< Isaia 34 >

1 Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
Приступите, языцы, и услышите, князи: да слышит земля и живущии на ней, вселенная и людие, иже на ней.
2 Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
Зане ярость Господня на вся языки и гнев на число их, еже погубити их и предати я на заклание.
3 Ary izay voavono amin’ ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ ny ràny.
И язвении их повергнутся и мертвецы, и взыдет их смрад, и намокнут горы кровию их:
4 Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy.
и истают вся силы небесныя, и свиется небо аки свиток, и вся звезды спадут яко листвие с лозы, и якоже спадает листвие смоковницы.
5 Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
Упися мечь Мой на небеси: се, на Идумею снидет и на люди пагубныя с судом.
6 Ny sabatr’ i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ ny matavy sy amin’ ny ran’ ny zanak’ ondry sy ny osilahy ary amin’ ny fonomboan’ ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ ny tany Edoma.
Мечь Господень наполнися крове, растолсте туком, от крове козлов и агнцев и от тука козлов и овнов: яко жертва Господеви в Восоре, и заклание велие во Идумеи.
7 Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
И падут с ними сильнии, и овны и юнцы, и упиется земля от крове и от тука их насытится:
8 Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’ i Ziona.
день бо суда Господня, и лето воздаяния суда Сионя.
9 Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
И обратятся дебри его в смолу, и земля его в жупел,
10 Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
и будет земля его горящи яко смола днем и нощию, и не угаснет в вечное время, и взыдет дым ея высоце, в роды своя опустеет.
11 Fa ho zara-tanin’ ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
И во время много птицы и ежеве, совы и вранове возгнездятся в нем: и возложат нань уже землемерно пустыни, и онокентаври вселятся в нем.
12 Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.
Князи его не будут: царие бо и вельможи его будут в пагубу.
13 Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ ny lapan’ ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ ny amboadia sy fitoeran’ ny ostritsa izy.
И возникнут во градех их терновая древеса и во твердынех его, и будут селения сирином и селища струфионом:
14 Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin’ ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.
и срящутся беси со онокентавры и возопиют друг ко другу, ту почиют онокентаври, обретше себе покоища:
15 Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ ny alokaloka any; Any koa no hiangonan’ ny papango, samy eo amin’ ny namany avy.
тамо возгнездится ежь, и сохранит земля дети его со утверждением: тамо елени сретошася и увидеша лица друг друга.
16 Izahao ao amin’ ny bokin’ i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’ i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.
Числом преидоша, и един и них не погибе, друг друга не взыска, яко Господь заповеда им, и дух Его собра я.
17 Ary Izy no efa tinendry anjara ho an’ ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ ireo tamin’ ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ ny taranaka fara-mandimby.
И Той вержет им жребия, и рука Его раздели пастися: в вечное время наследите, в роды родов почиют в нем.

< Isaia 34 >