< Jeremia 51 >

1 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
Thus says the LORD: "Look, I will raise up against Babylon, and against those who dwell in Lebkamai, a destroying wind.
2 Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ ny andro fahoriana ireo.
I will send to Babylon foreigners who shall winnow her; and they shall empty her land: for in the day of trouble they shall be against her around.
3 Izay manenjana tsipìka mbamin’ izay miandranandrana amin’ ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian’ izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,
Do not let him who bends the bow bend it; nor not let him rise up in his armor. And do not spare her young men; utterly destroy all her army.
4 Mba hiampatrampatra any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
They shall fall down slain in the land of the Chaldeans, and thrust through in her streets.
5 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely aza ny taniny.
"For Israel is not forsaken, nor Judah, of his God, of the LORD of hosts; though their land is full of guilt against the Holy One of Israel.
6 Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.
Flee out of the midst of Babylon, and save every man his life; do not be cut off in her iniquity: for it is the time of the LORD's vengeance; he will render to her a recompense.
7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’ i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
Babylon has been a golden cup in the LORD's hand, who made all the earth drunk: the nations have drunk of her wine; therefore the nations are mad.
8 Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
Babylon is suddenly fallen and destroyed: wail for her; take balm for her pain, if so be she may be healed.
9 Nitady hanasitrana an’ i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin’ ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin’ ny rahona.
'We would have healed Babylon, but she is not healed: forsake her, and let us go everyone into his own country; for her judgment reaches to heaven, and is lifted up even to the skies.'
10 Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.
'The LORD has brought forth our righteousness: come, and let us declare in Zion the work of the LORD our God.'
11 Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Make sharp the arrows; hold firm the shields: the LORD has stirred up the spirit of the kings of the Medes; because his purpose is against Babylon, to destroy it: for it is the vengeance of the LORD, the vengeance of his temple.
12 Manangàna faneva eo akaikin’ ny mandan’ i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin’ ny mponina any Babylona.
Set up a standard against the walls of Babylon, make the watch strong, set the watchmen, prepare the ambushes; for the LORD has both purposed and done that which he spoke concerning the inhabitants of Babylon.
13 Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
You who dwell on many waters, abundant in treasures, your end has come, the measure of your covetousness.
14 Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
The LORD of hosts has sworn by himself, saying, "Surely I will fill you with men, as with the canker worm; and they shall lift up a shout against you."
15 Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
He has made the earth by his power, he has established the world by his wisdom, and by his understanding has he stretched out the heavens.
16 Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho an’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
When he utters his voice, there is a tumult of waters in the heavens, and he causes the vapors to ascend from the farthest parts of the earth; he makes lightning for the rain, and brings forth the wind out of his treasuries.
17 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
Every man has become brutish without knowledge. Every goldsmith is disappointed by his image; for his molten image is falsehood, and there is no breath in them.
18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
They are vanity, a work of delusion: in the time of their visitation they shall perish.
19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
The portion of Jacob is not like these, for he is the maker of all things; and Israel is the tribe of his inheritance; the LORD of hosts is his name.
20 Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
"You are my battle axe and weapons of war: and with you will I break in pieces the nations; and with you will I destroy kingdoms;
21 Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
and with you will I break in pieces the horse and his rider; and with you will I break in pieces the chariot and its rider.
22 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
And with you will I break in pieces man and woman; and with you will I break in pieces the old man and the youth; and with you will I break in pieces the young man and the virgin;
23 Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
and with you will I break in pieces the shepherd and his flock; and with you will I break in pieces the farmer and his yoke; and with you will I break in pieces governors and deputies.
24 Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
I will render to Babylon and to all the inhabitants of Chaldea all their evil that they have done in Zion in your sight," says the LORD.
25 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
"Look, I am against you, destroying mountain," says the LORD, "which destroys all the earth; and I will stretch out my hand on you, and roll you down from the rocks, and will make you a burnt mountain.
26 Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
They shall not take of you a stone for a corner, nor a stone for foundations; but you shall be desolate for ever," says the LORD.
27 Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Set up a standard in the land, blow the trumpet among the nations, prepare the nations against her, call together against her the kingdoms of Ararat, Minni, and Ashkenaz: appoint a marshal against her; cause the horses to come up as the rough canker worm.
28 Manendre firenena sy ireo mpanjakan’ ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
Prepare against her the nations, the kings of the Medes, its governors, and all its deputies, and all the land of their dominion.
29 Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
The land trembles and is in pain; for the purposes of the LORD against Babylon do stand, to make the land of Babylon a desolation, without inhabitant.
30 Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
The mighty men of Babylon have forborne to fight, they remain in their strongholds; their might has failed; they are become as women: her dwelling places are set on fire; her bars are broken.
31 Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin’ ny mpanjakan’ i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
One runner will run to meet another, and one messenger to meet another, to show the king of Babylon that his city is taken on every quarter:
32 Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
and the passages are seized, and the reeds they have burned with fire, and the men of war are frightened.
33 Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin’ ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
For thus says the LORD of hosts, the God of Israel: "The daughter of Babylon is like a threshing floor at the time when it is trodden; yet a little while, and the time of harvest shall come for her.
