< Ezekiela 4 >

1 Ary ianao, ry zanak’ olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’ i Jerosalema;
너 인자야! 박석을 가져다가 네 앞에 놓고 한 성읍 곧 예루살렘을 그 위에 그리고
2 ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
그 성읍을 에워싸되 운제를 세우고 토둔을 쌓고 진을 치고 공성퇴를 둘러 세우고
3 Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
또 전철을 가져다가 너와 성읍 사이에 두어 철성을 삼고 성을 향하여 에워싸는 것처럼 에워싸라 이것이 이스라엘 족속에게 징조가 되리라
4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely; koa araka ny isan’ ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
너는 또 좌편으로 누워 이스라엘 족속의 죄악을 당하되 네 눕는 날 수대로 그 죄악을 담당할지니라
5 Fa Izaho dia manao fetr’ andro ho anao mitovy amin’ ny taonan’ ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak’ Isiraely.
내가 그들의 범죄한 햇수대로 네게 날수를 정하였나니 곧 삼백 구십일이니라 너는 이렇게 이스라엘 족속의 죄악을 담당하고
6 Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’ i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon’ ny herintaona ho anao.
그 수가 차거든 너는 우편으로 누워 유다 족속의 죄악을 담당하라 내가 네게 사십일로 정하였나니 일일이 일년이니라
7 Dia banjino tsara io fahirano an’ i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
너는 또 에워싼 예루살렘을 향하여 팔을 벗어메고 예언하라
8 Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ ny fahiranonao.
내가 줄로 너를 동이리니 네가 에워싸는 날이 맞도록 몸을 이리 저리 돌리지 못하리라
9 Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ ny andro izay handrianao amin’ ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy.
너는 말과, 보리와, 콩과, 팥과, 조와, 귀리를 가져다가 한 그릇에 담고 떡을 만들어 네 모로 눕는 날수 곧 삼백 구십일에 먹되
10 Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan’ andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
너는 식물을 달아서 하루 이십 세겔 중씩 때를 따라 먹고
11 Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin’ ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
물도 힌 육분 일씩 되어서 때를 따라 마시라
12 Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
너는 그것을 보리떡처럼 만들어 먹되 그들의 목전에서 인분 불을 피워 구울지니라
13 Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan’ ny zanak’ Isiraely ny mofony voaloto any amin’ ny firenena izay handroahako azy.
여호와께서 또 가라사대 내가 열국으로 쫓아 흩을 이스라엘 자손이 거기서 이와 같이 부정한 떡을 먹으리라 하시기로
14 Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
내가 가로되 오호라! 주 여호와여! 나는 영혼을 더럽힌 일이 없었나이다 어려서부터 지금까지 스스로 죽은 것이나 짐승에게 찢긴 것을 먹지 아니하였고 가증한 고기를 입에 넣지 아니하였나이다
15 Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain’ omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
여호와께서 내게 이르시되 쇠똥으로 인분을 대신하기를 허하노니 너는 그것으로 떡을 구울지니라
16 Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan’ aina, ka an-danjany amin’ ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin’ ny fahatahorana.
또 내게 이르시되 인자야 내가 예루살렘에서 의뢰하는 양식을 끊으리니 백성이 경겁 중에 떡을 달아 먹고 민답 중에 물을 되어 마시다가
17 Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
떡과 물이 결핍하여 피차에 민답하여 하며 그 죄악 중에서 쇠패하리라

< Ezekiela 4 >