< Jeremia 17 >

1 Ny fahotan’ ny Joda dia voasoratra tamin’ ny fanoratana sy tamin’ ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ ny vato fisaka sy eo amin’ ny tandroky ny alitarany izany,
猶大的罪是用鐵筆、用金鋼鑽記錄的,銘刻在他們的心版上和壇角上。
2 Dia amin’ izay hahatsiarovan’ ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin’ ny hazo maitso, ambonin’ ny havoana andrandraina.
他們的兒女記念他們高岡上、青翠樹旁的壇和木偶。
3 Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin’ ny faritaninao rehetra.
我田野的山哪,我必因你在四境之內所犯的罪,把你的貨物、財寶,並邱壇當掠物交給仇敵;
4 Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
並且你因自己的罪必失去我所賜給你的產業。我也必使你在你所不認識的地上服事你的仇敵;因為你使我怒中起火,直燒到永遠。
5 Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.
耶和華如此說: 倚靠人血肉的膀臂, 心中離棄耶和華的, 那人有禍了!
6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin’ ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ ny tany sira izay tsy onenana.
因他必像沙漠的杜松, 不見福樂來到, 卻要住曠野乾旱之處, 無人居住的鹼地。
7 Hotahina izay olona matoky an’ i Jehovah, dia izay manana an’ i Jehovah ho tokiny.
倚靠耶和華、以耶和華為可靠的, 那人有福了!
8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
他必像樹栽於水旁, 在河邊扎根, 炎熱來到,並不懼怕, 葉子仍必青翠, 在乾旱之年毫無掛慮, 而且結果不止。
9 Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
人心比萬物都詭詐, 壞到極處, 誰能識透呢?
10 Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
我-耶和華是鑒察人心、試驗人肺腑的, 要照各人所行的和他做事的結果報應他。
11 Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ ny rariny: Handao azy amin’ ny an-tenatenan’ androny izany, ka ho adala no farany.
那不按正道得財的, 好像鷓鴣菢不是自己下的蛋; 到了中年,那財都必離開他, 他終久成為愚頑人。
12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ ny voalohany ny fitoera-masintsika.
我們的聖所是榮耀的寶座, 從太初安置在高處。
13 Ry Jehovah, Fanantenan’ ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin’ ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an’ i Jehovah, loharano velona.
耶和華-以色列的盼望啊, 凡離棄你的必致蒙羞。 耶和華說:離開我的, 他們的名字必寫在土裏, 因為他們離棄我這活水的泉源。
14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
耶和華啊,求你醫治我,我便痊癒, 拯救我,我便得救; 因你是我所讚美的。
15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin’ i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
他們對我說:耶和華的話在哪裏呢? 叫這話應驗吧!
16 Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian’ ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin’ ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
至於我,那跟從你作牧人的職分, 我並沒有急忙離棄, 也沒有想那災殃的日子; 這是你知道的。 我口中所出的言語都在你面前。
17 Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin’ ny andro fahoriana Hianao!
不要使我因你驚恐; 當災禍的日子,你是我的避難所。
18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
願那些逼迫我的蒙羞, 卻不要使我蒙羞; 使他們驚惶, 卻不要使我驚惶; 使災禍的日子臨到他們, 以加倍的毀壞毀壞他們。
19 Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin’ ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ ny mpanjakan’ ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ ny vavahady rehetra eto Jerosalema
耶和華對我如此說:「你去站在平民的門口,就是猶大君王出入的門,又站在耶路撒冷的各門口,
20 ka lazao amin’ ny olona hoe: Henoinareo ny tenin’ i Jehovah ry mpanjakan’ ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto.
對他們說:『你們這猶大君王和猶大眾人,並耶路撒冷的一切居民,凡從這些門進入的都當聽耶和華的話。
21 Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin’ ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema;
耶和華如此說:你們要謹慎,不要在安息日擔甚麼擔子進入耶路撒冷的各門;
22 ary aza mitondra entana mivoaka avy amin’ ny tranonareo amin’ ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
也不要在安息日從家中擔出擔子去。無論何工都不可做,只要以安息日為聖日,正如我所吩咐你們列祖的。』
23 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
他們卻不聽從,不側耳而聽,竟硬着頸項不聽,不受教訓。」
24 Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity amin’ ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin’ izany,
耶和華說:「你們若留意聽從我,在安息日不擔甚麼擔子進入這城的各門,只以安息日為聖日,在那日無論何工都不做;
25 izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida dia hiditra amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
那時就有坐大衛寶座的君王和首領,他們與猶大人,並耶路撒冷的居民,或坐車,或騎馬,進入這城的各門,而且這城必存到永遠。
26 Ary ho avy ny olona avy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ny manodidina an’ i Jerosalema sy ny tanin’ ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
也必有人從猶大城邑和耶路撒冷四圍的各處,從便雅憫地、高原、山地,並南地而來,都帶燔祭、平安祭、素祭,和乳香,並感謝祭,到耶和華的殿去。
27 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasìna ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema ihany amin’ ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
你們若不聽從我,不以安息日為聖日,仍在安息日擔擔子,進入耶路撒冷的各門,我必在各門中點火;這火也必燒毀耶路撒冷的宮殿,不能熄滅。」

< Jeremia 17 >