< Jeremia 23 >

1 Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
"Woe to the shepherds who destroy and scatter the sheep of my pasture." says the LORD.
2 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
Therefore thus says the LORD, the God of Israel, against the shepherds who feed my people: "You have scattered my flock, and driven them away, and have not visited them; look, I will visit on you the evil of your doings," says the LORD.
3 Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
"I will gather the remnant of my flock out of all the countries where I have driven them, and will bring them again to their folds; and they shall be fruitful and multiply.
4 Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
I will set up shepherds over them, who shall feed them; and they shall fear no more, nor be dismayed, neither shall any be lacking," says the LORD.
5 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
"Look, the days come," says the LORD, "that I will raise to David a righteous Branch, and he shall reign as king and deal wisely, and shall execute justice and righteousness in the land.
6 Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
In his days Judah shall be saved, and Israel shall dwell safely; and this is his name by which he shall be called: 'The LORD our righteousness.'
7 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;
Therefore look, the days come," says the LORD, "that they shall no more say, 'As the LORD lives, who brought up the children of Israel out of the land of Egypt';
8 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.
but, 'As the LORD lives, who brought up and who led the descendants of the house of Israel out of the north country, and from all the countries where he had driven them.' They shall dwell in their own land."'
9 Ny amin’ ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’ i Jehovah sy noho ny teniny masìna.
Concerning the prophets: My heart within me is broken, all my bones shake; I am like a drunken man, and like a man whom wine has overcome, because of the LORD, and because of his holy words.
10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
For the land is full of adulterers; for because of swearing the land mourns; the pastures of the wilderness are dried up. "Their course is evil, and their might is not right;
11 Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
for both prophet and priest are profane; yes, in my house have I found their wickedness," says the LORD.
12 Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
"Therefore their way shall be to them as slippery places in the darkness: they shall be driven on, and fall in it; for I will bring evil on them, even the year of their visitation," says the LORD.
13 Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’ i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
"I have seen folly in the prophets of Samaria; they prophesied by Baal, and caused my people Israel to err.
14 Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
In the prophets of Jerusalem also I have seen a horrible thing: they commit adultery, and walk in lies; and they strengthen the hands of evildoers, so that none does return from his wickedness: they are all of them become to me as Sodom, and its inhabitants as Gomorrah.
15 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.
Therefore thus says the LORD of hosts concerning the prophets: 'Look, I will feed them with wormwood, and make them drink the water of gall; for from the prophets of Jerusalem is ungodliness gone forth into all the land.'
16 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
Thus says the LORD of hosts, 'Do not listen to the words of the prophets who prophesy to you: they teach you vanity; they speak a vision of their own heart, and not out of the mouth of the LORD.
17 Milaza mandrakariva amin’ izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’ izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
They say continually to those who despise me, "The LORD has said, 'You shall have peace'"; and to everyone who walks in the stubbornness of his own heart they say, "No evil shall come on you."
18 Fa iza moa no efa isan’ ny mpihevitra teo amin’ i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
For who has stood in the council of the LORD, that he should perceive and hear his word? Who has marked my word, and heard it?
19 He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
Look, the storm of the LORD, his wrath, has gone forth. Yes, a whirling storm. It shall burst on the head of the wicked.
20 Ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
The anger of the LORD shall not return, until he has executed, and until he have performed the intents of his heart: in the latter days you shall understand it perfectly.
21 Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
I sent not these prophets, yet they ran: I did not speak to them, yet they prophesied.
22 Fa raha isan’ ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ ny lalany ratsy sy tamin’ ny faharatsian’ ny nataony.
But if they had stood in my council, then had they caused my people to hear my words, and had turned them from their evil way, and from the evil of their doings.
23 Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
Am I a God at hand,' says the LORD, 'and not a God afar off?
24 Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
Can any hide himself in secret places so that I shall not see him?' says the LORD. 'Do I not fill heaven and earth?' says the LORD.
25 Efa reko ny nolazain’ ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
'I have heard what the prophets have said, who prophesy lies in my name, saying, "I have dreamed, I have dreamed."
26 Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon’ ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
How long shall this be in the heart of the prophets who prophesy lies, even the prophets of the deceit of their own heart,
27 Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin’ ny nofiny izay lazainy amin’ ny namany avy, toy ny nanadinoan’ ny razany ny anarako noho ny amin’ i Bala?
who think to cause my people to forget my name by their dreams which they tell every man to his neighbor, as their fathers forgot my name for Baal.
28 Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
The prophet who has a dream, let him tell a dream; and he who has my word, let him speak my word faithfully. What is the straw to the wheat?' says the LORD.
29 Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
'Isn't my word like fire?' says the LORD; 'and like a hammer that breaks the rock in pieces?
30 Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin’ ny namany avy.
Therefore look, I am against the prophets,' says the LORD, 'who steal my words everyone from his neighbor.
31 Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
Look, I am against the prophets,' says the LORD, 'who use their tongues, and say, "He says."
32 Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
Look, I am against the prophets who prophesy lying dreams,' says the LORD, 'and do tell them, and cause my people to err by their lies, and by their vain boasting: yet I did not send them, nor commanded them; neither do they profit this people at all,' says the LORD.
33 Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.
'When this people, or the prophet, or a priest, shall ask you, saying, "What is the burden of the LORD?" Then you shall tell them, "You are the burden, and I will cast you off," says the LORD.
34 Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan’ i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ ny ankohonany.
As for the prophet, and the priest, and the people, who shall say, "The burden of the LORD," I will even punish that man and his house.
35 Samia manontany amin’ ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’ i Jehovah? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
You shall say everyone to his neighbor, and everyone to his brother, "What has the LORD answered?" and, "What has the LORD spoken?"
36 Fa ny hoe: Ny entan’ i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin’ ny olona avy ihany no ho entan’ ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’ Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitsika.
You shall mention the burden of the LORD no more: for every man's own word shall be his burden; for you have perverted the words of the living God, of the LORD of hosts our God.
37 Izao no hanontanianareo amin’ ny mpaminany; Ahoana no navalin’ i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
You shall say to the prophet, "What has the LORD answered you?" and, "What has the LORD spoken?"
38 Fa raha hoy ianareo: Entan’ i Jehovah, Dia izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan’ i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan’ i Jehovah,
But if you say, "The burden of the LORD"; therefore thus says the LORD: Because you say this word, "The burden of the LORD," and I have sent to you, saying, "You shall not say, 'The burden of the LORD'";
39 Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
therefore, look, I will surely lift you up and I will cast you off, and the city that I gave to you and to your fathers, away from my presence:
40 Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
and I will bring an everlasting reproach on you, and a perpetual shame, which shall not be forgotten.'"

< Jeremia 23 >