< Eksodosy 28 >

1 Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
“Bring Aaron your brother, and his sons with him, near to you from among the children of Israel, that he may minister to me in the priest’s office: Aaron, with Nadab, Abihu, Eleazar, and Ithamar, Aaron’s sons.
2 Ary manaova fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
You shall make holy garments for Aaron your brother, for glory and for beauty.
3 Ary mitenena amin’ izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’ i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
You shall speak to all who are wise-hearted, whom I have filled with the spirit of wisdom, that they make Aaron’s garments to sanctify him, that he may minister to me in the priest’s office.
4 Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
These are the garments which they shall make: a breastplate, an ephod, a robe, a fitted tunic, a turban, and a sash. They shall make holy garments for Aaron your brother and his sons, that he may minister to me in the priest’s office.
5 Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
They shall use the gold, and the blue, and the purple, and the scarlet, and the fine linen.
6 Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mpanenona mahay.
“They shall make the ephod of gold, blue, purple, scarlet, and fine twined linen, the work of the skillful workman.
7 Aoka hisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambana azy.
It shall have two shoulder straps joined to the two ends of it, that it may be joined together.
8 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
The skillfully woven band, which is on it, shall be like its work and of the same piece; of gold, blue, purple, scarlet, and fine twined linen.
9 Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely:
You shall take two onyx stones, and engrave on them the names of the children of Israel.
10 ny anarany enina amin’ ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin’ ny vato iray, araka ny fizokiany;
Six of their names on the one stone, and the names of the six that remain on the other stone, in the order of their birth.
11 amin’ ny asan’ ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
With the work of an engraver in stone, like the engravings of a signet, you shall engrave the two stones, according to the names of the children of Israel. You shall make them to be enclosed in settings of gold.
12 Ary ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny sorony roa ho fahatsiarovana.
You shall put the two stones on the shoulder straps of the ephod, to be stones of memorial for the children of Israel. Aaron shall bear their names before Yahweh on his two shoulders for a memorial.
13 Ary manaova randram-bolamena
You shall make settings of gold,
14 sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin’ ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
and two chains of pure gold; you shall make them like cords of braided work. You shall put the braided chains on the settings.
15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
“You shall make a breastplate of judgment, the work of the skillful workman; like the work of the ephod you shall make it; of gold, of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, you shall make it.
16 Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
It shall be square and folded double; a span shall be its length, and a span its width.
17 Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
You shall set in it settings of stones, four rows of stones: a row of ruby, topaz, and beryl shall be the first row;
18 ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
and the second row a turquoise, a sapphire, and an emerald;
19 ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
and the third row a jacinth, an agate, and an amethyst;
20 ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
and the fourth row a chrysolite, an onyx, and a jasper. They shall be enclosed in gold in their settings.
21 Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase, ho amin’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
The stones shall be according to the names of the children of Israel, twelve, according to their names; like the engravings of a signet, everyone according to his name, they shall be for the twelve tribes.
22 Ary eo amin’ ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
You shall make on the breastplate chains like cords, of braided work of pure gold.
23 Ary manaova vava volamena roa ho eo amin’ ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
You shall make on the breastplate two rings of gold, and shall put the two rings on the two ends of the breastplate.
24 Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ ny vava vola roa, izay amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
You shall put the two braided chains of gold in the two rings at the ends of the breastplate.
25 Ary ny lanin’ ny tady roa dia ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
The other two ends of the two braided chains you shall put on the two settings, and put them on the shoulder straps of the ephod in its forepart.
26 Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
You shall make two rings of gold, and you shall put them on the two ends of the breastplate, on its edge, which is toward the side of the ephod inward.
27 Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin’ ny soroko roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
You shall make two rings of gold, and shall put them on the two shoulder straps of the ephod underneath, in its forepart, close by its coupling, above the skillfully woven band of the ephod.
28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ ny saron-tratra amin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
They shall bind the breastplate by its rings to the rings of the ephod with a lace of blue, that it may be on the skillfully woven band of the ephod, and that the breastplate may not swing out from the ephod.
29 Ary Arona hitondra ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely eo amin’ ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
Aaron shall bear the names of the children of Israel in the breastplate of judgment on his heart, when he goes in to the holy place, for a memorial before Yahweh continually.
30 Ary ataovy eo amin’ ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon’ i Arona izany, raha miditra eo anatrehan’ i Jehovah izy; ka dia ho entin’ i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah ny fitsarana ny Zanak’ Isiraely.
You shall put in the breastplate of judgment the Urim and the Thummim; and they shall be on Aaron’s heart, when he goes in before Yahweh. Aaron shall bear the judgment of the children of Israel on his heart before Yahweh continually.
31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
“You shall make the robe of the ephod all of blue.
32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
It shall have a hole for the head in the middle of it. It shall have a binding of woven work around its hole, as it were the hole of a coat of mail, that it not be torn.
33 Ary asio sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin’ ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
On its hem you shall make pomegranates of blue, and of purple, and of scarlet, all around its hem; with bells of gold between and around them:
34 dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
a golden bell and a pomegranate, a golden bell and a pomegranate, around the hem of the robe.
35 Ary hiakanjoan’ i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna eo anatrehan’ i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
It shall be on Aaron to minister: and its sound shall be heard when he goes in to the holy place before Yahweh, and when he comes out, that he not die.
36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
“You shall make a plate of pure gold, and engrave on it, like the engravings of a signet, ‘HOLY TO YAHWEH.’
37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ ny hamama: dia eo anoloan’ ny hamama no hasiana azy.
You shall put it on a lace of blue, and it shall be on the sash. It shall be on the front of the sash.
38 Ary ho eo ambonin’ ny handrin’ i Arona izy, mba ho entin’ i Arona ny heloky ny zava-masìna, izay hohamasinin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny fanomezany masìna rehetra; ary ho eo amin’ ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
It shall be on Aaron’s forehead, and Aaron shall bear the iniquity of the holy things, which the children of Israel shall make holy in all their holy gifts; and it shall be always on his forehead, that they may be accepted before Yahweh.
39 Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
You shall weave the tunic with fine linen. You shall make a turban of fine linen. You shall make a sash, the work of the embroiderer.
40 Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
“You shall make tunics for Aaron’s sons. You shall make sashes for them. You shall make headbands for them, for glory and for beauty.
41 Ary ataovy amin’ i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
You shall put them on Aaron your brother, and on his sons with him, and shall anoint them, and consecrate them, and sanctify them, that they may minister to me in the priest’s office.
42 Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ ny valahany ka hatramin’ ny feny no hisy azy.
You shall make them linen pants to cover their naked flesh. They shall reach from the waist even to the thighs.
43 Ary hiakanjoan’ i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ ny taranany mandimby azy izany.
They shall be on Aaron and on his sons, when they go in to the Tent of Meeting, or when they come near to the altar to minister in the holy place, that they don’t bear iniquity, and die. This shall be a statute forever to him and to his offspring after him.

< Eksodosy 28 >