< Isaia 50 >

1 Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo. 2 Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ ny rano sady matin-ketaheta. 3 Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. 4 Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay 5 Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra. 6 Ny lamosiko natolotro ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’ izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora. 7 Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho. 8 Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko. 9 Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ ny kalalao izy. 10 Iza aminareo no matahotra an’ i Jehovah ka mihaino ny feon’ ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’ i Jehovah sy hiankina amin’ Andriamaniny. 11 He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’ afo manodidina anareo, mandehana amin’ ny lelafonareo sy amin’ ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ ny tanako: Handry amin’ ny fahoriana ianareo.

< Isaia 50 >