< Hosea 7 >

1 Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’ i Efraima sy ny faharatsian’ i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
when I would heal Israel, then Ephrain’s guilt is revealed, and Samaria’s crimes are seen, how they practise fraud and the thief enters in, while outside bandits plunder.
2 Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.
But it never crosses their minds that I remember their wickedness. Now their misdeeds surround them, they are always before my face.
3 Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka.
Their wickedness amuses the king, and their lying gladdens the princes,
4 Samy mpaka vadin’ olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
since they are all of them adulterers. Their desire to do evil burns like an oven heated by the baker, so hot that he need not stir the fire, from the kneading of the dough, until it rises.
5 Tamin’ ny andron’ ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ ny fanafanan’ ny herin’ ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ ny mpaniratsira ny mpanjaka.
On our king’s festival day, the princes are flushed with fever from wine. He stretched forth his hand with the contemptuous,
6 Fa entin’ ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin’ ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
for like an oven their heart burns with treachery, all night their anger smoulders, in the morning it blazes into a flame of fire.
7 Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
All of them glow like an oven, they devour their rulers. All their kings have fallen. There is none among them who calls to me.
8 Efraima dia miharoharo amin’ ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
Ephraim – he lets himself be mixed among the peoples, Ephraim – he has become a cake unturned.
9 Lanin’ ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
Strangers have devoured his strength, but he does not know it. His hair is sprinkled with grey, but he does not notice.
10 Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’ i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.
Israel’s arrogance testifies against them yet they do not return to the Lord their God, and in all this they do not seek him.
11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
Ephraim is like a simple, silly dove: to Egypt they call, after Assyria they go,
12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ ny fiangonany.
wherever they turn I will spread my net over them, like birds of the sky I will bring them down, I will catch them when I hear them gathering.
13 Lozan’ ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
Woe to them, for they have strayed from me! Destruction to them, for they have been untrue to me. Although it was I who redeemed them, they speak lies about me.
14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
They have never cried to me with their hearts, but they are always wailing on their beds. They gather to beg for corn and new wine, but they turn away from me.
15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
Although it was I who trained and strengthened their arms, concerning me they plan only evil.
16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ ny tany Egypta.
They turn away from the Most High. They have become like a bow that swerves. Their princes will fall by the sword, because of the insolence of their tongues. The land of Egypt will mock them.

< Hosea 7 >