< Genesisy 27 >

1 Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an’ i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
I KO Isaaka manawa i elemakule ai, a powehiwehi ai kona mau maka, a hiki ole ia ia ke ike aku; hea aku la oia ia Esau i kana keiki mua, i aku la ia ia, E kuu keiki: i mai la kela, Eia wau.
2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
I aku la oia, Eia hoi, ua elemakule au, aole hoi au i ike i kuu la e make ai:
3 koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
Ano hoi, e lawe oe i kau mau mea pana, i kau aapua a me kau kakaka, e hele aku oe i ka nahelehele e imi i kahi io na'u;
4 ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
A e hana oe i mea ono na'u i ka mea hoi a'u i ono ai, a e lawe mai oe i o'u nei, i paina au, a i hoomaikai aku kuu uhane ia oe mamua o kuu make ana.
5 Ary Rebeka nandre an’ Isaka niteny tamin’ i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
Lohe ae la o Rebeka i ka wa a Isaaka i olelo aku ai ia Esau i kana keiki A hele aku o Esau i ka nahelehele e imi aku a e lawe mai i ka io o ka holoholona hihiu.
6 Ary Rebeka niteny tamin’ i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin’ i Esao rahalahinao nanao hoe:
Olelo aku la o Rebeka ia Iakoba i kana keiki, i aku la, Aia hoi, ua lohe iho nei au i kou makuakane e olelo ana i kou kaikuaana ia Esau, i ka i ana ae,
7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan’ i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
E lawe mai oe io'u nei i io holoholona hihiu, a e hana i ka mea ono na'u, i paina au, a i hoomaikai hoi au ia oe imua o Iehova mamua o kuu make ana.
8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’ izay asaiko ataonao.
Ano hoi, e kuu keiki, e hoolohe mai oe i ko'u leo, ma ka mea a'u e kauoha aku nei ia oe.
9 Mankanesa kely any amin’ ny ondry aman’ osy, ka analao zanak’ osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an’ ny rainao araka ilay tiany izany;
E hele koke aku oe i ka poe holoholona, a e lawe mai i na keiki kao maikai i elua; a na'u no e hana i ka mea ono na kou makuakane, i kana mea i ono ai:
10 ary dia ho entinao any amin’ ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
A e halihali aku oe ia mea i kou makuakane, i ai iho ia, a i hoomaikai mai oia ia oe mamua o kona make ana.
11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
Olelo mai la o Iakoba ia Rebeka i kona makuwahine, Aia hoi, he kanaka huluhulu o Esau kuu kai kuaana, a he kanaka pahee no wau:
12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
A e hana mai paha kuu makuakane ia'u, a e ikea auanei au e ia he mea hoopunipuni; a e hooili mai au i ka hoinoia maluna iho o'u, aole ka hoomaikaiia,
13 Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
I aku la kona makuwahine ia ia, Maluna iho o'u kou hoinoia, e kuu keiki; e hoolohe wale mai oe i ko'u leo, e kii aku, a e lawe mai io'u nei.
14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin’ ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian’ ny rainy.
Kii aku la ia, a lawe mai la ia mau mea i kona makuwahine: a na kona makuwahine i hana i ka mea ono, a kona makuakane i ono ai.
15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian’ i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an’ i Jakoba zanany faralahy.
Lawe ae la o Rebeka i ka aahu maikai o kana keiki mua o Esau, i ka mea e waiho ana iloko o ka hale me ia, a hoaahu iho la ia Iakoba i kana keiki muli iho ia mea.
16 Ary ny hoditry ny zanak’ osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin’ ny vozony;
A hoopili aku la o Rebeka i na ili o na keiki kao maluna o kona mau lima, a me ka pahee o kona a-i.
17 dia natolony teo an-tànan’ i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
Haawi aku la ia i ka mea ono, a me ka berena ana i hoomakaukau ai, iloko o ka lima o Iakoba o kana keiki.
18 Ary Jakoba nankany amin’ ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
A hele aku la ia i kona makuakane, i aku la, E kuu makuakane: i mai la kela, Eia no wau; owai la oe, e kuu keiki?
