< Estera 6 >

1 Ary tamin’ iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
那夜王睡不着觉,就吩咐人取历史来,念给他听。
2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an’ i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
正遇见书上写着说:王的太监中有两个守门的,辟探和提列,想要下手害亚哈随鲁王,末底改将这事告诉王后。
3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’ i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon’ ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
王说:“末底改行了这事,赐他什么尊荣爵位没有?”伺候王的臣仆回答说:“没有赐他什么。”
4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan’ ny tranon’ ny mpanjaka tamin’ izay hiteny amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny hanantonana an’ i Mordekay amin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
王说:“谁在院子里?”(那时哈曼正进王宫的外院,要求王将末底改挂在他所预备的木架上。)
5 Ka hoy ny zatovon’ ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
臣仆说:“哈曼站在院内。”王说:“叫他进来。”
6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
哈曼就进去。王问他说:“王所喜悦尊荣的人,当如何待他呢?”哈曼心里说:“王所喜悦尊荣的,不是我是谁呢?”
7 Ka dia hoy Hamana tamin’ ny mpanjaka: Ny amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra,
哈曼就回答说:“王所喜悦尊荣的,
8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
当将王常穿的朝服和戴冠的御马,
9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ ny anankiray izay malaza indrindra amin’ ny mpanapaka voatendrin’ ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
都交给王极尊贵的一个大臣,命他将衣服给王所喜悦尊荣的人穿上,使他骑上马,走遍城里的街市,在他面前宣告说:王所喜悦尊荣的人,就如此待他。”
10 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’ i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
王对哈曼说:“你速速将这衣服和马,照你所说的,向坐在朝门的犹大人末底改去行。凡你所说的,一样不可缺。”
11 Dia nalain’ i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’ i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin’ ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
于是哈曼将朝服给末底改穿上,使他骑上马,走遍城里的街市,在他面前宣告说:“王所喜悦尊荣的人,就如此待他。”
12 Ary Mordekay niverina nankeo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
末底改仍回到朝门,哈曼却忧忧闷闷地蒙着头,急忙回家去了,
13 Dia nolazain’ i Hamana tamin’ i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
将所遇的一切事详细说给他的妻细利斯和他的众朋友听。他的智慧人和他的妻细利斯对他说:“你在末底改面前始而败落,他如果是犹大人,你必不能胜他,终必在他面前败落。”
14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin’ ny mpanjaka ka naka faingana an’ i Hamana ho ny amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
他们还与哈曼说话的时候,王的太监来催哈曼快去赴以斯帖所预备的筵席。

< Estera 6 >