< Genesisy 5 >

1 Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
亚当的后代记在下面。(当 神造人的日子,是照着自己的样式造的,
2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy.
并且造男造女。在他们被造的日子, 神赐福给他们,称他们为“人”。)
3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
亚当活到一百三十岁,生了一个儿子,形象样式和自己相似,就给他起名叫塞特。
4 Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
亚当生塞特之后,又在世八百年,并且生儿养女。
5 Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
亚当共活了九百三十岁就死了。
6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy.
塞特活到一百零五岁,生了以挪士。
7 Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
塞特生以挪士之后,又活了八百零七年,并且生儿养女。
8 Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
塞特共活了九百一十二岁就死了。
9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy.
以挪士活到九十岁,生了该南。
10 Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
以挪士生该南之后,又活了八百一十五年,并且生儿养女。
11 Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
以挪士共活了九百零五岁就死了。
12 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy.
该南活到七十岁,生了玛勒列。
13 Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
该南生玛勒列之后,又活了八百四十年,并且生儿养女。
14 Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
该南共活了九百一十岁就死了。
15 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy.
玛勒列活到六十五岁,生了雅列。
16 Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
玛勒列生雅列之后,又活了八百三十年,并且生儿养女。
17 Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
玛勒列共活了八百九十五岁就死了。
18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy.
雅列活到一百六十二岁,生了以诺。
19 Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
雅列生以诺之后,又活了八百年,并且生儿养女。
20 Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
雅列共活了九百六十二岁就死了。
21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy.
以诺活到六十五岁,生了玛土撒拉。
22 Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
以诺生玛土撒拉之后,与 神同行三百年,并且生儿养女。
23 Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
以诺共活了三百六十五岁。
24 Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
以诺与 神同行, 神将他取去,他就不在世了。
25 Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy.
玛土撒拉活到一百八十七岁,生了拉麦。
26 Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
玛土撒拉生拉麦之后,又活了七百八十二年,并且生儿养女。
27 Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
玛土撒拉共活了九百六十九岁就死了。
28 Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
拉麦活到一百八十二岁,生了一个儿子,
29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah.
给他起名叫挪亚,说:“这个儿子必为我们的操作和手中的劳苦安慰我们;这操作劳苦是因为耶和华咒诅地。”
30 Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
拉麦生挪亚之后,又活了五百九十五年,并且生儿养女。
31 Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
拉麦共活了七百七十七岁就死了。
32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’ i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
挪亚五百岁生了闪、含、雅弗。

< Genesisy 5 >