< Genesisy 17 >

1 Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Postquam vero nonaginta et novem annorum esse cœperat, apparuit ei Dominus, dixitque ad eum: Ego Deus omnipotens: ambula coram me, et esto perfectus.
2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
Ponamque fœdus meum inter me et te, et multiplicabo te vehementer nimis.
3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
Cecidit Abram pronus in faciem.
4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao.
Dixitque ei Deus: Ego sum, et pactum meum tecum, erisque pater multarum gentium.
5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao.
Nec ultra vocabitur nomen tuum Abram, sed appellaberis Abraham: quia patrem multarum gentium constitui te.
6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
Faciamque te crescere vehementissime, et ponam te in gentibus, regesque ex te egredientur.
7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
Et statuam pactum meum inter me et te, et inter semen tuum post te in generationibus suis, fœdere sempiterno: ut sim Deus tuus, et seminis tui post te.
8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
Daboque tibi et semini tuo terram peregrinationis tuæ, omnem terram Chanaan in possessionem æternam, eroque Deus eorum.
9 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Dixit iterum Deus ad Abraham: Et tu ergo custodies pactum meum, et semen tuum post te in generationibus suis.
10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
Hoc est pactum meum quod observabitis inter me et vos, et semen tuum post te: circumcidetur ex vobis omne masculinum:
11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
et circumcidetis carnem præputii vestri, ut sit in signum fœderis inter me et vos.
12 Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby: na ny ompikely, na izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena ka tsy avy amin’ ny taranakao.
Infans octo dierum circumcidetur in vobis, omne masculinum in generationibus vestris: tam vernaculus, quam emptitius circumcidetur, et quicumque non fuerit de stirpe vestra:
13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin’ ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
eritque pactum meum in carne vestra in fœdus æternum.
14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
Masculus, cujus præputii caro circumcisa non fuerit, delebitur anima illa de populo suo: quia pactum meum irritum fecit.
15 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Ny amin’ i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
Dixit quoque Deus ad Abraham: Sarai uxorem tuam non vocabis Sarai, sed Saram.
16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ ny firenena maro avy aminy.
Et benedicam ei, et ex illa dabo tibi filium cui benedicturus sum: eritque in nationes, et reges populorum orientur ex eo.
17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
Cecidit Abraham in faciem suam, et risit, dicens in corde suo: Putasne centenario nascetur filius? et Sara nonagenaria pariet?
18 Ary hoy Abrahama tamin’ Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
Dixitque ad Deum: Utinam Ismaël vivat coram te.
19 Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ ny taranany mandimby azy.
Et ait Deus ad Abraham: Sara uxor tua pariet tibi filium, vocabisque nomen ejus Isaac, et constituam pactum meum illi in fœdus sempiternum, et semini ejus post eum.
20 Ary ny amin’ Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
Super Ismaël quoque exaudivi te: ecce, benedicam ei, et augebo, et multiplicabo eum valde: duodecim duces generabit, et faciam illum in gentem magnam.
21 Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
Pactum vero meum statuam ad Isaac, quem pariet tibi Sara tempore isto in anno altero.
22 Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’ i Abrahama.
Cumque finitus esset sermo loquentis cum eo, ascendit Deus ab Abraham.
23 Koa dia nalain’ i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’ izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’ Andriamanitra taminy.
Tulit autem Abraham Ismaël filium suum, et omnes vernaculos domus suæ, universosque quos emerat, cunctos mares ex omnibus viris domus suæ: et circumcidit carnem præputii eorum statim in ipsa die, sicut præceperat ei Deus.
24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
Abraham nonaginta et novem erat annorum quando circumcidit carnem præputii sui.
25 Ary efa telo ambin’ ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
Et Ismaël filius tredecim annos impleverat tempore circumcisionis suæ.
26 Androtrizay indrindra no namorana an’ i Abrahama sy Isimaela zanany;
Eadem die circumcisus est Abraham et Ismaël filius ejus:
27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’ izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
et omnes viri domus illius, tam vernaculi, quam emptitii et alienigenæ pariter circumcisi sunt.

< Genesisy 17 >