< Jeremia 2 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
The word of Yahweh came to me, saying,
2 Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan’ i Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan’ ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin’ ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
“Go and proclaim in the hearing of Jerusalem. Say, 'Yahweh says this: I have called to mind on your behalf the covenant faithfulness in your youthfulness, your love at the time when we were engaged, when you went after me in the wilderness, the land that was not sown.
3 Masìna ho an’ i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
Israel was set apart to Yahweh, the firstfruits of his harvest! All who ate from the firstfruits were held guilty; disaster came upon them—this is Yahweh's declaration.'”
4 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry taranak’ i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely!
Hear the word of Yahweh, house of Jacob, all you clans of the house of Israel.
5 Izao no lazain’ i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
Yahweh says this, “What did your fathers find wrong with me, that they went far from following me? That they went after useless idols and became useless themselves?
6 Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’ olona akory na nonenan’ olona?
They did not say, 'Where is Yahweh, who brought us up from the land of Egypt? Where is Yahweh, who led us to the wilderness, into the land of the Arabah and pits, in a land of drought and deep darkness, a land through which no one passes and where no one lives?'
7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
But I brought you to the land of Carmel, to eat its fruit and other good things! Yet when you came, you defiled my land, you made my inheritance an abomination!
8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’ ny anaran’ i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
The priest did not say, 'Where is Yahweh?' and the experts in the law did not care about me! The shepherds transgressed against me. The prophets prophesied for Baal and walked after unprofitable things.
9 Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin’ ny zafinareo koa.
So I will still accuse you—this is Yahweh's declaration—and I will accuse your sons' sons.
10 Fa mità ho any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
For cross over to the coasts of Kittim and look. Send messengers out to Kedar and find out and see if there has ever before been anything like this.
11 Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ ireny tsy mahasoa ireny.
Has a nation exchanged gods, even though they were not gods? But my people have exchanged their glory for what cannot help them.
12 Talanjona amin’ izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
Shudder, heavens, because of this! Be shocked and horrified—this is Yahweh's declaration.
13 Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
For my people have committed two evils against me: They have abandoned the springs of living waters, and they have dug out cisterns for themselves, broken cisterns that cannot hold water.
14 Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
Is Israel a slave? Was he born in his master's home? So why has he become plunder?
15 Hamely azy no ampieronan’ ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
Young lions roared against him. They made a lot of noise and made his land a horror. His cities are destroyed without any inhabitants.
16 Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.
Also, the people of Memphis and Tahpanhes will shave your skull.
17 Moa tsy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
Did you not do this to yourselves when you abandoned Yahweh your God, while he was leading you along the way?
18 Koa inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon’ i Sihora? Ary inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin’ ny Ony?
So now, why take the road to Egypt and drink the waters of Shihor? Why take the road to Assyria and drink the waters of the Euphrates River?
19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Your wickedness rebukes you, and your faithlessness punishes you. So think about it and understand that it is wicked and bitter when you forsake Yahweh your God, and have no fear of me—this is the declaration of Lord Yahweh of hosts.
20 Fa hatramin’ ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin’ ny havoana andrandraina sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
For I broke your yoke that you had in ancient days; I tore your fetters off you. Still you said, 'I will not serve!' since you bowed down on every high hill and beneath every leafy tree, you adulterer.
21 Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
I planted you as a choice vine, completely from pure seed. How then have you have changed yourself into a corrupt, worthless vine?
22 Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.
For even if you clean yourself in the river or wash with strong soap, your iniquity is a stain before me—this is the declaration of the Lord Yahweh.
23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ ny alehany,
How can you say, 'I am not defiled! I have not walked after the Baals'? Look at what you did in the valleys! Consider what you have done—you are a swift female camel running here and there,
24 Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin’ ny volany no hahitany azy.
a wild donkey accustomed to the wilderness, in her heat sniffing the wind! Who can restrain her lust? None of the males need wear themselves out pursuing her; at mating time they will find her.
25 Aza esorina ny kapa amin’ ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
You must restrain your feet from becoming bare and your throat from being thirsty! But you have said, 'It is hopeless! No, I love strangers and go after them!'
26 Toy ny fangaihain’ ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain’ ny taranak’ Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
Like the shame of a thief when he is found, so the house of Israel will be ashamed— they, their kings, their princes, and their priests and prophets!
27 Dia izay manao amin’ ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin’ ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
These are the ones who say to the tree, 'You are my father,' and to the stone, 'You gave birth to me.' For their back faces me and not their faces. Nevertheless, they say in the time of troubles, 'Arise and save us!'
28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ ny andro fahorianao fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao.
Yet where are the gods that you made for yourselves? Let them arise if they wish to save you in your time of troubles, for your idols equal your cities in number, Judah!
29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
So why do you accuse me of doing wrong? All of you have sinned against me—this is Yahweh's declaration.
30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
I have punished your people in vain. They would not accept discipline. Your sword has devoured your prophets like a destructive lion!
31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin’ i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?
You who belong to this generation! Pay attention to my word, the word of Yahweh! Have I been a wilderness to Israel? Or a land of deep darkness? Why would my people say, 'Let us wander around, we will not go to you anymore'?
32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan’ ny oloko Ahy.
Will a virgin forget her jewelry, a bride her veils? Yet my people have forgotten me for days without number!
33 Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin’ ny ratsy ny dianao!
How well you make your way to look for love. You have even taught your ways to wicked women.
34 Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’ izany rehetra izany.
The blood that was the life of innocent, poor people has been found on your clothes. These people were not discovered in acts of burglary.
35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
Yet you say, 'I am innocent; surely his anger has turned away from me.' But look! I will bring down judgment on you because you say, 'I have not sinned.'
36 Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’ i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’ i Asyria.
Why do you treat so very lightly this change in your ways? You will also be disappointed by Egypt, just as you were by Assyria.
37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin’ i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin’ ireo ianao.
You will also go out from there dejected, with your hands on your head, for Yahweh has rejected the ones whom you trusted, so you will not be helped by them.”

< Jeremia 2 >