< Genesisy 29 >

1 Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
雅各起行,到了东方人之地,
2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.
看见田间有一口井,有三群羊卧在井旁;因为人饮羊群都是用那井里的水。井口上的石头是大的。
3 Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.
常有羊群在那里聚集,牧人把石头转离井口饮羊,随后又把石头放在井口的原处。
4 Ary hoy Jakoba tamin’ ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
雅各对牧人说:“弟兄们,你们是哪里来的?”他们说:“我们是哈兰来的。”
5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’ i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
他问他们说:“拿鹤的孙子拉班,你们认识吗?”他们说:“我们认识。”
6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’ osy.
雅各说:“他平安吗?”他们说:“平安。看哪,他女儿拉结领着羊来了。”
7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ ny fotoana famoriana ny omby aman’ ondry; ampisotroy ny ondry aman’ osy, dia andeha, andraso.
雅各说:“日头还高,不是羊群聚集的时候,你们不如饮羊,再去放一放。”
8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, ka hakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’ osy izahay.
他们说:“我们不能,必等羊群聚齐,人把石头转离井口才可饮羊。”
9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’ osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
雅各正和他们说话的时候,拉结领着她父亲的羊来了,因为那些羊是她牧放的。
10 Ary rehefa hitan’ i Jakoba Rahely, zanakavavin’ i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny izy.
雅各看见母舅拉班的女儿拉结和母舅拉班的羊群,就上前把石头转离井口,饮他母舅拉班的羊群。
11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
雅各与拉结亲嘴,就放声而哭。
12 Dia nambaran’ i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
雅各告诉拉结,自己是她父亲的外甥,是利百加的儿子,拉结就跑去告诉她父亲。
13 Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.
拉班听见外甥雅各的信息,就跑去迎接,抱着他,与他亲嘴,领他到自己的家。雅各将一切的情由告诉拉班。
14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
拉班对他说:“你实在是我的骨肉。”雅各就和他同住了一个月。
15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.
拉班对雅各说:“你虽是我的骨肉,岂可白白地服事我?请告诉我,你要什么为工价?”
16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.
拉班有两个女儿,大的名叫利亚,小的名叫拉结。
17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
利亚的眼睛没有神气,拉结却生得美貌俊秀。
18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
雅各爱拉结,就说:“我愿为你小女儿拉结服事你七年。”
19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
拉班说:“我把她给你,胜似给别人,你与我同住吧!”
20 Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
雅各就为拉结服事了七年;他因为深爱拉结,就看这七年如同几天。
21 Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.
雅各对拉班说:“日期已经满了,求你把我的妻子给我,我好与她同房。”
22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
拉班就摆设筵席,请齐了那地方的众人。
23 Kanjo nony hariva dia naka an’ i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’ i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
到晚上,拉班将女儿利亚送来给雅各,雅各就与她同房。
24 Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
拉班又将婢女悉帕给女儿利亚作使女。
25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
到了早晨,雅各一看是利亚,就对拉班说:“你向我做的是什么事呢?我服事你,不是为拉结吗?你为什么欺哄我呢?”
26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
拉班说:“大女儿还没有给人,先把小女儿给人,在我们这地方没有这规矩。
27 Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
你为这个满了七日,我就把那个也给你,你再为她服事我七年。”
28 Dia nataon’ i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’ i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
雅各就如此行。满了利亚的七日,拉班便将女儿拉结给雅各为妻。
29 Ary nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
拉班又将婢女辟拉给女儿拉结作使女。
30 Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.
雅各也与拉结同房,并且爱拉结胜似爱利亚,于是又服事了拉班七年。
31 Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
耶和华见利亚失宠,就使她生育,拉结却不生育。
32 Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
利亚怀孕生子,就给他起名叫吕便,因而说:“耶和华看见我的苦情,如今我的丈夫必爱我。”
33 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
她又怀孕生子,就说:“耶和华因为听见我失宠,所以又赐给我这个儿子”,于是给他起名叫西缅。
34 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
她又怀孕生子,起名叫利未,说:“我给丈夫生了三个儿子,他必与我联合。”
35 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
她又怀孕生子,说:“这回我要赞美耶和华”,因此给他起名叫犹大。这才停了生育。

< Genesisy 29 >