< Ezra 1 >

1 Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
В лето первое Кира царя Персскаго, да исполнится слово Господне от уст Иеремииных, воздвиже Господь дух Кира царя Персскаго, и повеле проповедати во всем царствии своем, и писаньми, глаголя:
2 Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
сия глаголет Кир царь Персский: вся царства земная даде мне Господь Бог небесный, и Той повеле ми, да созижду Ему дом во Иерусалиме, иже во Иудеи:
3 Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
кто в вас от всех людий Его? И будет Бог его с ним, и да взыдет во Иерусалим, иже во Иудеи, и да созиждет дом Богу Израилеву, Той есть Бог, Иже во Иерусалиме:
4 Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.
и всяк оставшийся от всех мест, идеже той обитает, и да помогут ему мужие от места его сребром и златом, и сосуды и скоты, с добровольными обещании (принесут) в церковь Божию, яже во Иерусалиме.
5 Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
И восташа князи отечеств Иудиных и Вениаминих и священницы и левити, и вси, имже воздвиже Бог дух их, да взыдут созиданию церкве Господни, яже во Иерусалиме:
6 Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.
и вси, иже бяху окрест, помогоша рукам их сосуды сребрбяными, златом, потребными, и скотами, и драгими вещми, кроме добровольных.
7 Dia navoak’ i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’ i Jehovah, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon’ ireo andriamaniny.
И царь Кир изнесе сосуды церкве Господни, ихже взя Навуходоносор из Иерусалима и положи тыя в церкви бога своего:
8 Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.
изнесе же тыя Кир царь Персский рукою Мифридата Гасваринова, и сочте тыя Сасавассару князю Иудейску.
9 Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
И сие число их: умывалниц златых тридесять, умывалниц же сребряных тысяща, ножей двадесять девять,
10 kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
и чаш златых тридесять, и сребряных двойных четыреста десять, и сосудов иных тысяща:
11 efa-jato amby dimy arivo no isan’ ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin’ i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin’ ny babo izay niverina avy tany Babylona.
всех сосудов златых и сребряных пять тысящ и четыреста, вся взя с собою Сасавассар от преселения Вавилонскаго во Иерусалим.

< Ezra 1 >