< Isaia 35 >

1 Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
旷野和干旱之地必然欢喜; 沙漠也必快乐; 又像玫瑰开花,
2 Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’ i Libanona dia homena azy mbamin’ ny hatsaran-tarehin’ i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’ i Jehovah izy sy ny famirapiratan’ Andriamanitsika.
必开花繁盛, 乐上加乐,而且欢呼。 黎巴嫩的荣耀, 并迦密与沙 的华美,必赐给它。 人必看见耶和华的荣耀, 我们 神的华美。
3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
你们要使软弱的手坚壮, 无力的膝稳固。
4 Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
对胆怯的人说: 你们要刚强,不要惧怕。 看哪,你们的 神必来报仇, 必来施行极大的报应; 他必来拯救你们。
5 Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
那时,瞎子的眼必睁开; 聋子的耳必开通。
6 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ ny tany karankaina.
那时,瘸子必跳跃像鹿; 哑巴的舌头必能歌唱。 在旷野必有水发出; 在沙漠必有河涌流。
7 Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
发光的沙要变为水池; 干渴之地要变为泉源。 在野狗躺卧之处, 必有青草、芦苇,和蒲草。
8 Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
在那里必有一条大道, 称为圣路。 污秽人不得经过, 必专为赎民行走; 行路的人虽愚昧, 也不致失迷。
9 Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
在那里必没有狮子, 猛兽也不登这路; 在那里都遇不见, 只有赎民在那里行走。
10 Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
并且耶和华救赎的民必归回, 歌唱来到锡安; 永乐必归到他们的头上; 他们必得着欢喜快乐, 忧愁叹息尽都逃避。

< Isaia 35 >