< Genesisy 33 >

1 Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa.
Now Jacob looked up and saw that Esau approaching, and with him four hundred men. He divided the children between Leah, Rachel, and the two female servants.
2 Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
He put the female servants and their children in front, Leah and her children after, and Rachel and Joseph last.
3 Ary Jakoba nandeha teo alohan’ izy rehetra ka niankohoka impito tamin’ ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ ny rahalahiny.
He himself went on ahead of them, and bowed himself to the ground seven times, until he approached his brother.
4 Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
Esau ran to meet him, embraced him, hugged his neck, and kissed him. And they wept.
5 Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’ Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
And he looked up and saw the women and the children, and said, "Who are these with you?" He said, "The children whom God has graciously given your servant."
6 Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
Then the female servants came forward with their children, and they bowed themselves.
7 Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
Leah also and her children came forward, and bowed themselves. After them, Joseph came forward with Rachel, and they bowed themselves.
8 Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy.
Esau said, "What do you mean by all this company which I met?" Jacob said, "To find favor in the sight of my lord."
9 Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
Esau said, "I have enough, my brother; keep what you have for yourself."
10 Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
Jacob said, "No, please, if I have now found favor in our sight, then accept my present from my hand, because I have seen your face, which is like seeing the face of God, since you have accepted me.
11 Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
Please take the gift that I brought to you, because God has been gracious to me, and because I have enough." Thus he urged him, and he took it.
12 Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
Esau said, "Let us take our journey, and let us go, and I will go ahead of you."
13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.
Jacob said to him, "My lord knows that the children are tender, and that the sheep and cattle with me have their young, and if they overdrive them one day, the whole herd will die.
14 Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ ny omby aman’ ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ itompokolahy any Seïra.
Please let my lord pass on ahead of his servant, and I will move along slowly, at the pace of the herds that are before me and at the pace of the children, until I come to my lord at Seir."
15 Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho.
Esau said, "Let me now leave with you some of my people who are with me." But he said, "What need is there? Please indulge me, my lord."
16 Dia niverina androtrizay Esao tamin’ ny lalany ho any Seïra.
So Esau returned that day on the road to Seir.
17 Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ ny omby aman’ ondriny; izany no nanaovana ny anaran’ io tany io hoe Sokota.
But Jacob traveled to Succoth, and he built himself a house, and made shelters for his livestock. Therefore the name of the place is called Succoth.
18 Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna.
After Jacob came from Paddan Aram, he arrived safely at the city of Shechem, which is in the land of Canaan, and camped near the city.
19 Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
He purchased the parcel of land where he had pitched his tent, from the sons of Hamor, Shechem's father, for a hundred kesitahs.
20 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
He erected an altar there and called it El Elohe Israel.

< Genesisy 33 >