< Isaia 10 >

1 Lozan’ izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
わざわいなるかな、不義の判決を下す者、暴虐の宣告を書きしるす者。
2 Hampialany ny mahantra amin’ ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’ izay ory eo amin’ ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
彼らは乏しい者の訴えを引き受けず、わが民のうちの貧しい者の権利をはぎ、寡婦の資産を奪い、みなしごのものをかすめる。
3 Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
あなたがたは刑罰の日がきたなら、何をしようとするのか。大風が遠くから来るとき、何をしようとするのか。あなたがたはのがれていって、だれに助けを求めようとするのか。また、どこにあなたがたの富を残そうとするのか。
4 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin’ ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin’ ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
ただ捕われた者の中にかがみ、殺された者の中に伏し倒れるのみだ。それでも主の怒りはやまず、なおも、そのみ手を伸ばされる。
5 Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
ああ、アッスリヤはわが怒りのつえ、わが憤りのむちだ。
6 Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
わたしは彼をつかわして不信の国を攻め、彼に命じてわが怒りの民を攻め、かすめ奪わせ、彼らをちまたの泥のように踏みにじらせる。
7 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
しかし彼はそのようには思わず、その心もそのようには考えず、かえってその心は滅ぼすことを思い、あまたの国々を倒そうとする。
8 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
彼は言う、「わが諸侯はみな王ではないか。
9 Tsy tahaka an’ i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’ i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’ i Damaskosy va Samaria?
カルノはカルケミシのようではないか。ハマテはアルパデのようではないか。サマリヤはダマスコのようではないか。
10 Tahaka ny nahatraran’ ny tanako ny fanjakan’ ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’ i Jerosalema sy ny an’ i Samaria aza ny sampin’ ireo,
わが手は偶像に仕える国々に伸びた。その彫った像はエルサレムおよびサマリヤのものにまさっていた。
11 Dia tsy tahaka ny nataoko tamin’ i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin’ i Jerosalema sy ny sampiny koa?
わたしはサマリヤとその偶像に行ったように、エルサレムとその偶像に行わぬであろうか」。
12 Kanefa rehefa vitan’ ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria sy ny reharehan’ ny fiandranandran’ ny masony;
主がシオンの山とエルサレムとになそうとすることを、ことごとくなし遂げられた時、主はアッスリヤ王の無礼な言葉と、その高ぶりとを罰せられる。
13 Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
彼は言う、「わが手の力により、またわが知恵によって、わたしはこれをなした。わたしは賢いからである。わたしはもろもろの民の境を除き、その財宝を奪った。またわたしは雄牛のように、位に座する者を引きおろした。
14 Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ ny akanim-borona no nakan’ ny tanako ny haren’ ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
わが手は巣を取るように、もろもろの民の富を得た。またわたしは人々が捨てられた卵を集めるように、全地を取り集めた。あるいは翼を動かし、あるいは口を開き、あるいはぺちゃくちゃ言う者もなかった」。
15 Ny famaky va hirehareha amin’ izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’ izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!
おのは、それを用いて切る者にむかって、自分を誇ることができようか。のこぎりは、それを動かす者にむかって、みずから高ぶることができようか。これはあたかも、むちが自分をあげる者を動かし、つえが木でない者をあげようとするのに等しい。
16 Koa izany no anateran’ ny Tompo, dia ny Tompon’ ny maro, fahahiazana amin’ ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
それゆえ、主、万軍の主は、その肥えた勇士の中に病気を送って衰えさせ、その栄光の下に火の燃えるような炎を燃やされる。
17 Ary ny fahazavan’ ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
イスラエルの光は火となり、その聖者は炎となり、そのいばらと、おどろとを一日のうちに焼き滅ぼす。
18 Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak’ izay marary mafy izany.
また、その林と土肥えた田畑の栄えを、魂も、からだも二つながら滅ぼし、病める者のやせ衰える時のようにされる。
19 Ary ho vitsy ny hazo sisa any an’ alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
その林の木の残りのものはわずかであって、わらべもそれを書きとめることができる。
20 Ary amin’ izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ ny taranak’ i Jakoba, dia tsy hiankina amin’ izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
その日にはイスラエルの残りの者と、ヤコブの家の生き残った者とは、もはや自分たちを撃った者にたよらず、真心をもってイスラエルの聖者、主にたより、
21 Ary izay sisa amin’ i Jakoba dia hiverina ho amin’ Andriamanitra Mahery.
残りの者、すなわちヤコブの残りの者は大能の神に帰る。
22 Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
あなたの民イスラエルは海の砂のようであっても、そのうちの残りの者だけが帰って来る。滅びはすでに定まり、義であふれている。
23 Fa fahafonganana voatendry no hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ao amin’ ny tany.
主、万軍の主は定められた滅びを全地に行われる。
24 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin’ ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
それゆえ、主、万軍の主はこう言われる、「シオンに住むわが民よ、アッスリヤびとが、エジプトびとがしたように、むちをもってあなたを打ち、つえをあげてあなたをせめても、彼らを恐れてはならない。
25 Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
ただしばらくして、わが憤りはやみ、わが怒りは彼らを滅ぼすからである。
26 Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, hamely azy amin’ ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
万軍の主は、むかしミデアンびとをオレブの岩で撃たれた時のように、彼らにむかって、むちをふるわれる。またそのつえを海の上にのばし、エジプトでなされたように、それをあげられる。
27 Ary amin’ izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin’ ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.
その日には、彼の重荷はあなたの肩からおり、彼のくびきはあなたの首から離れる」。彼はリンモンから上り、
28 Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’ i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
アイアテにきたり、ミグロンを過ぎ、ミクマシでその行李をとどめ、
29 Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean’ i Saoly;
渡しを過ぎて、ゲバに宿る。ラマはおののき、サウルのギベアは逃げ去った。
30 Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin’ i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
ガリムの娘よ、声をあげて叫べ。ライシよ、耳を傾けよ。アナトテよ、彼に答えよ。
31 Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
マデメナは逃げ去り、ゲビムの民は隠れ場を求めた。
32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’ i Jerosalema.
この日彼はノブに立ちとどまり、シオンの娘の山、エルサレムの丘にむかって、その手を振る。
33 Indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
見よ、主、万軍の主は、恐ろしい力をもって枝を切りおろされる。たけの高いものも切り落され、そびえ立つものは低くされる。
34 Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
主はおのをもって茂りあう林を切られる。みごとな木の茂るレバノンも倒される。

< Isaia 10 >