< Daniela 5 >

1 Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ ireny no nisotroany divay.
Belshazzar the king made a great feast to a thousand of his lords, and drank wine before the thousand.
2 Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’ i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan’ ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony.
Belshazzar, while he tasted the wine, commanded to bring the golden and silver vessels which Nebuchadnezzar his father had taken out of the temple which was in Jerusalem; that the king and his lords, his wives and his secondary wives, might drink from them.
3 Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin’ ny tempolin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony nisotro taminy.
Then they brought the gold and silver vessels that were taken out of the temple of the house of God which was at Jerusalem; and the king and his lords, his wives and his secondary wives, drank from them.
4 Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
They drank wine, and praised the gods of gold, and of silver, of bronze, of iron, of wood, and of stone.
5 Tamin’ izay dia nisy rantsan-tànan’ olona niseho ka nanoratra tandrifin’ ny jiro tamin’ ny lalotra sokay teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
In the same hour came forth the fingers of a man's hand, and wrote over against the lampstand on the plaster of the wall of the king's palace: and the king saw the part of the hand that wrote.
6 Dia nivaloarika ny tarehin’ ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
Then the king's face was turned pale, and his thoughts troubled him; and the joints of his thighs gave way, and his knees began knocking together.
7 Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana izy.
The king cried aloud to bring in the enchanters, the Chaldeans, and the diviners. The king spoke and said to the wise men of Babylon, "Whoever shall read this writing, and show me its interpretation, shall be clothed with purple, and have a chain of gold about his neck, and shall be the third ruler in the kingdom."
8 Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
Then came in all the king's wise men; but they could not read the writing, nor make known to the king the interpretation.
9 Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
Then was king Belshazzar greatly troubled, and his face turned pale, and his lords were perplexed.
10 Ary ny renin’ ny mpanjaka niditra tao amin’ ny trano fanasana noho ny tenin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
Now the queen by reason of the words of the king and his lords came into the banquet house. The queen spoke and said, "O king, live forever; do not let your thoughts trouble you, nor let your face be changed.
11 Misy lehilahy ato amin’ ny fanjakanao izay manana fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren’ ireo andriamanitra; ka nataon’ i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben’ ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
There is a man in your kingdom, in whom is the spirit of the holy gods; and in the days of your father light and understanding and wisdom, like the wisdom of the gods, were found in him; and king Nebuchadnezzar your father, your father the king, made him chief of the magicians, enchanters, Chaldeans, and diviners;
12 fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin’ izany Daniela izany, izay nomen’ ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
because an extraordinary spirit, and knowledge, and understanding to interpret dreams, explain riddles, and solve knotty problems were found in this Daniel, whom the king named Belteshazzar. Now let Daniel be called, and he will show the interpretation."
13 Dia nampidirina teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, izay nentin’ ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
Then was Daniel brought in before the king. The king spoke and said to Daniel, "Are you that Daniel, who are of the children of the captivity of Judah, whom the king my father brought out of Judah?
14 Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin’ ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
I have heard of you, that the spirit of the gods is in you, and that light and understanding and extraordinary wisdom are found in you.
15 Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
Now the wise men, the enchanters, have been brought in before me, that they should read this writing, and make known to me its interpretation; but they could not show the interpretation of the thing.
16 ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana ianao.
But I have heard of you, that you can give interpretations, and solve problems. Now if you can read the writing, and make known to me its interpretation, you shall be clothed with purple, and have a chain of gold about your neck, and shall be the third ruler in the kingdom."
17 Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin’ ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
Then Daniel answered before the king, "Keep your gifts for yourself, and give your rewards to another; Nevertheless I will read the writing to the king, and make known to him the interpretation.
18 Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’ i Nebokadnezara rainao;
You king, the Most High God gave Nebuchadnezzar your father the kingdom, and greatness, and glory, and majesty.
19 ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
And because of the greatness that he gave him, all the peoples, nations, and languages trembled and feared before him. Whom he would he killed, and whom he would he kept alive; and whom he would he raised up, and whom he would he put down.
20 Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin’ ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
But when his heart was lifted up, and his spirit was hardened so that he dealt proudly, he was removed from his kingly throne, and they took his glory from him.
21 dia noroahina niala tamin’ ny zanak’ olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an’ ny biby, ary ny fonenany tany amin’ ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ ny andon’ ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
And he was driven from the sons of men, and his mind was made like the animals', and his dwelling was with the wild donkeys. He was fed with grass like oxen, and his body was wet with the dew of the sky; until he knew that the Most High God rules in the kingdom of men, and that he sets up over it whomever he wants.
22 Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
You his son, Belshazzar, have not humbled your heart, though you knew all this,
23 fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
but have lifted up yourself against the Lord of heaven. And they have brought the vessels of his house before you, and you and your lords, your wives and your secondary wives, have drunk wine from them. And you have praised the gods of silver and gold, of bronze, iron, wood, and stone, which do not see, nor hear, nor know. And the God in whose hand your breath is, and whose are all your ways, you have not glorified.
24 Ary noho izany dia Izy no nihavian’ ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
Then was the part of the hand sent from before him, and this writing was inscribed.
25 Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.
This is the writing that was inscribed: MENE, MENE, TEKEL, UPHARSIN.
26 Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan’ Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’ izao;
This is the interpretation of the thing: MENE; God has numbered your kingdom, and brought it to an end;
27 Tekela, efa voalanja tamin’ ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
TEKEL; you are weighed in the balances, and are found wanting.
28 Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ ny Mediana sy ny Persiana.
PERES; your kingdom is divided, and given to the Medes and Persians."
29 Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana.
Then commanded Belshazzar, and they clothed Daniel with purple, and put a chain of gold about his neck, and made proclamation concerning him, that he should be the third ruler in the kingdom.
30 Ary tamin’ io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan’ ny Kaldeana.
In that night Belshazzar the Chaldean King was slain.
31 Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
Daryavesh the Mede received the kingdom, being about sixty-two years old.

< Daniela 5 >