< Isaia 32 >

1 Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny. 2 Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana. 3 Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino. 4 Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy. 5 Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be. 6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina. 7 Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; 8 Fa ny mitoetr’ andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany. 9 Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko. 10 Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo 11 Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana. 12 Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra. 13 Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza; 14 Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy, 15 Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala. 16 Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ ny saha mahavokatra. 17 Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; 18 Ary ny oloko hitoetra ao amin’ ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po; 19 Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna. 20 Sambatra izay mamafy eny amoron’ ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.

< Isaia 32 >