< Jeremia 3 >

1 Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
If a man divorces his wife and she goes and marries someone else, could he ever go back to her? Wouldn't the country be made totally unclean by this? But you have done worse by prostituting yourselves with many lovers, and now you want to come back to me? declares the Lord.
2 Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
Look up at the bare hilltops. Is there anywhere that you haven't had sex? You sat at the roadside like someone from the desert waiting for your lovers to pass by. You have made the land unclean with your prostitution and evil.
3 Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin’ ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
That's why no showers have been sent, and no spring rains have fallen. But you just stare back shamelessly like a prostitute; you refuse to accept you've done anything wrong.
4 Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin’ izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
Didn't you just tell me, “My father, you've been such a close friend to me since I was little.
5 Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin’ ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
You won't be angry with me for a long time, will you? You won't go on being like that forever?” This is what you've said, but you keep on sinning as much as you can.
6 Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
During the reign of King Josiah, the Lord told me, Have you seen what unfaithful Israel has done? She has prostituted herself on every high hill and under every green tree.
7 Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
I hoped that after she'd done all this she'd come back to me. But she didn't come back, and her unfaithful sister Judah saw what happened.
8 Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
She saw that because of everything unfaithful Israel had done on committing adultery, I sent her away, giving her a certificate of divorce. But her unfaithful sister Judah wasn't afraid and prostituted herself too.
9 Ary tamin’ ny fihorakorahan’ ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ ny vato sy ny hazo izy.
Israel didn't care about the immorality, as she made herself and the land unclean, committing adultery by worshiping stones and trees.
10 Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Despite all this, her unfaithful sister Judah didn't come back to me in sincerity. She only pretended to do so, declares the Lord.
11 Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
The Lord told me, Unfaithful Israel showed that she wasn't as guilty as unfaithful Judah.
12 Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Now go and announce this message to the north: Come back, unfaithful Israel, declares the Lord. I won't be angry with you anymore, because I am merciful, declares the Lord. I won't be angry forever.
13 Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin’ i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin’ ny hafa ianao. Teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
Just admit you did wrong, that you rebelled against the Lord your God. You spread yourself around, committing adultery by worshiping foreign gods under every green tree, refusing to do what I told you, declares the Lord.
14 Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
Come back, unfaithful children, declares the Lord, because I am married to you. I will take you, one from a town and two from a family, and bring you to Zion.
15 Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin’ ny fahalalana sy ny fahendrena.
I will give you shepherds who are like me who will feed you wisely and with understanding.
16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ ny tany ianareo, dia amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.
At that time as you increase in number in the country, declares the Lord, no one will be talking about the Ark of the Lord's Agreement anymore. People won't need to think about it or remember it or wonder what happened to it; and certainly won't need to make a new one.
17 Amin’ izany andro izany no hanononana an’ i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’ i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’ i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
When that time comes Jerusalem will be called the Throne of the Lord, and all the nations will come together in Jerusalem to honor the Lord. They won't be stubborn or wicked anymore.
18 Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
At that time the people of Judah will join with the people of Israel, and they will return from the land of the north to the country I gave to your forefathers to own.
19 Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin’ ny fanarahana Ahy.
I said to myself, I really want you to be my children, and to give you the best country, the most beautiful place of any nation. I hoped you would call me “Father,” and never give up following me.
20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah.
But just like a wife might betray her husband, you have betrayed me, people of Israel, declares the Lord.
21 Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan’ ny Zanak’ Isiraely; Fa nivilivily tamin’ ny nalehany izy ary nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny.
Voices are crying on bare hilltops—the Israelites weeping and pleading for mercy, because they have gone astray and forgotten the Lord their God.
22 Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
Come back, unfaithful children, and I will heal your unfaithfulness. “We're here! Yes, we're coming back to you, because you are the Lord our God.”
23 Foana tokoa ny horakoraka any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’ i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
There's no doubt that pagan worship from the hills is pure lies; the idolatry that comes from the mountains is just noise. Israel's salvation is in the Lord our God alone.
24 Fa lanin’ ilay mampahamenatra hatramin’ ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ ny razanay, dia ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
All our lives pagan idolatry has destroyed what our fathers worked so hard for: their flocks and herds, their sons and daughters.
25 Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
We should lie down in shame, and have our disgrace bury us. We have sinned against the Lord our God, us and our fathers. From when we were young right up to now we have not obeyed what the Lord our God told us to do.

< Jeremia 3 >