34 Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
'Nebuchadnezzar the king of Babylon has devoured me, he has crushed me, he has made me an empty vessel, he has, like a monster, swallowed me up, he has filled his maw with my delicacies; he has cast me out.
35 Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an’ i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
The violence done to me and to my flesh be on Babylon,' shall the inhabitant of Zion say; and, 'My blood be on the inhabitants of Chaldea,' shall Jerusalem say.
36 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin’ ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
Therefore thus says the LORD: "Look, I will plead your cause, and take vengeance for you; and I will dry up her sea, and make her fountain dry.
37 Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
Babylon shall become heaps, a dwelling place for jackals, an astonishment, and a hissing, without inhabitant.
38 Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
They shall roar together like young lions; they shall growl as lions' cubs.
39 Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
When they are heated, I will make their feast, and I will make them drunk, that they may rejoice, and sleep a perpetual sleep, and not wake," says the LORD.
40 Hampidiniko ho any amin’ ny famonoana toy ny zanak’ ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin’ ny osilahy.
"I will bring them down like lambs to the slaughter, like rams with male goats.
41 Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ ny firenena Babylona.
How is Sheshach taken, and the praise of the whole earth seized. How is Babylon become a desolation among the nations.
42 Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; Voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.
The sea has come up on Babylon; she is covered with the multitude of its waves.
43 Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.
Her cities are become a desolation, a dry land, and a desert, a land in which no man dwells, neither does any son of man pass thereby.
44 Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan’ i Babylona dia hirodana.
I will execute judgment on Bel in Babylon, and I will bring forth out of his mouth that which he has swallowed up; and the nations shall not flow any more to him: yes, the wall of Babylon shall fall."
45 Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
"My people, go away from the midst of her, and save yourselves every man from the fierce anger of the LORD.
46 Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin’ ny tany; Fa amin’ ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin’ ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin’ ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
Do not let your heart faint, neither fear for the news that shall be heard in the land; for news shall come one year, and after that in another year shall come news, and violence in the land, ruler against ruler.
47 koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr’ i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
Therefore look, the days come, that I will execute judgment on the engraved images of Babylon; and her whole land shall be confounded; and all her slain shall fall in the midst of her.
48 Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’ i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
Then the heavens and the earth, and all that is in them, shall sing for joy over Babylon; for the destroyers shall come to her from the north," says the LORD.
49 Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra noho ny amin’ i Babylona.
As Babylon has caused the slain of Israel to fall, so at Babylon shall fall the slain of all the land.
50 Hianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
You who have escaped the sword, go, do not stand still; remember the LORD from afar, and let Jerusalem come into your mind.
51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ ny fitoerana masìna amin’ ny tranon’ i Jehovah.
"We are confounded, because we have heard reproach; confusion has covered our faces: for strangers have come into the sanctuaries of the LORD's house."
52 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran’ ny taniny rehetra ny voatrobaka.
"Therefore look, the days come," says the LORD, "that I will execute judgment on her engraved images; and through all her land the wounded shall groan.
53 Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian’ ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
Though Babylon should mount up to the sky, and though she should fortify the height of her strength, yet from me shall destroyers come to her," says the LORD.
54 Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana!
"The sound of a cry from Babylon, and of great destruction from the land of the Chaldeans."
55 Fa Jehovah no mandrava an’ i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon’ ny firohondrohony.
For the LORD lays Babylon waste, and destroys out of her the great voice; and their waves roar like many waters; the noise of their voice is uttered:
56 Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
for the destroyer has come on her, even on Babylon, and her mighty men are taken, their bows are broken in pieces; for the LORD is a God of recompenses, he will surely requite.
57 Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
"I will make drunk her officials and her wise men, her governors and her deputies, and her mighty men; and they shall sleep a perpetual sleep, and not wake up," says the King, whose name is the LORD of hosts.
58 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin’ ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo ka ho reraka.
Thus says the LORD of hosts: "The broad walls of Babylon shall be utterly overthrown, and her high gates shall be burned with fire; and the peoples shall labor for vanity, and the nations for the fire; and they shall be weary."
59 Ny teny izay nandidian’ i Jeremia mpaminany an’ i Seraia, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona tamin’ ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben’ ny mpanorin-dasy.
The word which Jeremiah the prophet commanded Seraiah the son of Neriah, the son of Mahseiah, when he went with Zedekiah the king of Judah to Babylon in the fourth year of his reign. Now Seraiah was chief quartermaster.
60 Ary nosoratan’ i Jeremia teo amin’ ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an’ i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin’ i Babylona.
Jeremiah wrote in a scroll all the evil that should come on Babylon, even all these words that are written concerning Babylon.
61 Ary hoy Jeremia tamin’ i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
Jeremiah said to Seraiah, "When you come to Babylon, then see that you read all these words,
62 ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
and say, 'LORD, you have spoken concerning this place, to cut it off, that none shall dwell in it, neither man nor animal, but that it shall be desolate forever.'
63 Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.
It shall be, when you have made an end of reading this scroll, that you shall bind a stone to it, and cast it into the midst of the Perath:
64 ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin’ i Jeremia.
and you shall say, 'Thus shall Babylon sink, and shall not rise again because of the evil that I will bring on her; and they shall be weary.'" Thus far are the words of Jeremiah.

< Jeremia 51 >