19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
I aku la o Iakoba i kona makuakane, Owau no o Esau, o kau makahiapo; ua hana iho nei au i kau mea i kauoha mai ai; ke noi aku nei au, e ala mai oe, e noho a e ai iho i ka'u io o ka mea hihiu, i hoomaikai mai kou uhane ia'u.
20 Ary hoy Isaka tamin’ ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
I mai la o Isaaka i kana keiki, Pehea ka emoole o ka loaa ana o ia mea ia oe, e kuu keiki? I aku la kela, No ka mea, na Iehova na kou Akua i hoohalawai ia mea me au.
21 Ary hoy Isaka tamin’ i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
I mai la o Isaaka ia Iakoba, Ke noi aku nei au ia oe, e neenee mai a kokoke, i hana aku au ia oe, e kuu keiki, i ike au o ka'u keiki o Esau paha oe, aole paha.
22 Ary Jakoba nanatona an’ Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon’ i Jakoba, fa ny tanana dia tànan’ i Esao.
Neenee aku la o Iakoba io Isaaka la i kona makuakane: a hana mai la oia ia ia, i mai la, O ka leo, ka leo no o Iakoba, aka, o na lima, na lima no o Esau.
23 Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan’ i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
Aole no i ikea oia, no ka mea, ua huluhulu kona mau lima, e like me na lima o kona kaikuaana, o Esau: a hoomaikai mai oia ia ia.
24 Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
Ninau mai la oia ia ia, O oe io no anei o ka'u keiki o Esau? I aku la kela, Owau no.
25 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
I mai la oia, E lawe mai ia mea a kokoke ia'u, a e ai iho no wau i ka io mea hihiu a kuu keiki, i hoomaikai aku kuu uhane ia oe, Lawe aku la o Iakoba a kokoke, a ai iho la kela: lawe aku la hoi oia i ka waina, a inu iho la kela.
26 Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
Olelo mai la kona makuakane o Isaaka ia ia, E hele mai oe a honi ia'u, e kuu keiki.
27 Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon’ ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon’ ny zanako. Dia tahaka ny fofon’ ny saha izay notahin’ i Jehovah.
Hele aku la o Iakoba, a honi ae la ia ia: honi iho la o Isaaka i ke ala o kona aahu, hoomaikai mai la ia ia, i mai la, Aia, o ke ala o kuu keiki, ua like me ke ala o ka mahinaai a Iehova i hoomaikai ai:
28 Ary hanomezan’ Andriamanitra anao anie ny andon’ ny lanitra sy ny tsiron’ ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
E haawi mai ke Akua ia oe i ka hau no ka lani mai, me ka momona o ka honua, a me ka palaoa a me ka waina he nui:
29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon’ ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
E hookauwa mai na kanaka nau, a e moe iho na lahuikanaka imua ou, o lilo oe i haku maluna o kou poe hoahanau, a e moe iho na keiki o kou makuwahine imua ou: e hoinoia'ku na mea a pau e hoino mai ia oe, a e hoopomaikaiia'ku ka mea hoomaikai ia oe.
30 Ary rehefa vita ny nitsofan’ Isaka rano an’ i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan’ Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
A oki ae la ka hoomaikai ana mai a Isaaka ia Iakoba, aneane hoi ole mai o Iakoba mai ke alo mai o Isaaka o kona makuakane, puka mai la hoi o Esau o kona kaikuaana mai kona imi mea hihiu ana.
31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin’ ny rainy; ary hoy izy tamin’ ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ ny hazan’ ny zanany, mba hitsofan’ ny fanahinao rano ahy.
Hana no hoi oia i ka mea ono, a lawe mai hoi ia mea i kona makuakane, i aku la ia i kona makuakane, E ala mai oe, e kuu makuakane, a e ai iho i ka io mea hihia a kana keiki, i hoomaikai mai kou uhane ia'u.
32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
Ninau mai la o Isaaka o kona makuakane ia ia, Owai oe? I aku la kela, Owau no o kau keiki, o kau makahiapo, o Esau.
