< Isaia 33 >

1 Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
Тешко теби, који пустошиш а тебе не пустоше, и који чиниш неверу а теби се не чини невера; кад престанеш пустошити, бићеш опустошен, кад престанеш чинити неверу, чиниће ти се невера.
2 Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin’ ny andro fahoriana.
Господе, смилуј се на нас, Тебе чекамо; буди им мишица свако јутро, и спасење наше у невољи.
3 Ny feon’ ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
Народи побегоше од јаке вике, расејаше се народи што се ти подиже.
4 Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
И покупиће се плен ваш као што се купе гусенице, скочиће на њ као што скачу скакавци.
5 Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin’ ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
Узвишен је Господ, јер настава на висини; напуниће Сион суда и правде.
6 Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an’ i Jehovah no rakitrao.
И тврђа времена твог, сила спасења твог биће мудрост и знање; страх Господњи биће благо твоје.
7 Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
Ето, јунаци њихови вичу на пољу, и посланици мирни плачу горко:
8 Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
Путеви опустеше, путници не путују; поквари уговор, одбаци градове, не мари за човека.
9 Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
Земља тужи и чезне, Ливан се стиди и вене, Сарон је као пустиња, Васан и Кармил оголеше.
10 Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
Сада ћу устати, вели Господ, сада ћу се узвисити, сада ћу се подигнути.
11 Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
Затруднећете сламом, родићете стрњику; гнев ваш прождреће вас као огањ.
12 Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.
И народи ће бити као пећи кречне, изгореће огњем као трње посечено.
13 Mihainoa ny amin’ izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
Слушајте који сте далеко шта сам учинио, и који сте близу познајте моћ моју.
14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Грешници у Сиону уплашиће се, дрхат ће спопасти лицемере, и рећи ће: Ко ће од нас остати код огња који прождире? Ко ће од нас остати код вечне жеге?
15 Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Ко ходи у правди и говори шта је право; ко мрзи на добитак од насиља; ко отреса руке своје да не прими поклон; ко затискује уши своје да не чује за крв, и зажима очи своје да не види зло;
16 Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
Он ће наставати на високим местима; градови на стенама биће му уточиште, хлеб ће му се давати, вода му неће недостајати.
17 Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
Очи ће ти видети цара у красоти његовој, гледаће земљу далеку.
18 Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
Срце ће твоје мислити о страху говорећи: Где је писар? Где бројач? Где је онај што прегледа куле?
19 Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
Нећеш видети жесток народ, народ који говори из дубина да се не разбира, у кога је језик мутав да се не разуме.
20 Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
Погледај на Сион, град празника наших; очи твоје нека виде Јерусалим, мирни стан, шатор, који се неће однети, коме се коље неће никада померити, и ниједно му се уже неће откинути.
21 Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan’ ny sambo voizina, na hovakin’ ny sambo lehibe.
Него ће нам онде Господ велики бити место река и потока широких, по којима неће ићи лађа с веслима, нити ће велика лађа пролазити онуда.
22 Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Јер је Господ наш судија, Господ је који нам поставља законе, Господ је цар наш, Он ће нас спасти.
23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
Ослабише твоја ужа, не могу тврдо држати катарке своје ни разапети једра; тада ће се разделити велик плен, хроми ће разграбити плен.
24 Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
И нико од становника неће рећи: Болестан сам. Народу који живи у њему опростиће се безакоње.

< Isaia 33 >