< Daniela 6 >

1 Sitrak’ i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
И бысть угодно пред царем, и постави во царстве князей сто и двадесять, еже быти им во всем царстве его,
2 Koa tamin’ ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin’ ireo, mba hilazan’ ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
над ними же три чиновники, от нихже бе Даниил един, дабы отдавали им князи слово, яко да царю не стужают.
3 Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ ny fanjakana rehetra.
И бе Даниил над ними, яко дух бяше преизюбилен в нем, и царь постави его над всем царством своим.
4 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an’ i Daniela ny amin’ ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
Чиновницы же и князи искаху вины обрести на Даниила: и всякия вины и соблазна и греха не обретоша на него, яко верен бяше.
5 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ ny lalan’ Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
И реща чиновницы не обрящем на Даниила вины, аще не в законех Бога его.
6 Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
Тогда чиновницы и князи предсташа царю и реша ему: Дарие царю, во веки живи:
7 Ny komandy lehibe rehetra amin’ ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ ny telo-polo andro, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
совещаша вси иже во царстве твоем воеводы и князи, ипати и обладающии странами, еже уставити устав царский и укрепити предел, яко аще кто попросит прошения от всякаго бога и человека до дний тридесяти, разве точию от тебе, царю, да ввержен будет в ров левский:
8 Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
ныне убо, царю, устави предел и положи писание, яко да не изменится заповедь Мидска и Персска, (да никтоже преступит ея).
9 Ary noho izany dia nasian’ i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
Тогда царь Дарий повеле вписати заповедь.
10 Nony fantatr’ i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ ny tranony ambony nanandrify an’ i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’ andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’ Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ ny taloha izany.
Даниил же егда уведе, яко заповедь вчинися, вниде в дом свой: дверцы же отверсты ему в горнице его противу Иерусалима, в три же времена дне бяше прекланяя колена своя, моляся и исповедаяся пред Богом своим, якоже бе творя прежде.
11 Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an’ i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’ Andriamaniny.
Тогда мужие онии наблюдоша и обретоша Даниила просяща и молящася Богу своему,
12 Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka noho ny amin’ ilay lalàn’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, ato anatin’ ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
и пришедше реша пред царем: царю, не вчинил ли еси ты предела, яко да всяк человек, иже аще попросит у всякаго бога и человека прошения до тридесяти дний, но точию у тебе, царю, да ввержется в ров левск? И рече царь: истинно слово, и заповедь Мидска и Персска не мимоидет.
13 Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan’ andro izy.
Тогда отвещаша пред царем и глаголаша: Даниил, иже от сынов плена Иудейска, не покорися заповеди твоей (и не раде) о пределе, егоже вчинил еси: в три бо времена дне просит у Бога своего прошений своих.
14 Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’ i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
Тогда царь, яко слышав слово сие, зело опечалися о нем, и о Данииле пряшеся еже избавити его, и бе даже до вечера пряся еже избавити его.
15 Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
Тогда мужие онии глаголаша царю: веждь, царю яко Мидом и Персом не леть есть пременити всякаго предела и устава, егоже царь уставит.
16 Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
Тогда царь рече, и приведоша Даниила и ввергоша его в ров левск. И рече царь Даниилу: Бог твой, Емуже ты служиши присно, Той избавит тя.
17 Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ ny fanombohan-kaseny sy tamin’ ny fanombohan-kasen’ ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin’ i Daniela.
И принесоша камень един и возложиша на устие рва, и запечата царь перстнем своим и перстнем вельмож своих, да не изменится деяние о Данииле.
18 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.
И отиде царь в дом свой и ляже без вечери, и яди не внесоша к нему: и сон отступи от него. И заключи Бог уста львом, и не стужиша Даниилу.
19 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ ny lavaky ny liona.
Тогда царь воста заутра на свете и со тщанием прииде ко рву левску.
20 Ary nony tonga teo amin’ ny lavaka izy, dia niantso an’ i Daniela tamin’ ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon’ Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ ny liona va?
И егда приближися ко рву, возопи гласом крепким: Данииле, рабе Бога живаго! Бог твой, Емуже ты служиши присно, возможе ли избавити тя из уст львовых?
21 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
И рече Даниил цареви: царю, во веки живи:
22 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
Бог мой посла Ангела Своего и затвори уста львов, и не вредиша мене, яко обретеся пред Ним правда моя, и пред тобою, царю, согрешения не сотворих.
23 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’ Andriamaniny.
Тогда царь вельми возвеселися о нем и рече Даниила извести из рва. И изведен бысть Даниил из рва, и всякаго тления не обретеся на нем яко верова в Бога своего.
24 Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an’ i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin’ ny vodin’ ny lavaka akory aza izy.
И рече царь, и приведоша мужы оклеветавшыя Даниила и в ров левск ввергоша я и сыны их и жены их: и не доидоша дна рва, даже соодолеша им львы и вся кости их истончиша.
25 Tamin’ izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
Тогда Дарий царь написа всем людем, племеном, языком, живущым во всей земли: мир вам да умножится:
26 Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.
от лица моего заповедася заповедь сия во всей земли царства моего, да будут трепещуще и боящеся от лица Бога Даниилова, яко Той есть Бог живый и пребываяй во веки, и царство Его не разсыплется, и власть Его до конца:
27 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’ i Daniela ho afaka tamin’ ny herin’ ny liona.
подемлет и избавляет, и творит знамения и чудеса на небеси и на земли, иже избави Даниила от уст львовых.
28 Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ ny nanjakan’ i Dariosa sy tamin’ ny nanjakan’ i Kyrosy Persiana.
Даниил же управляше во царстве Дариеве и во царстве Кира Персянина.

< Daniela 6 >