< Deotoronomia 26 >

1 Ary rehefa tonga ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,
و چون به زمینی که یهوه خدایت تو رانصیب می‌دهد داخل شدی، و در آن تصرف نموده، ساکن گردیدی،۱
2 dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
آنگاه نوبر تمامی حاصل زمین را که از زمینی که یهوه خدایت به تومی دهد، جمع کرده باشی بگیر، و آن را در سبدگذاشته، به مکانی که یهوه خدایت برگزیند تا نام خود را در آن ساکن گرداند، برو.۲
3 dia mankanesa amin’ ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razantsika homeny antsika.
و نزد کاهنی که در آن روزها باشد رفته، وی را بگو: «امروز برای یهوه خدایت اقرار می‌کنم که به زمینی که خداوندبرای پدران ما قسم خورد که به ما بدهد، داخل شده‌ام.»۳
4 Dia horaisin’ ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao.
و کاهن سبد را از دستت گرفته، پیش مذبح یهوه خدایت بگذارد.۴
5 Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
پس تو به حضوریهوه خدای خود اقرار کرده، بگو: «پدر من ارامی آواره بود، و با عددی قلیل به مصر فرود شده، درآنجا غربت پذیرفت، و در آنجا امتی بزرگ وعظیم و کثیر شد.۵
6 Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
و مصریان با ما بدرفتاری نموده، ما را ذلیل ساختند، و بندگی سخت بر مانهادند.۶
7 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;
و چون نزد یهوه، خدای پدران خود، فریاد برآوردیم، خداوند آواز ما را شنید ومشقت و محنت و تنگی ما را دید.۷
8 ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
و خداوند مارا از مصر به‌دست قوی و بازوی افراشته و خوف عظیم، و با آیات و معجزات بیرون آورد.۸
9 dia nitondra antsika niditra teto amin’ ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
و ما رابه این مکان درآورده، این زمین را زمینی که به شیرو شهد جاری است به ما بخشید.۹
10 Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
و الان اینک نوبر حاصل زمینی را که تو‌ای خداوند به من دادی، آورده‌ام.» پس آن را به حضور یهوه خدای خود بگذار، و به حضور یهوه، خدایت، عبادت نما.۱۰
11 Ary mifalia amin’ ny soa rehetra izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin’ ny vahiny eo aminao.
و تو با لاوی و غریبی که در میان تو باشد ازتمامی نیکویی که یهوه، خدایت، به تو و به خاندانت بخشیده است، شادی خواهی نمود.۱۱
12 Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ ny vokatrao amin’ ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
و در سال سوم که سال عشر است، چون ازگرفتن تمامی عشر محصول خود فارغ شدی، آن را به لاوی و غریب و یتیم و بیوه‌زن بده، تا دراندرون دروازه های تو بخورند و سیر شوند.۱۲
13 ary dia lazao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masìna tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
وبه حضور یهوه خدایت بگو: «موقوفات را از خانه خود بیرون کردم، و آنها را نیز به لاوی و غریب ویتیم و بیوه‌زن، موافق تمامی اوامری که به من امرفرمودی، دادم، و از اوامر تو تجاوز ننموده، فراموش نکردم.۱۳
14 Tsy nisy nohaniko teo amin’ ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
در ماتم خود از آنها نخوردم ودر نجاستی از آنها صرف ننمودم، و برای اموات از آنها ندادم، بلکه به قول یهوه، خدایم، گوش داده، موافق هر‌آنچه به من امر فرمودی، رفتارنمودم.۱۴
15 Tsinjovy ao amin’ ny fonenanao masìna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
از مسکن مقدس خود از آسمان بنگر، و قوم خود اسرائیل و زمینی را که به ما دادی چنانکه برای پدران ما قسم خوردی، زمینی که به شیر و شهد جاری است، برکت بده،.»۱۵
16 Anio no andidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
امروز یهوه، خدایت، تو را امر می‌فرمایدکه این فرایض و احکام را بجا آوری، پس آنها رابه تمامی دل و تمامی جان خود نگاه داشته، بجاآور.۱۶
17 Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
امروز به یهوه اقرار نمودی که خدای توست، و اینکه به طریقهای او سلوک خواهی نمود، و فرایض و اوامر و احکام او را نگاه داشته، آواز او را خواهی شنید.۱۷
18 Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
و خداوند امروز به تواقرار کرده است که تو قوم خاص او هستی، چنانکه به تو وعده داده است، و تا تمامی اوامر اورا نگاه داری.۱۸
19 sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
و تا تو را در ستایش و نام و اکرام از جمیع امتهایی که ساخته است، بلند گرداند، وتا برای یهوه، خدایت، قوم مقدس باشی، چنانکه وعده داده است.۱۹

< Deotoronomia 26 >