< Hosea 3 >

1 Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodìna ho amin’ izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.
Et dixit Dominus ad me: Adhuc vade, et dilige mulierem dilectam amico et adulteram, sicut diligit Dominus filios Israël, et ipsi respiciunt ad deos alienos, et diligunt vinacia uvarum.
2 Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin’ ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
Et fodi eam mihi quindecim argenteis, et coro hordei, et dimidio coro hordæi.
3 Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
Et dixi ad eam: Dies multos exspectabis me; non fornicaberis, et non eris viro; sed et ego exspectabo te.
4 Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.
Quia dies multos sedebunt filii Israël sine rege, et sine principe, et sine sacrificio, et sine altari, et sine ephod, et sine theraphim.
5 Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’ Isiraely ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an’ i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.
Et post hæc revertentur filii Israël, et quærent Dominum Deum suum, et David regem suum: et pavebunt ad Dominum, et ad bonum ejus, in novissimo dierum.

< Hosea 3 >