< Hosea 2 >

1 Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.
"Say to your brothers, 'My People.' and to your sisters, 'Compassion.'
2 Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
Contend with your mother. Contend, for she is not my wife, neither am I her husband; and let her put away her prostitution from her face, and her adulteries from between her breasts;
3 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
Lest I strip her naked, and make her bare as in the day that she was born, and make her like a wilderness, and set her like a dry land, and kill her with thirst.
4 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
Indeed, on her children I will have no mercy; for they are children of unfaithfulness;
5 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon’ ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
For their mother has played the prostitute. She who conceived them has done shamefully; for she said, 'I will go after my lovers, who give me my bread and my water, my wool and my flax, my oil and my drink.'
6 Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
Therefore, look, I will hedge up her way with thorns, and I will build a wall against her, that she can't find her way.
7 Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’ izay noho ny ankehitriny.
She will follow after her lovers, but she won't overtake them; and she will seek them, but won't find them. Then she will say, 'I will go and return to my first husband; for then was it better with me than now.'
8 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
For she did not know that I gave her the grain, the new wine, and the oil, and multiplied to her silver and gold, which they used for Baal.
9 Koa dia halaiko indray ny variko amin’ ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ ny taonany, ary haoriko ny volon’ ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
Therefore I will take back my grain in its time, and my new wine in its season, and will pluck away my wool and my flax which should have covered her nakedness.
10 Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’ ny tanako.
Now I will uncover her lewdness in the sight of her lovers, and no one will deliver her out of my hand.
11 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
I will also cause all her celebrations to cease: her feasts, her new moons, her Sabbaths, and all her solemn assemblies.
12 Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin’ ny bibidia.
I will lay waste her vines and her fig trees, about which she has said, 'These are my wages that my lovers have given me; and I will make them a forest,' and the animals of the field shall eat them.
13 Ary hovaliako izy noho ny andron’ ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
I will visit on her the days of the Baals, to which she burned incense, when she decked herself with her earrings and her jewels, and went after her lovers, and forgot me," says the LORD.
14 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
"Therefore, look, I will allure her, and bring her into the wilderness, and speak tenderly to her.
15 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin’ ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
I will give her vineyards from there, and the Valley of Achor for a door of hope; and she will respond there, as in the days of her youth, and as in the day when she came up out of the land of Egypt.
16 Ary raha mby amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
It will be in that day," says the LORD, "that you will call me 'my husband,' and no longer call me 'my master.'
17 Fa hesoriko amin’ ny vavany ny anaran’ ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin’ ny anarany intsony ireo.
For I will take away the names of the Baals out of her mouth, and they will no longer be mentioned by name.
18 Ary raha mby amin’ izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ ny bibidia sy amin’ ny voro-manidina ary amin’ ny biby mandady sy mikisaka amin’ ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
In that day I will make a covenant for them with the animals of the field, and with the birds of the sky, and with the crawling creatures of the ground. I will break the bow, the sword, and the battle out of the land, and will make them lie down safely.
19 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
I will betroth you to me forever. Yes, I will betroth you to me in righteousness, in justice, in loving kindness, and in compassion.
20 Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’ i Jehovah.
I will even betroth you to me in faithfulness; and you shall know the LORD.
21 Ary amin’ izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;
It will happen in that day, I will respond," says the LORD, "I will respond to the heavens, and they will respond to the earth;
22 Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an’ i Jezirela,
and the earth will respond to the grain, and the new wine, and the oil; and they will respond to Jezreel.
23 Dia hafafiko ho Ahy amin’ ny tany izy; Ary hamindra fo amin’ i Lò-rohama Aho sady hanao amin’ i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.
And I will sow her for myself in the land; and I will compassion on No Compassion; and I will say to Not My People, 'You are my people;' and they will say, 'My God.'"

< Hosea 2 >