< Genesisy 26 >

1 Ary nisy mosary indray teo amin’ ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’ i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’ i Abimeleka mpanjakan’ ny Filistina, tany Gerara.
在亞伯拉罕的日子,那地有一次饑荒;這時又有饑荒,以撒就往基拉耳去,到非利士人的王亞比米勒那裏。
2 Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midìna any Egypta ianao; mitoera eo amin’ ny tany izay holazaiko aminao.
耶和華向以撒顯現,說:「你不要下埃及去,要住在我所指示你的地。
3 Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;
你寄居在這地,我必與你同在,賜福給你,因為我要將這些地都賜給你和你的後裔。我必堅定我向你父亞伯拉罕所起的誓。
4 dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany;
我要加增你的後裔,像天上的星那樣多,又要將這些地都賜給你的後裔。並且地上萬國必因你的後裔得福-
5 satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
都因亞伯拉罕聽從我的話,遵守我的吩咐和我的命令、律例、法度。」
6 Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
以撒就住在基拉耳。
7 Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin’ ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
那地方的人問到他的妻子,他便說:「那是我的妹子。」原來他怕說:「是我的妻子」;他心裏想:「恐怕這地方的人為利百加的緣故殺我」,因為她容貌俊美。
8 Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan’ ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
他在那裏住了許久。有一天,非利士人的王亞比米勒從窗戶裏往外觀看,見以撒和他的妻子利百加戲玩。
9 Ary Abimeleka dia niantso an’ Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
亞比米勒召了以撒來,對他說:「她實在是你的妻子,你怎麼說她是你的妹子?」以撒說:「我心裏想,恐怕我因她而死。」
10 Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin’ ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
亞比米勒說:「你向我們做的是甚麼事呢?民中險些有人和你的妻同寢,把我們陷在罪裏。」
11 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
於是亞比米勒曉諭眾民說:「凡沾着這個人,或是他妻子的,定要把他治死。」
12 Dia namafy tamin’ izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin’ izay taona izay, satria efa notahin’ i Jehovah izy.
以撒在那地耕種,那一年有百倍的收成。耶和華賜福給他,
13 Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
他就昌大,日增月盛,成了大富戶。
14 fa nanana fananana be izy, dia ondry aman’ osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
他有羊群牛群,又有許多僕人,非利士人就嫉妒他。
15 Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin’ ny mpanompon-drainy fony fahavelon’ i Abrahama rainy, dia efa novonoin’ ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
當他父親亞伯拉罕在世的日子,他父親的僕人所挖的井,非利士人全都塞住,填滿了土。
16 Ary hoy Abimeleka tamin’ Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
亞比米勒對以撒說:「你離開我們去吧。因為你比我們強盛得多。」
17 Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan’ i Gerara ka nonina teo.
以撒就離開那裏,在基拉耳谷支搭帳棚,住在那裏。
18 Dia noloaran’ Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’ i Abrahama rainy, fa efa novonoin’ ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
當他父親亞伯拉罕在世之日所挖的水井因非利士人在亞伯拉罕死後塞住了,以撒就重新挖出來,仍照他父親所叫的叫那些井的名字。
19 Dia nihady teo amin’ ny lohasaha ny mpanompon’ Isaka ka nahita loharano velona teo.
以撒的僕人在谷中挖井,便得了一口活水井。
20 Ary niady tamin’ ny mpiandry ombin’ Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran’ ny lavaka fantsakana dia nataon’ Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
基拉耳的牧人與以撒的牧人爭競,說:「這水是我們的。」以撒就給那井起名叫埃色,因為他們和他相爭。
21 Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
以撒的僕人又挖了一口井,他們又為這井爭競,因此以撒給這井起名叫西提拿。
22 Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen’ i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin’ ny tany.
以撒離開那裏,又挖了一口井,他們不為這井爭競了,他就給那井起名叫利河伯。他說:「耶和華現在給我們寬闊之地,我們必在這地昌盛。」
23 Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
以撒從那裏上別是巴去。
24 Ary Jehovah niseho taminy tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’ i Abrahama mpanompoko.
當夜耶和華向他顯現,說:「我是你父親亞伯拉罕的上帝,不要懼怕!因為我與你同在,要賜福給你,並要為我僕人亞伯拉罕的緣故,使你的後裔繁多。」
25 Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran’ i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’ Isaka.
以撒就在那裏築了一座壇,求告耶和華的名,並且支搭帳棚;他的僕人便在那裏挖了一口井。
26 Ary Abimeleka mbamin’ i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin’ Isaka.
亞比米勒,同他的朋友亞戶撒和他的軍長非各,從基拉耳來見以撒。
27 Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
以撒對他們說:「你們既然恨我,打發我走了,為甚麼到我這裏來呢?」
28 Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
他們說:「我們明明地看見耶和華與你同在,便說,不如我們兩下彼此起誓,彼此立約,
29 fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin’ i Jehovah.
使你不害我們,正如我們未曾害你,一味地厚待你,並且打發你平平安安地走。你是蒙耶和華賜福的了。」
30 Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
以撒就為他們設擺筵席,他們便吃了喝了。
31 Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin’ Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
他們清早起來彼此起誓。以撒打發他們走,他們就平平安安地離開他走了。
32 Ary tamin’ izany andro izany dia avy ny mpanompon’ Isaka ka nanambara taminy ny amin’ ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
那一天,以撒的僕人來,將挖井的事告訴他說:「我們得了水了。」
33 Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran’ ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
他就給那井起名叫示巴;因此那城叫做別是巴,直到今日。
34 Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an’ i Jodita, zanakavavin’ i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin’ i Elona Hetita, izy.
以掃四十歲的時候娶了赫人比利的女兒猶滴,與赫人以倫的女兒巴實抹為妻。
35 Dia nangidy tamin’ ny fanahin’ Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
她們常使以撒和利百加心裏愁煩。

< Genesisy 26 >