< Hosea 14 >

1 Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
以色列啊,你要归向耶和华—你的 神; 你是因自己的罪孽跌倒了。
2 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
当归向耶和华, 用言语祷告他说: 求你除净罪孽,悦纳善行; 这样,我们就把嘴唇的祭代替牛犊献上。
3 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po.
我们不向亚述求救, 不骑埃及的马, 也不再对我们手所造的说: 你是我们的 神。 因为孤儿在你—耶和华那里得蒙怜悯。
4 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
我必医治他们背道的病, 甘心爱他们; 因为我的怒气向他们转消。
5 Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona.
我必向以色列如甘露; 他必如百合花开放, 如黎巴嫩的树木扎根。
6 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy.
他的枝条必延长; 他的荣华如橄榄树; 他的香气如黎巴嫩的香柏树。
7 Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona.
曾住在他荫下的必归回, 发旺如五谷,开花如葡萄树。 他的香气如黎巴嫩的酒。
8 Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
以法莲必说: 我与偶像还有什么关涉呢? 我—耶和华回答他,也必顾念他。 我如青翠的松树; 你的果子从我而得。
9 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
谁是智慧人?可以明白这些事; 谁是通达人?可以知道这一切。 因为,耶和华的道是正直的; 义人必在其中行走, 罪人却在其上跌倒。

< Hosea 14 >