< Eksodosy 21 >

1 Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
「你在百姓面前所要立的典章是這樣:
2 Raha mividy andevo Hebreo ianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin’ ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
你若買希伯來人作奴僕,他必服事你六年;第七年他可以自由,白白地出去。
3 Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
他若孤身來就可以孤身去;他若有妻,他的妻就可以同他出去。
4 Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an’ ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
他主人若給他妻子,妻子給他生了兒子或女兒,妻子和兒女要歸主人,他要獨自出去。
5 Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
倘或奴僕明說:『我愛我的主人和我的妻子兒女,不願意自由出去。』
6 dia ho entin’ ny tompony ho eo anatrehan’ Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin’ ny varavarana, na ho eo amin’ ny tolam-baravarana, ka hotevehin’ ny tompony amin’ ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
他的主人就要帶他到審判官那裏,又要帶他到門前,靠近門框,用錐子穿他的耳朵,他就永遠服事主人。
7 Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon’ olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan’ ny andevolahy ho afaka no fialany.
「人若賣女兒作婢女,婢女不可像男僕那樣出去。
8 Fa raha tsy ankasitrahan’ ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin’ ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
主人選定她歸自己,若不喜歡她,就要許她贖身;主人既然用詭詐待她,就沒有權柄賣給外邦人。
9 Ary raha mamofo azy ho vadin’ ny zananilahy izy, dia araka ny fitondra zanakavavy no hataony aminy.
主人若選定她給自己的兒子,就當待她如同女兒。
10 Ary raha maka vehivavy hafa ho vadiny izy, dia tsy hahenany ny fihinany sy ny fitafiany ary ny fombam-panambadiany.
若另娶一個,那女子的吃食、衣服,並好合的事,仍不可減少。
11 Ary raha tsy hataony aminy izany zavatra telo loha izany, dia hiala ho afaka fotsiny ravehivavy, fa tsy handoa vola.
若不向她行這三樣,她就可以不用錢贖,白白地出去。」
12 Izay mamely olona ka mahafaty azy dia hatao maty tokoa;
「打人以致打死的,必要把他治死。
13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.
人若不是埋伏着殺人,乃是上帝交在他手中,我就設下一個地方,他可以往那裏逃跑。
14 Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ ny namany hamono azy amin’ ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
人若任意用詭計殺了他的鄰舍,就是逃到我的壇那裏,也當捉去把他治死。
15 Ary izay mamely ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
「打父母的,必要把他治死。
16 Ary izay mangalatra olona, na efa namidiny, na mbola hita eo an-tànany ihany ilay nangalariny, dia hatao maty tokoa.
「拐帶人口,或是把人賣了,或是留在他手下,必要把他治死。
17 Ary izay manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
「咒罵父母的,必要把他治死。
18 Ary raha misy olona mifanditra, ka ny anankiray mamely ny namany amin’ ny vato, na amin’ ny totohondry, koa tsy maty izy, fa marary ambany tsihy,
「人若彼此相爭,這個用石頭或是拳頭打那個,尚且不至於死,不過躺臥在床,
19 raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr’ andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
若再能起來扶杖而出,那打他的可算無罪;但要將他耽誤的工夫用錢賠補,並要將他全然醫好。
20 Ary raha misy olona mikapoka ny andevolahiny na ny andevovaviny amin’ ny tsorakazo ka mahafaty azy eo am-pikapohana, dia hovaliana tokoa izy.
「人若用棍子打奴僕或婢女,立時死在他的手下,他必要受刑。
21 Kanefa raha mbola velona maharitra indray andro na indroa andro izy, dia tsy hovaliana ilay tompony; fa hareny ihany izy.
若過一兩天才死,就可以不受刑,因為是用錢買的。
22 Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan’ anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian’ ny mpitsara izy.
「人若彼此爭鬥,傷害有孕的婦人,甚至墜胎,隨後卻無別害,那傷害她的,總要按婦人的丈夫所要的,照審判官所斷的,受罰。
23 Fa raha misy maninona kosa, dia hanome aina solon’ ny aina ianao,
若有別害,就要以命償命,
24 maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra,
以眼還眼,以牙還牙,以手還手,以腳還腳,
25 may solon’ ny may, ratra solon’ ny ratra, mivatra solon’ ny mivatra.
以烙還烙,以傷還傷,以打還打。
26 Ary raha misy olona mamely ny mason’ ny andevolahiny na ny mason’ ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
「人若打壞了他奴僕或是婢女的一隻眼,就要因他的眼放他去得以自由。
27 Ary raha ny nifin’ ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
若打掉了他奴僕或是婢女的一個牙,就要因他的牙放他去得以自由。」
28 Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon’ ilay omby dia ho afa-tsiny.
「牛若觸死男人或是女人,總要用石頭打死那牛,卻不可吃牠的肉;牛的主人可算無罪。
29 Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
倘若那牛素來是觸人的,有人報告了牛主,他竟不把牛拴着,以致把男人或是女人觸死,就要用石頭打死那牛,牛主也必治死。
30 Raha sazina izy, dia handoa vidin’ aina araka izay sazy atao aminy.
若罰他贖命的價銀,他必照所罰的贖他的命。
31 Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.
牛無論觸了人的兒子或是女兒,必照這例辦理。
32 Raha manoto andevolahy na andevovavy izy, dia homena sekely volafotsy telo-polo ny tompon’ andevo, ary ny omby hotoraham-bato.
牛若觸了奴僕或是婢女,必將銀子三十舍客勒給他們的主人,也要用石頭把牛打死。
33 Ary raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka, ka tsy rakofany, ary misy omby na boriky latsaka ao,
「人若敞着井口,或挖井不遮蓋,有牛或驢掉在裏頭,
34 dia hanonitra azy ny tompon-davaka, ka vola no haloany ho an’ ny tompony; ary ny maty dia ho azy.
井主要拿錢賠還本主人,死牲畜要歸自己。
35 Ary raha misy ombin’ olona mandratra ny ombin’ ny namany ka mahafaty azy, dia hamidiny ny omby velona, ka hozarainy ny vola vidiny; ary ny maty koa hozarainy.
「這人的牛若傷了那人的牛,以至於死,他們要賣了活牛,平分價值,也要平分死牛。
36 Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.
人若知道這牛素來是觸人的,主人竟不把牛拴着,他必要以牛還牛,死牛要歸自己。」

< Eksodosy 21 >