< Isaia 14 >

1 Fa Jehovah hamindra fo amin’ i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’ i Jakoba ho namany
Близко время его, и не замедлят дни его, ибо помилует Господь Иакова и снова возлюбит Израиля; и поселит их на земле их, и присоединятся к ним иноземцы и прилепятся к дому Иакова.
2 Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
И возьмут их народы, и приведут на место их, и дом Израиля усвоит их себе на земле Господней рабами и рабынями, и возьмет в плен пленивших его, и будет господствовать над угнетателями своими.
3 Ary amin’ ny andro hanomezan’ i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin’ ny fahorianao sy ny fitebitebin’ ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
И будет в тот день: когда Господь устроит тебя от скорби твоей и от страха и от тяжкого рабства, которому ты порабощен был,
4 dia hataonao izao oha-teny ny amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
ты произнесешь победную песнь на царя Вавилонского и скажешь: как не стало мучителя, пресеклось грабительство!
5 Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan’ ny mpanapaka,
Сокрушил Господь жезл нечестивых, скипетр владык,
6 Izay namely firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ ny fahatezerana, tamin’ ny fanenjehana tsy misy antra.
поражавший народы в ярости ударами неотвратимыми, во гневе господствовавший над племенами с неудержимым преследованием.
7 Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
Вся земля отдыхает, покоится, восклицает от радости;
8 Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
и кипарисы радуются о тебе, и кедры ливанские, говоря: “с тех пор, как ты заснул, никто не приходит рубить нас”
9 Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ ny tany; Aingainy hiala amin’ ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ ny firenena rehetra. (Sheol h7585)
Ад преисподний пришел в движение ради тебя, чтобы встретить тебя при входе твоем; пробудил для тебя Рефаимов, всех вождей земли; поднял всех царей языческих с престолов их. (Sheol h7585)
10 Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
Все они будут говорить тебе: и ты сделался бессильным, как мы! и ты стал подобен нам!
11 Efa navarina ho etỳ amin’ ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin’ ny feon’ ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao. (Sheol h7585)
В преисподнюю низвержена гордыня твоя со всем шумом твоим; под тобою подстилается червь, и черви - покров твой. (Sheol h7585)
12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’ andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
Как упал ты с неба, денница, сын зари! разбился о землю, попиравший народы.
13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
А говорил в сердце своем: “взойду на небо, выше звезд Божиих вознесу престол мой и сяду на горе в сонме богов, на краю севера;
14 Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
взойду на высоты облачные, буду подобен Всевышнему”.
15 Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao. (Sheol h7585)
Но ты низвержен в ад, в глубины преисподней. (Sheol h7585)
16 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
Видящие тебя всматриваются в тебя, размышляют о тебе: “тот ли это человек, который колебал землю, потрясал царства,
17 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
вселенную сделал пустынею и разрушал города ее, пленников своих не отпускал домой?”
18 Ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena samy mandry amin’ ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;
Все цари народов, все лежат с честью, каждый в своей усыпальнице;
19 Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ ny fatin’ ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midìna ho ao amin’ ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin’ ny tongotra.
а ты повержен вне гробницы своей, как презренная ветвь, как одежда убитых, сраженных мечом, которых опускают в каменные рвы, - ты, как попираемый труп,
20 Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
не соединишься с ними в могиле; ибо ты разорил землю твою, убил народ твой: вовеки не помянется племя злодеев.
21 Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran’ izao tontolo izao.
Готовьте заклание сыновьям его за беззаконие отца их, чтобы не восстали и не завладели землею и не наполнили вселенной неприятелями.
22 Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary hofoanako ny anaran’ i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
И восстану на них, говорит Господь Саваоф, и истреблю имя Вавилона и весь остаток, и сына и внука, говорит Господь.
23 Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
И сделаю его владением ежей и болотом, и вымету его метлою истребительною, говорит Господь Саваоф.
24 Jehovah, Tompon’ ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
С клятвою говорит Господь Саваоф: как Я помыслил, так и будет; как Я определил, так и состоится,
25 Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin’ ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ ireo, ary ny entany ho afaka amin’ ny sorony
чтобы сокрушить Ассура в земле Моей и растоптать его на горах Моих; и спадет с них ярмо его, и снимется бремя его с рамен их.
26 Izany no fikasana ny amin’ ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin’ ny firenena rehetra.
Таково определение, постановленное о всей земле, и вот рука, простертая на все народы,
27 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
ибо Господь Саваоф определил, и кто может отменить это? рука Его простерта, - и кто отвратит ее?
28 Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
В год смерти царя Ахаза было такое пророческое слово:
29 Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon’ ny bibilava no hihavian’ ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’ afo manidina.
не радуйся, земля Филистимская, что сокрушен жезл, который поражал тебя, ибо из корня змеиного выйдет аспид, и плодом его будет летучий дракон.
30 Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
Тогда беднейшие будут накормлены, и нищие будут покоиться в безопасности; а твой корень уморю голодом, и он убьет остаток твой.
31 Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ ny laharany akory ny miaramilany.
Рыдайте, ворота! вой голосом, город! Распадешься ты, вся земля Филистимская, ибо от севера дым идет, и нет отсталого в полчищах их.
32 Ary inona moa no valiny ho entin’ ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an’ i Ziona, ary ao no hialofan’ izay olony ory.
Что же скажут вестники народа? - То, что Господь утвердил Сион, и в нем найдут убежище бедные из народа Его.

< Isaia 14 >