< Eksodosy 27 >

1 Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
И да сотвориши олтарь от древ негниющих, пяти лакот в долготу и пяти лакот в широту: четвероуголен да будет олтарь, и трех лактий высота его.
2 Ary manaova ny tandrony eo amin’ ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
И да сотвориши роги на четырех углех: из него да будут роги, и покрыеши я медию.
3 Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’ afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
И да сотвориши венец олтарю: и покров его, и фиалы его, и вилицы его, и кадилник его, и вся сосуды его да сотвориши медяны.
4 Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ ny harato eo amin’ ny zorony efatra,
И да сотвориши ему огнище на подобие мрежи медяно: и сотвориши огнищу четыри колца медяна на четыри страны,
5 Ary ataovy eo ambanin’ ny sikin’ ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
и подложиши я под огнище олтаря снизу, и будет огнище до среды олтаря.
6 Ary manaova bao ho amin’ ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
И да сотвориши олтарю носила от древес негниющих, и окуеши я медию,
7 Ary ampidiro eo amin’ ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
и вложиши носила в колца: и да будут носила олтарю по бокам, еже подимати его.
8 Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
Тощь, дощатый сотвориши его: по показанному тебе на горе, тако сотвориши его.
9 Ary manaova ny kianjan’ ny tabernakely: amin’ ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ ny lafiny iray;
И да сотвориши двор скинии: на стране, яже к югу, завесы двора из виссона сканаго: долгота сто лакот стране единей:
10 ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
и столпы их двадесять, и стояла их двадесять медяна, и крючки их, и верхи их сребряны.
11 Ary ho tahaka izany amin’ ny lafiny avaratra, amin’ ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
Такожде на стране, яже к северу, завесы сто лакот в долготу, и столпы их двадесять, и стояла их двадесять медяна, и крючки их, и верхи столпов, и стояла их посребрена сребром.
12 Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin’ ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
Широта же двора, яже к морю, опоны пятьдесят лакот: столпы их десять, и стояла их десять.
13 Ary ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
И широта двора, яже к востоку, завесы пятьдесят лактий: столпы их десять, и стояла их десять.
14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
И пятьнадесять лакот высота опон стране единей: столпы их три, и стояла их три:
15 Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
и стране вторей опон пятьнадесять лакот высота: столпы их три, и стояла их три.
16 Ary eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
И вратам двора завеса двадесять лакот в высоту, от синеты и багряницы, и червленицы сканыя и виссона сканаго пестрением швенным: столпы их четыри, и стояла их четыри.
17 Ny tsangantsangany rehetra amin’ ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
Вси столпы двора окрест окованы сребром, и верхи их сребряны, и стояла их медяна.
18 Ny lavan’ ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
Долгота же двора сто на сто, и широта пятьдесят на пятьдесят, и высота пяти лактий от виссона сканаго: и стояла их медяна.
19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
И все устроение, и вся орудия, и гвозди двора медяны.
20 Ary mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
И ты заповеждь сыном Израилевым, и да возмут тебе елей от масличия без дрождей чист изжат в светение, да горит светилник всегда.
21 Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby,
В скинии свидения вне завесы, яже над заветом, возжигати будет его Аарон и сынове его, от вечера даже до утра, пред Господем, законно вечно в роды вашя от сынов Израилевых.

< Eksodosy 27 >