< Isaia 13 >

1 Faminaniana hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny loza hanjo an’ i Babylona.
Видение на Вавилона, еже виде Исаиа сын Амосов.
2 Manangàna faneva eo an-tampon’ izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin’ ny vavahadin’ ireo mpanapaka.
На горе польней воздвигните знамение, вознесите глас им, не бойтеся, поущайте рукою, отверзите, князи.
3 Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
Аз повелеваю, освященни суть: и Аз веду их, исполини идут исполнити ярость Мою радующеся, вкупе и укаряюще.
4 Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
Глас языков многих на горах, подобен языков многих, глас царей и языков собравшихся: Господь Саваоф заповеда языку оружеборцу
5 Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
приити от земли издалеча, от края основания небесе, Господь и оружеборцы Его, растлити всю вселенную.
6 Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
Рыдайте: близ бо день Господень, и сокрушение от Бога приидет:
7 Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra;
сего ради всяка рука разслабеет, и всяка душа человеча убоится,
8 Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
и смятутся послы, и болезни приимут я яко жены раждающия: и поскорбят друг ко другу, и ужаснутся, и лице свое яко пламень изменят.
9 Indro, avy ny andron’ i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
Се бо, день Господень грядет неизцельный, ярости и гнева, положити вселенную (всю) пусту и грешники погубити от нея.
10 Fa ny kintan’ ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
Звезды бо небесныя и орион и все украшение небесное света своего не дадят, и помрачится солнце возсиявающее, и луна не даст света своего.
11 Ary hatsingeriko amin’ izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan’ ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan’ ny mpampahory.
И заповем всей вселенней злая и нечестивым грехи их, и погублю укоризну беззаконных и укоризну гордых смирю:
12 Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
и будут оставшии честнии паче, нежели злато нежженое, и человек честен будет паче, нежели камень, иже от Суфира.
13 Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin’ ny fitoerany noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy noho ny andro firehetan’ ny fahatezerany.
Разярится бо небо, и земля потрясется от оснований своих, за ярость гнева Господа Саваофа в день, в оньже приидет ярость Его.
14 Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman’ osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin’ ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin’ ny taniny avy izy.
И будут оставшии яко серна бежащая и яко овца заблудившая, и не будет собираяй, яко человеку в люди своя возвратитися, и человек во страну свою побегнет.
15 Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon’ ny sabatra.
Иже бо аще пленится, поразится, и иже собрани суть, мечем падут.
16 Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
И чада их пред ними разбиют, и домы их пленят, и жены их поймут.
17 Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
Се, Аз возбуждаю на вы Мидов, иже сребра не вменяют, ниже злата требуют:
18 Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ ny masony.
стреляния юношеская сокрушат, и чад ваших не помилуют, ниже пощадят чад твоих очи их.
19 Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora;
И будет Вавилон, иже нарицается славный от царя Халдейска, якоже разсыпа Бог Содому и Гоморру,
20 Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
не населится в вечное время, и не внидут в онь чрез многия роды, ниже пройдут его Аравляне, ниже пастуси почиют в нем.
21 Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
И почиют тамо зверие, и наполнятся домове шума, и почиют ту сирини, и беси тамо воспляшут,
22 Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.
и онокентавры тамо вселятся, и вогнездятся ежеве в домех их.

< Isaia 13 >