< Mpitoriteny 2 >

1 Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin’ ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
I said in my heart, Come now, I will prove thee with mirth, therefore enjoy pleasure: and behold, this also [is] vanity.
2 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
I said of laughter, [It is] mad: and of mirth, What doeth it?
3 Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ ny zanak’ olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ ny lanitra amin’ ny andro vitsy iainany.
I sought in my heart, to give myself to wine, yet acquainting my heart with wisdom; and to lay hold on folly, till I might see what [was] that good for the sons of men, which they should do under the heaven all the days of their life.
4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
I made me great works; I built me houses; I planted me vineyards:
5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
I made me gardens and orchards, and I planted trees in them of all [kind of] fruits:
6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
I made me pools of water, to water with them the wood that bringeth forth trees:
7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman’ osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
I procured [me] servants and maidens, and had servants born in my house; also I had great possessions of great and small cattle above all that were in Jerusalem before me:
8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan’ ny mpanjaka sy izay avy amin’ ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin’ izay mahafinaritra ny zanak’ olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.
I gathered me also silver and gold, and the peculiar treasure of kings, and of the provinces: I procured me men-singers and women-singers, and the delights of the sons of men, [as] musical instruments, and of all sorts.
9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
So I was great, and increased more than all that were before me in Jerusalem: also my wisdom remained with me.
10 Ary na inona na inona nirin’ ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’ izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ ny fisasarako rehetra.
And whatever my eyes desired I kept not from them, I withheld not my heart from any joy; for my heart rejoiced in all my labor: and this was my portion of all my labor.
11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ ny masoandro.
Then I looked on all the works that my hands had wrought, and on the labor that I had labored to do: and behold, all [was] vanity and vexation of spirit, and [there was] no profit under the sun.
12 Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon’ ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin’ ny ela ihany.
And I turned myself to behold wisdom, and madness, and folly: for what [can] the man [do] that cometh after the king? [even] that which hath been already done.
13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara’ noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran ny mazava noho ny maizina.
Then I saw that wisdom excelleth folly, as far as light excelleth darkness.
14 Ny mason’ ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
The wise man's eyes [are] in his head; but the fool walketh in darkness: and I myself perceived also that one event happeneth to them all.
15 Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
Then said I in my heart, As it happeneth to the fool, so it happeneth even to me; and why was I then more wise? Then I said in my heart, that this also [is] vanity.
16 Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin’ ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
For [there is] no remembrance of the wise more than of the fool for ever; seeing that which now [is] in the days to come shall all be forgotten. And how dieth the wise [man]? as the fool.
17 Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.
Therefore I hated life; because the work that is wrought under the sun [is] grievous to me: for all [is] vanity and vexation of spirit.
18 Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ ny masoandro, fa havelako ho an’ ny olona izay handimby ahy izany,
Yes, I hated all my labor which I had taken under the sun: because I should leave it to the man that shall be after me.
19 ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’ izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ ny fahendreko tatỳ ambanin’ ny masoandro. Zava-poana koa izany.
And who knoweth whether he shall be a wise [man] or a fool? yet shall he have rule over all my labor in which I have labored, and in which I have showed myself wise under the sun. This [is] also vanity.
20 Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin’ ny fahakiviana ny amin’ ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ ny masoandro.
Therefore I went about to cause my heart to despair of all the labor which I took under the sun.
21 Fa misy olona izay misasatra amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’ izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
For there is a man whose labor is in wisdom, and in knowledge, and in equity; yet to a man that hath not labored in it, shall he leave it [for] his portion. This also [is] vanity and a great evil.
22 Fa inona no azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra sy amin’ ny fikatsahan’ ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ ny masoandro?
For what hath man of all his labor, and of the vexation of his heart, in which he hath labored under the sun?
23 Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
For all his days [are] sorrows, and his labor grief; yes, his heart taketh not rest in the night. This is also vanity.
24 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ ny tànan’ Andriamanitra
[There is] nothing better for a man than that he should eat and drink, and [that] he should make his soul enjoy good in his labor. This also I saw, that it [was] from the hand of God.
25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
For who can eat, or who else can hasten [to it] more than I?
26 Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
For [God] giveth to a man who [is] good in his sight, wisdom, and knowledge, and joy: but to the sinner he giveth toil, to gather, and to amass, that he may give to [him that is] good before God. This also [is] vanity and vexation of spirit.

< Mpitoriteny 2 >