33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
Haalulu nui loa iho la o Isaaka, i mai la, Owai? auhea hoi ka mea i kii i ka io mea hihiu, a i lawe mai hoi io'u nei, a ua ai iho nei au a pau, mamua o kou hiki ana mai, a ua hoomaikai au ia ia? Oiaio, oia ke hoomaikaiia.
34 Raha vao ren’ i Esao ny tenin’ ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
A lohe ae la o Esau i ka olelo a kona makuakane, uwe iho la ia me ka uwe nui loa, i aku la ia i kona makuakane, E hoomaikai mai ia'u, ia'u hoi, e kuu makuakane,
35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
I mai la kela, Ua hele mai nei kou kaikaina me ka maalea, a ua lawe aku i kou hoomaikaiia,
36 Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
I aku la oia, Aole anei i pono ke kapa ana ia ia o Iakoba? no ka mea, eia ka lua o kona kaili ana i ko'u pono: kaili aku la oia i ko ka hanaumua pono o'u; eia hoi, ano, ua kaili ae la oia i ko'u hoomaikaiia. I aku la hoi o Esau, Aole anei oe i malama no'u kekahi hoomaikai ana?
37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin’ i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
Olelo mai la o Isaaka ia Esau, Aia hoi, ua hoolilo aku au ia ia i haku nou, a ua haawi aku no wau i kona poe hoahanau a pau i poe kauwa nana; ua malama aku hoi au ia ia i ka palaoa a me ka waina: a heaha ka'u e hana aku ai nau, e kuu keiki?
38 Ary hoy Esao tamin’ ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
I aku la o Esau i kona makuakane, Hookahi wale no anei au hoomaikai ana, e kuu makuakane? e hoomaikai mai oe ia'u hoi, e kuu makuakane. Hookiekie ae la o Esau i kona leo, a uwe iho la.
39 Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin’ ny tsiron’ ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin’ ny andon’ ny lanitra avy any ambony;
Olelo mai la o Isaaka, kona makuakane, i mai la ia ia, Aia hoi, ma ka aina momona kou noho ana, a ma kahi o ka hau o ka lani mai luna iho.
40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin’ izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao.
I kau pahikaua e ola auanei oe, a e hookauwa aku oe na kou kaikaina: a i ka manawa e loaa'i ia oe ke alii ana, alaila e haihai iho oe i kana anamo ma kou a-i.
41 Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
Inaina aku la o Esau ia Iakoba, no ka hoomaikai ana a kona makuakane i hoomaikai aku ai ia ia: i iho la o Esau iloko o kona naau, Ua kokoke mai na la e kanikau ai i kuu makuakane; alaila au e pepehi ai i kuu kaikaina ia Iakoba.
42 Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin’ i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’ i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
Ua haiia'ku keia olelo ana a Esau ia Rebeka: hoouna aku la ia e hea ia Iakoba i kana keiki muli iho, i aku la ia ia, Aia hoi, o kou kaikuaana o Esau, e hooluolu ana oia ia ia iho nou, e pepehi iho ia oe.
43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin’ i Labana anadahiko.
Ano hoi, e kuu keiki, e hoolohe mai oe i kuu lee; e ku ae oe, e holo aku io Labana la, i kuu kaikunane ma Harana:
44 Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao,
E noho me ia i kekahi mau la, a huli ae ka inaina o kou kaikuaana mai ou aku la;
45 eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran’ ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?
A huli ae ka inaina o kou kaikuaana mai ou aku la, a poina ia ia kau mea i hana aku ai ia ia: alaila e hoouna aku no wau e hoihoi mai ia oe: no ke aha la e hooneleia mai au ia olua a elua i ka la hookahi?
46 Ary hoy Rebeka tamin’ Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ ny Hetita; raha maka vady amin’ ny zanakavavin’ ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin’ ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko?
Olelo aku la o Rebeka ia Isaaka, Ua pauaho no wau i kuu ola ana, no na kaikamahine a ka Heta: ina e lawe o Iakoba i kekahi kaikamahine a ka Heta i wahine nana, e like me na kaikamahine o ka aina, pehea la wau e pono ai i kuu ola aua?

< Genesisy 27 >