< Ezekiela 45 >

1 Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia anjara masìna amin’ ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin’ ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masìna any amin’ ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
Quando pois repartirdes a terra por sortes em herança, offerecereis uma offerta ao Senhor, um logar sancto da terra: o comprimento será o comprimento de vinte e cinco mil cannas de medir, e a largura de dez mil: este será sancto em todo o seu contorno ao redor.
2 Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masìna, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
Serão d'isto para o sanctuario quinhentas com mais quinhentas, em quadrado do redor, e terá em redor um arrabalde de cincoenta covados.
3 Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin’ io ny fitoerana masìna, dia ny masìna indrindra.
E d'esta medida medirás o comprimento de vinte e cinco mil covados, e a largura de dez mil: e ali estará o sanctuario e o logar sanctissimo.
4 Ho anjara masìna amin’ ny tany izany ka ho an’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ary ho fitoeran’ ny tranony sy ho tany masìna hasiana ny fitoerana masìna.
Este será o logar sancto da terra; elle será para os sacerdotes que administram o sanctuario e se approximam para servir ao Senhor; e lhes servirá de logar para casas, e de logar sancto para o sanctuario.
5 Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an’ ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
E terão os levitas, ministros da casa, em possessão sua, vinte e cinco mil medidas de comprimento, para vinte camaras.
6 Ary homenareo koa ny zara-tany ho an’ ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana; ho an’ ny taranak’ Isiraely rehetra izany.
E para possessão da cidade, de largura dareis cinco mil cannas, e de comprimento vinte e cinco mil, defronte da offerta sancta: o que será para toda a casa de Israel.
7 Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny mifanolotra amin’ ny tany ho an’ ny tanàna, hatreo amin’ ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny firenena, na amin’ ny andrefana na amin’ ny atsinanana.
O principe porém terá a sua parte d'esta e da outra banda da sancta offerta, e da possessão da cidade, diante da sancta offerta, e diante da possessão da cidade, da esquina occidental para o occidente, e da esquina oriental para o oriente; e será o comprimento, defronte d'uma das partes, desde o termo occidental até ao termo oriental.
8 Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin’ ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an’ ny taranak’ Isiraely isam-pireneny.
E esta terra será a sua possessão em Israel; e os meus principes nunca mais opprimirão o meu povo, antes deixarão a terra á casa de Israel, conforme as suas tribus.
9 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan’ ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
Assim diz o Senhor Jehovah: Já vos baste, ó principes de Israel; affastae a violencia e a assolação, e praticae juizo e justiça: tirae as vossas imposições do meu povo, diz o Senhor Jehovah.
10 Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
Balanças justas, e epha justo, e bato justo tereis.
11 Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon’ ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
O epha e o bato serão d'uma mesma medida, de maneira que o bato contenha a decima parte do homer, e o epha a decima parte do homer; conforme o homer será a sua medida.
12 Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin’ ny folo no ho manenareo.
E o siclo será de vinte geras: vinte siclos, vinte e cinco siclos, e quinze siclos vos servirão d'um arratel.
13 Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin’ ny efaha isaky ny homeran’ ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin’ ny efaha isaky ny homeran’ ny vary hordea;
Esta será a offerta que haveis de offerecer: a sexta parte d'um epha de cada homer de trigo; tambem dareis a sexta parte d'um epha de cada homer de cevada.
14 ary ny didy ny amin’ ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon’ ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
Quanto ao estatuto do azeite, de cada bato de azeite offerecereis a decima parte d'um bato tirado d'um coro, que é um homer de dez batos; porque dez batos fazem um homer.
15 Ary ondry iray isan-droanjato amin’ ny tanin’ ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
E um cordeiro do rebanho, de cada duzentos, da mais regada terra de Israel, para offerta de manjares, e para holocausto, e para sacrificio pacifico; para fazer expiação por elles, diz o Senhor Jehovah.
16 Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Todo o povo da terra concorrerá a esta offerta, pelo principe em Israel.
17 Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin’ ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ ny taranak’ Isiraely; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny taranak’ Isiraely.
E estarão a cargo do principe os holocaustos, e as offertas de manjares, e as libações, nas festas, e nas luas novas, e nos sabbados, em todas as solemnidades da casa de Israel: elle fará a expiação pelo peccado, e a offerta de manjares, e o holocausto, e os sacrificios pacificos, para fazer expiação pela casa de Israel.
18 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha mby amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia haka vantotr’ ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masìna.
Assim diz o Senhor Jehovah: No primeiro mez, no primeiro dia do mez, tomarás um bezerro sem mancha, e purificarás o sanctuario.
19 Ary hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin’ ny tolan’ ny trano sy amin’ ny zoro efatra amin’ ny rindrin’ ny alitara ary amin’ ny tolan’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny.
E o sacerdote tomará do sangue do sacrificio pela expiação, e porá d'elle nas hombreiras da casa, e nas quatro esquinas da listra do altar, e nas hombreiras da porta do atrio interior.
20 Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny andro fahafito amin’ ny volana ho an’ ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny trano ianareo.
Assim tambem farás no setimo dia do mez, por causa dos que erram, e por causa dos simplices: assim expiareis a casa.
21 Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
No primeiro mez, no dia quatorze do mez, tereis a paschoa, uma festa de sete dias; pão asmo se comerá.
22 Ary amin’ izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
E o principe no mesmo dia, por si e por todo o povo da terra, preparará um bezerro de expiação pelo peccado.
23 Ary amin’ ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan’ andro mandritra ny hafitoana ho an’ i Jehovah izy, dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan’ andro hataony fanatitra noho ny ota.
E nos sete dias da festa preparará um holocausto ao Senhor, de sete bezerros e sete carneiros sem mancha, cada dia durante os sete dias; e o sacrificio de expiação d'um bode cada dia.
24 Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr’ ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran’ ny hina isan-efaha.
Tambem preparará uma offerta de manjares, a saber, um epha, para cada bezerro, e um epha para cada carneiro, e um hin de azeite para cada epha.
25 Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, amin’ ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
No setimo mez, no dia quinze do mez, na festa, fará o mesmo todos os sete dias, tanto o sacrificio pela expiação, como o holocausto, e como a offerta de manjares, e como o azeite.

< Ezekiela 45 >