< Ezekiela 6 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Et la parole de l’Éternel vint à moi, disant:
2 Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
Fils d’homme, tourne ta face contre les montagnes d’Israël, et prophétise contre elles,
3 ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
et dis: Montagnes d’Israël, écoutez la parole du Seigneur, l’Éternel: Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel, aux montagnes et aux collines, aux ravins et aux vallées: Voici, moi je fais venir sur vous l’épée, et je détruirai vos hauts lieux.
4 Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan’ ny sampinareo ny fatinareo;
Et vos autels seront dévastés, et vos colonnes consacrées au soleil seront brisées; et je ferai tomber vos blessés à mort devant vos idoles;
5 Ary ny fatin’ ny zanak’ Isiraely hataoko eo anoloan’ ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
et je mettrai les cadavres des fils d’Israël devant leurs idoles, et je disperserai vos ossements autour de vos autels.
6 Any amin’ ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.
Dans toutes vos demeures les villes seront réduites en solitudes et les hauts lieux seront désolés, afin que vos autels soient délaissés et désolés, et que vos idoles soient brisées et ne soient plus, et que vos colonnes consacrées au soleil soient abattues, et vos ouvrages anéantis.
7 Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Et les blessés à mort tomberont au milieu de vous; et vous saurez que je suis l’Éternel.
8 Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin’ ny sabatra any amin’ ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin’ ny tany samy hafa ianareo.
Mais je laisserai un reste, en ce que vous aurez des réchappés de l’épée parmi les nations, quand vous serez dispersés dans les pays.
9 Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
Et vos réchappés se souviendront de moi parmi les nations où ils auront été emmenés captifs, quand j’aurai brisé leur cœur prostitué qui s’est détourné de moi, et leurs yeux qui se prostituent après leurs idoles; et ils auront horreur d’eux-mêmes à cause des iniquités qu’ils ont commises par toutes leurs abominations;
10 Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
et ils sauront que moi, l’Éternel, je n’ai pas dit en vain que je leur ferais ce mal.
11 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mameleza amin’ ny tananao ianao, ary mitotoa amin’ ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ ny taranak’ Isiraely, izay ho lavon’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
Ainsi dit le Seigneur, l’Éternel: Bats de tes mains, et frappe de ton pied, et dis: Hélas, pour toutes les abominations des iniquités de la maison d’Israël! car ils tomberont par l’épée, par la famine et par la peste.
12 Ny lavitra ho fatin’ ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
Celui qui est loin mourra par la peste, et celui qui est près tombera par l’épée; et celui qui est demeuré de reste, et qui est assiégé, mourra par la famine; et je consommerai ma fureur sur eux.
13 Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin’ ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin’ ny havoana andrandraina rehetra, eny amin’ ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin’ ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin’ izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin’ ny sampiny rehetra;
Et vous saurez que je suis l’Éternel, quand leurs blessés à mort seront au milieu de leurs idoles, autour de leurs autels, sur toute haute colline, sur tous les sommets des montagnes, et sous tout arbre vert, et sous tout térébinthe touffu, dans les lieux où ils offraient à toutes leurs idoles des parfums agréables.
14 Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin’ ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr’ i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Et j’étendrai ma main sur eux, et je ferai du pays une désolation et il sera plus désolé que le désert de Dibla, dans toutes leurs demeures; et ils sauront que je suis l’Éternel.

< Ezekiela 6 >