweh.
7 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin’ ny oloko zanakavavy?
Therefore, thus, saith Yahweh of hosts, Behold me! melting them, so will I try them, —For how else should I do because of the wickedness of the daughter of my people?
8 Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin’ ny vavany, dia miteny fihavanana amin’ ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
A pointed arrow, is their tongue Deceit, hath it spoken, —With his mouth peace unto his neighbour, doth one speak, But within himself, he layeth his ambush.
9 Tsy hovaliako va izy amin’ izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
For these things, shall I not bring punishment on them? Demandeth Yahweh, —On a nation such as this, must not my soul avenge herself!
10 Noho ny amin’ ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin’ ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn’ omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
Over the mountains, will I take up a weeping and wailing, And over the oases of the desert, a dirge, For they have been burned, so that no man passeth through, Neither have men heard the lowing of cattle, —Both the bird of the heavens and the beast have fled, have gone their way:
11 Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ ny amboadia; ary ny tanànan’ ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.
Thus will I give up Jerusalem To heaps, A habitation for jackals, —And the cities of Judah, will I give up to desolation, without inhabitant.
12 Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan’ ny vavan’ i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
Who, is the man that is wise That he may discern this? And, unto whom, hath the mouth of Yahweh spoken, That he may declare it? For what cause Hath the land perished, Hath it been burned as a wilderness that no man passeth through?
13 Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,
Then said Yahweh, —Because they have forsaken my law, which I set before them, —And have not hearkened to hay voice neither walked therein;
14 Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin’ ny razany azy,
But have gone their way, After the stubbornness of their own heart, —And after the Baals which their fathers taught them,
15 Dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
Therefore, Thus saith Yahweh of hosts, The God of Israel, Behold me! Feeding them, even this people, with wormwood, —And I will cause them to drink, poisoned water;
16 Ary haeliko any amin’ izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
And will scatter them among the nations, which neither they nor their fathers, have known, —And will send after them the sword, until I have consumed them.
17 Izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
Thus, saith Yahweh of hosts, Consider ye diligently and call for the wailing women that they may come, —And unto the wise women, send ye, that they may come;
18 Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin’ ny hodimasontsika.
Yea let them make haste, and lift up over us a wailing, —That our eyes, may run down, with tears, And, our eyelashes, stream down with water; —
19 Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
Yea, a voice of wailing, hath been heard out of Zion How are we ruined! We have turned very pale For we have left the land, For they have cast down our habitations.
20 Nefa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin’ ny sofinareo ny tenin’ ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
For hear O ye women the word of Yahweh, And let your ear take in the word of his mouth, —And teach your daughters a wail, Yea each woman—her neighbour, a dirge: —
21 Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.
That death Hath come up through our windows, Hath entered our palaces, —Cutting off The boy from the street, The young men from the broadways.
22 Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Speak thou, Thus, declareth Yahweh, So shall fall the dead bodies of men, Like dung heaps on the face of the field, —And like swaths after the harvestman, With none to gather.
23 Izao no lazain’ i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ ny hareny;
Thus, saith Yahweh Let not, the wise man, glory in his wisdom, Neither let, the mighty man, glory, in his might, —Let not, the rich man, glory in his riches;
24 Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
But, in this, let the glorying one glory—In having intelligence and in knowing me, That, I, am Yahweh, Executing lovingkindness, justice, and righteousness in the earth, —That in these things, I delight Declareth Yahweh.
25 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin’ ny tsy voafora koa,
Lo! days are coming, Declareth Yahweh, —When I will bring punishment upon every one circumcised, With him that is uncircumcised:
26 Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
Upon Egypt and upon Judah, And upon Edom, and upon the sons of Ammon, And upon Moab, And upon all the clipped beards, The dwellers in the desert, —For, all the nations, are uncircumcised, And, all the house of Israel, are uncircumcised in heart.

< Jeremia 9 >