< Eksodosy 9 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
耶和華吩咐摩西說:「你進去見法老,對他說:『耶和華-希伯來人的上帝這樣說:容我的百姓去,好事奉我。
2 Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
你若不肯容他們去,仍舊強留他們,
3 dia, indro, ny tànan’ i Jehovah ho amin’ ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin’ ny soavaly sy amin’ ny boriky sy amin’ ny rameva sy amin’ ny omby ary amin’ ny ondry aman’ osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.
耶和華的手加在你田間的牲畜上,就是在馬、驢、駱駝、牛群、羊群上,必有重重的瘟疫。
4 Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin’ ny Isiraely amin’ ny bibin’ ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray aza.
耶和華要分別以色列的牲畜和埃及的牲畜,凡屬以色列人的,一樣都不死。』」
5 Dia nanendry fotoan’ andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan’ i Jehovah izany zavatra izany eto amin’ ny tany.
耶和華就定了時候,說:「明天耶和華必在此地行這事。」
6 Ary nony ampitso dia nataon’ i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin’ ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
第二天,耶和華就行這事。埃及的牲畜幾乎都死了,只是以色列人的牲畜,一個都沒有死。
7 Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
法老打發人去看,誰知以色列人的牲畜連一個都沒有死。法老的心卻是固執,不容百姓去。
8 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin’ ny tananao ao amin’ ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin’ i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’ i Farao izany.
耶和華吩咐摩西、亞倫說:「你們取幾捧爐灰,摩西要在法老面前向天揚起來。
9 Dia hitora-jofo eran’ ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy eran’ ny tany Egypta rehetra.
這灰要在埃及全地變作塵土,在人身上和牲畜身上成了起泡的瘡。」
10 Dia naka lavenona tamin’ ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Farao; dia natopin’ i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin’ ny olona sy tamin’ ny biby fiompy.
摩西、亞倫取了爐灰,站在法老面前。摩西向天揚起來,就在人身上和牲畜身上成了起泡的瘡。
11 Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan’ i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin’ ny Egyptiana rehetra.
行法術的在摩西面前站立不住,因為在他們身上和一切埃及人身上都有這瘡。
12 Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy.
耶和華使法老的心剛硬,不聽他們,正如耶和華對摩西所說的。
13 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
耶和華對摩西說:「你清早起來,站在法老面前,對他說:『耶和華-希伯來人的上帝這樣說:容我的百姓去,好事奉我。
14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.
因為這一次我要叫一切的災殃臨到你和你臣僕並你百姓的身上,叫你知道在普天下沒有像我的。
15 Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ ny tany ianao.
我若伸手用瘟疫攻擊你和你的百姓,你早就從地上除滅了。
16 Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
其實,我叫你存立,是特要向你顯我的大能,並要使我的名傳遍天下。
17 Mbola mirehareha amin’ ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
你還向我的百姓自高,不容他們去嗎?
18 Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
到明天約在這時候,我必叫重大的冰雹降下,自從埃及開國以來,沒有這樣的冰雹。
19 Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan’ ny havandra ka ho faty avokoa.
現在你要打發人把你的牲畜和你田間一切所有的催進來;凡在田間不收回家的,無論是人是牲畜,冰雹必降在他們身上,他們就必死。』」
20 Ary izay natahotra ny tenin’ i Jehovah teo amin’ ny mpanompon’ i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
法老的臣僕中,懼怕耶和華這話的,便叫他的奴僕和牲畜跑進家來。
21 fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’ i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
但那不把耶和華這話放在心上的,就將他的奴僕和牲畜留在田裏。
22 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin’ ny tany Egypta rehetra, dia amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy ary amin’ ny anana rehetra any an-tsaha eran’ ny tany Egypta.
耶和華對摩西說:「你向天伸杖,使埃及遍地的人身上和牲畜身上,並田間各樣菜蔬上,都有冰雹。」
23 Dia nahinjitr’ i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin’ ny tany Egypta.
摩西向天伸杖,耶和華就打雷下雹,有火閃到地上;耶和華下雹在埃及地上。
24 Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.
那時,雹與火攙雜,甚是厲害,自從埃及成國以來,遍地沒有這樣的。
25 Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
在埃及遍地,雹擊打了田間所有的人和牲畜,並一切的菜蔬,又打壞田間一切的樹木。
26 Fa tao amin’ ny tany Gosena izay nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
惟獨以色列人所住的歌珊地沒有冰雹。
27 Dia naniraka Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’ izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
法老打發人召摩西、亞倫來,對他們說:「這一次我犯了罪了。耶和華是公義的;我和我的百姓是邪惡的。
28 Mangataha amin’ i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
這雷轟和冰雹已經夠了。請你們求耶和華,我就容你們去,不再留住你們。」
29 Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany.
摩西對他說:「我一出城,就要向耶和華舉手禱告;雷必止住,也不再有冰雹,叫你知道全地都是屬耶和華的。
30 Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitra ihany.
至於你和你的臣僕,我知道你們還是不懼怕耶和華上帝。」(
31 Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
那時,麻和大麥被雹擊打;因為大麥已經吐穗,麻也開了花。
32 Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
只是小麥和粗麥沒有被擊打,因為還沒有長成。)
33 Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nankeo ivelan’ ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony.
摩西離了法老出城,向耶和華舉手禱告;雷和雹就止住,雨也不再澆在地上了。
34 Ary nony hitan’ i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.
法老見雨和雹與雷止住,就越發犯罪;他和他的臣僕都硬着心。
35 Dia nihamafy ny fon’ i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak’ Isiraely izy, araka izay efa nampilazain’ i Jehovah an’ i Mosesy.
法老的心剛硬,不容以色列人去,正如耶和華藉着摩西所說的。

< Eksodosy 9 >