< Isaia 1 >

1 Ny fahitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, izay hitany ny amin’ ny Joda sy Jerosalema tamin’ ny andron’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ ny Joda.
The vision of Isaiah the son of Amoz, which he saw concerning Judah and Jerusalem, in the days of Uzziah, Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah.
2 Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Hear, heavens, and listen, earth; for YHWH has spoken: I have nourished and brought up children, and they have rebelled against me.
3 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
The ox knows his owner, and the donkey his master's crib; but Israel doesn't know, my people do not understand.
4 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Ah sinful nation, a people loaded with iniquity, offspring of evildoers, children who deal corruptly. They have forsaken YHWH. They have despised the Holy One of Israel. They are estranged and backward.
5 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
Why should you be beaten more, that you revolt more and more? The whole head is sick, and the whole heart faint.
6 Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.
From the sole of the foot even to the head there is no soundness in it: wounds, welts, and open sores. They haven't been closed, neither bandaged, neither soothed with oil.
7 Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.
Your country is desolate. Your cities are burned with fire. Strangers devour your land in your presence, and it is desolate, as overthrown by strangers.
8 Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an’ ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.
The daughter of Zion is left like a shelter in a vineyard, like a hut in a field of cucumbers, like a besieged city.
9 Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Unless YHWH of hosts had left us a few survivors, we would have been as Sodom, and we would have been like Gomorrah.
10 Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Hear the word of YHWH, you rulers of Sodom. Listen to the law of our God, you people of Gomorrah.
11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.
"What are the multitude of your sacrifices to me?," says YHWH. "I have had enough of the burnt offerings of rams, and the fat of fed animals. I do not delight in the blood of bulls, or of lambs, or of male goats.
12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
When you come to appear before me, who has required this at your hand, to trample my courts?
13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masìna haroharoam-paharatsiana!
Bring no more vain offerings. Incense is an abomination to me; new moons, Sabbaths, and convocations: I can't bear with evil assemblies.
14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
My soul hates your New Moons and your appointed feasts. They are a burden to me. I am weary of bearing them.
15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
When you spread forth your hands, I will hide my eyes from you. Yes, when you make many prayers, I will not hear. Your hands are full of blood.
16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Wash yourselves, make yourself clean. Put away the evil of your doings from before my eyes. Cease to do evil.
17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena.
Learn to do well. Seek justice. Relieve the oppressed. Judge the fatherless. Plead for the widow."
18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
"Come now, and let us reason together," says YHWH: "Though your sins are like scarlet, they shall be as white as snow. Though they are red like crimson, they shall be as wool.
19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
If you are willing and obedient, you shall eat the good of the land;
20 Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ ny sabatra: Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
but if you refuse and rebel, the sword shall devour you; for the mouth of YHWH has spoken it."
21 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran’ ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
How the faithful city has become a prostitute. She was full of justice; righteousness lodged in her, but now murderers.
22 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
Your silver has become dross, your wine mixed with water.
23 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Your rulers are rebellious, companions of thieves. Everyone loves a bribe, chasing after payoffs. They do not judge the fatherless, neither does the cause of the widow come to them.
24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Ilay Maherin’ ny Isiraely: E! hiala fo amin’ ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Therefore YHWH of hosts, the Mighty One of Israel, says: "Ah, I will get relief from my adversaries, and avenge myself of my enemies;
25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ ny lavenona ianao hahafahan’ ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.
and I will turn my hand against you, and I will purge away your dross, and I will take away all your slag.
26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
I will restore your judges as at the first, and your counselors as at the beginning. Afterward you shall be called 'The city of righteousness, a faithful town.'
27 Ziona havotana amin’ ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin’ ny fahamarinana;
Zion shall be redeemed with justice, and her converts with righteousness.
28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an’ i Jehovah.
But the destruction of transgressors and sinners shall be together, and those who forsake YHWH shall be consumed.
29 Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin’ ny saha izay natokanareo.
For they shall be ashamed of the oaks which you have desired, and you shall be confounded for the gardens that you have chosen.
30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
For you shall be as an oak whose leaf fades, and as a garden that has no water.
31 Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
The strong will be like tinder, and his work like a spark. They will both burn together, and no one will quench them."

< Isaia 1 >