< Isaia 17 >

1 Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
论大马士革的默示: 看哪,大马士革已被废弃,不再为城, 必变作乱堆。
2 Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
亚罗珥的城邑已被撇弃, 必成为牧羊之处; 羊在那里躺卧,无人惊吓。
3 Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’ i Syria dia hitovy voninahitra amin’ ny Zanak’ Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
以法莲不再有保障; 大马士革不再有国权; 亚兰所剩下的 必像以色列人的荣耀消灭一样。 这是万军之耶和华说的。
4 Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
到那日,雅各的荣耀必至枵薄; 他肥胖的身体必渐瘦弱。
5 Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta;
就必像收割的人收敛禾稼, 用手割取穗子, 又像人在利乏音谷拾取遗落的穗子。
6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
其间所剩下的不多,好像人打橄榄树— 在尽上的枝梢上只剩两三个果子; 在多果树的旁枝上只剩四五个果子。 这是耶和华—以色列的 神说的。
7 Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
当那日,人必仰望造他们的主,眼目重看以色列的圣者。
8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
他们必不仰望祭坛,就是自己手所筑的,也不重看自己指头所做的,无论是木偶是日像。
9 Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
在那日,他们的坚固城必像树林中和山顶上所撇弃的地方,就是从前在以色列人面前被人撇弃的。这样,地就荒凉了。
10 Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo;
因你忘记救你的 神, 不记念你能力的磐石; 所以,你栽上佳美的树秧子, 插上异样的栽子。
11 Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
栽种的日子,你周围圈上篱笆, 又到早晨使你所种的开花; 但在愁苦极其伤痛的日子, 所收割的都飞去了。
12 Indrisy ny fihahohahon’ ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ ny rano manonja ny firohondrohony!
唉!多民哄嚷,好像海浪匉訇; 列邦奔腾,好像猛水滔滔;
13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio.
列邦奔腾,好像多水滔滔; 但 神斥责他们,他们就远远逃避, 又被追赶,如同山上的风前糠, 又如暴风前的旋风土。
14 Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
到晚上有惊吓,未到早晨他们就没有了。这是掳掠我们之人所得的分,是抢夺我们之人的报应。

< Isaia 17 >